An-Nazi'at

النازعات

Those Who Drag Forth46 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلنَّٰزِعَٰتِ غَرۡقٗا﴿١

1Mianiana Aho amin'ireo anjely izay manongotra amin-kery ny aina,

وَٱلنَّٰشِطَٰتِ نَشۡطٗا﴿٢

2sy amin'ireo anjely izay manala malefaka ny aina;

وَٱلسَّٰبِحَٰتِ سَبۡحٗا﴿٣

3amin'ireo anjely mpivezivezy mpamita iraka,

فَٱلسَّٰبِقَٰتِ سَبۡقٗا﴿٤

4amin'ireo anjely izay mitari-dalana ireo fanahin'ireo mpino,

فَٱلۡمُدَبِّرَٰتِ أَمۡرٗا﴿٥

5ary mandrindra ny zava-drehetra,

يَوۡمَ تَرۡجُفُ ٱلرَّاجِفَةُ﴿٦

6amin'ny andro izay hisian'ny horohoro nohon'ny fidoboky ny anjomara voalohany,

تَتۡبَعُهَا ٱلرَّادِفَةُ﴿٧

7hanaraka izany koa ny fidoboky ny anjomara faharoa,

قُلُوبٞ يَوۡمَئِذٖ وَاجِفَةٌ﴿٨

8amin'izay andro izay dia ho feno tebiteby ny fo,

أَبۡصَٰرُهَا خَٰشِعَةٞ﴿٩

9ary ny fijerin'izy ireo dia hitanondrika,

يَقُولُونَ أَءِنَّا لَمَرۡدُودُونَ فِي ٱلۡحَافِرَةِ﴿١٠

10Hiteny izy ireo hoe: "Ahoana no hiverenantsika ho toy ny teo aloha indray?";

أَءِذَا كُنَّا عِظَٰمٗا نَّخِرَةٗ﴿١١

11" Raha toa isika ka ho taolana sy ho vovoka feno fahalovana? "

قَالُواْ تِلۡكَ إِذٗا كَرَّةٌ خَاسِرَةٞ﴿١٢

12hilaza izy ireo hoe: " Dia ho fiverenana hamono antoka izany "

فَإِنَّمَا هِيَ زَجۡرَةٞ وَٰحِدَةٞ﴿١٣

13Aza mangataka ny hanalavitra fa tsy hisy afa-tsy antso tokana ihany izany.

فَإِذَا هُم بِٱلسَّاهِرَةِ﴿١٤

14Ary dia indro izy ireo ho eo ambonin'ny tanim-pitsarana

هَلۡ أَتَىٰكَ حَدِيثُ مُوسَىٰٓ﴿١٥

15Moa ve tonga taminao ny tantaran'i Moosa?

إِذۡ نَادَىٰهُ رَبُّهُۥ بِٱلۡوَادِ ٱلۡمُقَدَّسِ طُوًى﴿١٦

16Tamin'ny niantsoan'ny Tompony azy tao an-dohasaha masin'i To'a?

ٱذۡهَبۡ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ إِنَّهُۥ طَغَىٰ﴿١٧

17Mandehana ianao any amin'ny Farao, fa raha ny tena marina dia efa mpikomy izy.

فَقُلۡ هَل لَّكَ إِلَىٰٓ أَن تَزَكَّىٰ﴿١٨

18Ary lazao azy hoe: " Manana faniriana hanadio tena ve ianao?

وَأَهۡدِيَكَ إِلَىٰ رَبِّكَ فَتَخۡشَىٰ﴿١٩

19Ka hotarihiko ho amin'ny fanompoana ny tomponao mba hanampahatahorana Azy ?

فَأَرَىٰهُ ٱلۡأٓيَةَ ٱلۡكُبۡرَىٰ﴿٢٠

20Ary dia nasehony azy ny famantarana lehibe.

فَكَذَّبَ وَعَصَىٰ﴿٢١

21Nihevitra izany ho lainga anefa izy ka dia tsy nankato,

ثُمَّ أَدۡبَرَ يَسۡعَىٰ﴿٢٢

22Fa nihodina nanda ny finoana izy ireo ary lasa faingana nanao ny faharatsiana

فَحَشَرَ فَنَادَىٰ﴿٢٣

23Dia namory ireo olony izy ary nanao fanambarana.

فَقَالَ أَنَا۠ رَبُّكُمُ ٱلۡأَعۡلَىٰ﴿٢٤

24ka nilaza hoe: " Izaho no tomponareo, ilay avo indrindra."

