الفاتحة
The Opening • 7 ayahs • Meccan
1Amin'ny anaran'i Allah,ilay Be indrafo,ilay Be fiantrana.
2Ny Dera sy ny Voninahitra rehetra dia ho an'Allah Ilay Tompon'izao tontolo izao.
3ilay Be Indrafo, ilay Be Fiantrana.
4Mpanjakan'ny andro fitsarana
5Ianao irery ihany no tompoinay, ary Ianao irery ihany koa no angatahinay ny famonjena.
6Tariho mandrakariva amin'ny làlana mahitsy izahay.
7Dia làlan'ireo nomenao fahasoavana; fa tsy ny an'ireo izay niharan'ny fahatezerana na ireo very làlana.