الشمس
The Sun • 15 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Mianiana Aho amin'ny masoandro sy ny fisandratany.
2Sy amin'ny volana rehefa nandimby ny masoandro Izy.
3Sy amin'ny andro rehefa mibaliaka ny masoandro,
4Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra ny andro izy,
5Sy amin'ny lanitra sy izay nahariana azy,
6Sy amin'ny tany sy izay nampitoviana aminy tamin'ny namelarana azy.
7Sy amin'ny fanahy sy izay nandavorariany azy.
8Izay nampahafantatra azy ny fitondran-tena ratsy sy ny fahaizana mitandrina.
9Sambatra tokoa izay nanadio ny fanahiny,
10Ary tena maty antoka izay nandoto ny azy.
11Nandà tamin'ny alalan'ny fihoaram-pefy ireo vahoaka Thamodo.
12Rehefa nitsangana ilay mahantra indrindra tamin'izy ireo mba hamono ilay rameva.
13Ka niteny tamin'izy ireo ny irak'I Allah hoe : " tandremo fa ramevan'i Tompo Allah io ! Avelao izy hisotro rano."
14Kanefa tsy nino izy ireo ary dia novonoiny ilay rameva. Ary nanafay azy rehetra noho izany ny Tompony, vokatry ny tsy fatahoran'izy ireo.
15Tsy nanan-tahotra na dia kely ny amin'ny mety ho vokatr'izany velively i Tompo Allah,