فَأَخَذَهُ ٱللَّهُ نَكَالَ ٱلۡأٓخِرَةِ وَٱلۡأُولَىٰٓ﴿٢٥

25Nohon'izany dia nampiharin'I Allah taminy ny sazy teto an-tany ary homeny koa ny any an-koatra,

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّمَن يَخۡشَىٰٓ﴿٢٦

26Izany toe-javatra izany dia fampieritreretana lehibe tokoa ho an'izay manana fahatahorana an'I Allah.

ءَأَنتُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَمِ ٱلسَّمَآءُۚ بَنَىٰهَا﴿٢٧

27Moa ve ny fahariana anareo dia nanao sarotra tokoa nohon'ny nahariana ny lanitra izay naoriny.

رَفَعَ سَمۡكَهَا فَسَوَّىٰهَا﴿٢٨

28Nataony ho ambony toerana ary vita mitovy tantana,

وَأَغۡطَشَ لَيۡلَهَا وَأَخۡرَجَ ضُحَىٰهَا﴿٢٩

29Nataony ho maizina ny alina ary nohazavany ny androny,

وَٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ ذَٰلِكَ دَحَىٰهَآ﴿٣٠

30Ary ny tany kosa taorian'izany dia nataony midadasika,

أَخۡرَجَ مِنۡهَا مَآءَهَا وَمَرۡعَىٰهَا﴿٣١

31ka avy taminy no namoahany ny rano sy ny kijana firaofanan'ny biby.

وَٱلۡجِبَالَ أَرۡسَىٰهَا﴿٣٢

32Ary ireo tendrombohitra dia nataony andry iankinany;

مَتَٰعٗا لَّكُمۡ وَلِأَنۡعَٰمِكُمۡ﴿٣٣

33Mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,

فَإِذَا جَآءَتِ ٱلطَّآمَّةُ ٱلۡكُبۡرَىٰ﴿٣٤

34rehefa ho tonga ny fikorontanana lehibe,

يَوۡمَ يَتَذَكَّرُ ٱلۡإِنسَٰنُ مَا سَعَىٰ﴿٣٥

35amin'ny andro izay hahatsiarovan'ny olombelona ny asa rehetra nataony,

وَبُرِّزَتِ ٱلۡجَحِيمُ لِمَن يَرَىٰ﴿٣٦

36dia hibaribary amin'izay mijery ny Afo be,

فَأَمَّا مَن طَغَىٰ﴿٣٧

37Fa izay nikomy tsy nankato an'I Allah kosa

وَءَاثَرَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا﴿٣٨

38sy nifidy ny fiainana eto ambonin'ny tany,

فَإِنَّ ٱلۡجَحِيمَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ﴿٣٩

39dia ny Afo be no hitoeran'izy ireo,

وَأَمَّا مَنۡ خَافَ مَقَامَ رَبِّهِۦ وَنَهَى ٱلنَّفۡسَ عَنِ ٱلۡهَوَىٰ﴿٤٠

40Ary ho an'izay natahotra ny fihaonan'izy ireo eo anoloan'ny Tompony sy nitandrina ny tenany tamin'ny filan-dratsin'ny nofo kosa;

فَإِنَّ ٱلۡجَنَّةَ هِيَ ٱلۡمَأۡوَىٰ﴿٤١

41dia ny paradisa no ho fonenan'izy ireo,

يَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلسَّاعَةِ أَيَّانَ مُرۡسَىٰهَا﴿٤٢

42Hanontany anao ny amin'ny andro farany izy ireo hoe: "Rahoviana anga no ahatongavan'izany? "

فِيمَ أَنتَ مِن ذِكۡرَىٰهَآ﴿٤٣

43Amin'ny fomba ahoana no hilazanao izany amin'izy ireo?

إِلَىٰ رَبِّكَ مُنتَهَىٰهَآ﴿٤٤

44any amin'ny Tomponao ny fahalalana izany.

إِنَّمَآ أَنتَ مُنذِرُ مَن يَخۡشَىٰهَا﴿٤٥

45Satria ianao dia mpampitandrina ihany an'izay manana fahatahorana an'izany,

كَأَنَّهُمۡ يَوۡمَ يَرَوۡنَهَا لَمۡ يَلۡبَثُوٓاْ إِلَّا عَشِيَّةً أَوۡ ضُحَىٰهَا﴿٤٦

46Amin'ny andro izay hahitan'izy ireo ny andro farany dia tahaka ny tsy nonina tety an-tany afa-tsy indray maraina na indray hariva fotsiny izy ireo,

RELATED SURAHS