An-Naba

النبأ

The Tidings40 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

عَمَّ يَتَسَآءَلُونَ﴿١

1Ny amin'inona moa no ifanontanian'izy ireo ?

عَنِ ٱلنَّبَإِ ٱلۡعَظِيمِ﴿٢

2Ny amin'ilay vaovao lehibe.

ٱلَّذِي هُمۡ فِيهِ مُخۡتَلِفُونَ﴿٣

3Izay tsy mampifanaraka azy ireo.

كَلَّا سَيَعۡلَمُونَ﴿٤

4Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo.

ثُمَّ كَلَّا سَيَعۡلَمُونَ﴿٥

5Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo marimarina tokoa.

أَلَمۡ نَجۡعَلِ ٱلۡأَرۡضَ مِهَٰدٗا﴿٦

6Moa ve tsy nataoko ho toeram-pialan-tsasatra ny tany?

وَٱلۡجِبَالَ أَوۡتَادٗا﴿٧

7Ary ireo tendrombohitra ho toy ny andry iankinany?

وَخَلَقۡنَٰكُمۡ أَزۡوَٰجٗا﴿٨

8Ary nohariako ho lahy sy vavy ianareo.

وَجَعَلۡنَا نَوۡمَكُمۡ سُبَاتٗا﴿٩

9Ary nataoko ho fialan-tsasatra ho anareo ny torimasonareo.

وَجَعَلۡنَا ٱلَّيۡلَ لِبَاسٗا﴿١٠

10Ary nataoko ho toy ny firakotra ho anareo ny aizin'ny alina.

وَجَعَلۡنَا ٱلنَّهَارَ مَعَاشٗا﴿١١

11Ary nataoko ho fitadiavam-pivelomana ho anareo ny atoandro.

وَبَنَيۡنَا فَوۡقَكُمۡ سَبۡعٗا شِدَادٗا﴿١٢

12Ary naoriko eo amboninareo ireo lanitra fito sosona mafy orina.

وَجَعَلۡنَا سِرَاجٗا وَهَّاجٗا﴿١٣

13Ary nasiako jiro manazava izay mafana sy mahery vaika.

وَأَنزَلۡنَا مِنَ ٱلۡمُعۡصِرَٰتِ مَآءٗ ثَجَّاجٗا﴿١٤

14Ary narotsako avy amin'ny rahona matevina ny rano sesehana.

لِّنُخۡرِجَ بِهِۦ حَبّٗا وَنَبَاتٗا﴿١٥

15Mba hampitsiriako amin'ny alalan'izany ireo voa mahavelona sy zava-maniry isan-karazany.

وَجَنَّٰتٍ أَلۡفَافًا﴿١٦

16Sy ireo saha mahate ho tia.

إِنَّ يَوۡمَ ٱلۡفَصۡلِ كَانَ مِيقَٰتٗا﴿١٧

17Eny! Efa voafaritra ny andron'ny fitsarana.

يَوۡمَ يُنفَخُ فِي ٱلصُّورِ فَتَأۡتُونَ أَفۡوَاجٗا﴿١٨

18Ilay andro hitsofana ny anjomara ka hahatongavanareo amin'ny andiany maro.

وَفُتِحَتِ ٱلسَّمَآءُ فَكَانَتۡ أَبۡوَٰبٗا﴿١٩

19Ary ho sokafana ny lanitra ka hisian'ireo varavarana maro.

وَسُيِّرَتِ ٱلۡجِبَالُ فَكَانَتۡ سَرَابًا﴿٢٠

20Ary hihetsika ireo tendrombohitra ka lasa hanana endrika mamitaka ny maso.

إِنَّ جَهَنَّمَ كَانَتۡ مِرۡصَادٗا﴿٢١

21ny helo dia miambina fatratra,

لِّلطَّٰغِينَ مَـَٔابٗا﴿٢٢

22mba honenan'ireo mpikomy,

لَّٰبِثِينَ فِيهَآ أَحۡقَابٗا﴿٢٣

23ka hitoetra ao izy ireo an-jato taonany maro mifanesy,

لَّا يَذُوقُونَ فِيهَا بَرۡدٗا وَلَا شَرَابًا﴿٢٤

24dia tsy hahatsapa hatsiaka na hanendry zava-pisotro mihitsy,

إِلَّا حَمِيمٗا وَغَسَّاقٗا﴿٢٥

25afa tsy ny rano mangotraka sy ireo tsiranoka maimbo,

جَزَآءٗ وِفَاقًا﴿٢٦

26izany no valin'asa tsy ara-drariny

إِنَّهُمۡ كَانُواْ لَا يَرۡجُونَ حِسَابٗا﴿٢٧

27Tsy mba nieritreritra ny fitsarana farany izy ireo,

وَكَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا كِذَّابٗا﴿٢٨

28nataon'izy ireo ho lainga mandrakariva ny faminaniana nalefako,

وَكُلَّ شَيۡءٍ أَحۡصَيۡنَٰهُ كِتَٰبٗا﴿٢٩

29Ny zava-drehetra anefa dia efa noraiketiko an-tsoratra avokoa,

فَذُوقُواْ فَلَن نَّزِيدَكُمۡ إِلَّا عَذَابًا﴿٣٠

30koa dia andramo ary! Tsy hanampy anareo na oviana na oviana Aho afa-tsy ny sazy,

إِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ مَفَازًا﴿٣١

31Ireo matahotra an'iAllah kosa dia hahazo ny fahombiazana,

حَدَآئِقَ وَأَعۡنَٰبٗا﴿٣٢

32ao ireo saha maintso mavana sy karazam-boaloboka,

وَكَوَاعِبَ أَتۡرَابٗا﴿٣٣

33ireo tovovavy ao anatin'ny hatanorana lalandava ,

وَكَأۡسٗا دِهَاقٗا﴿٣٤

34ireo zava-pisotroana mitosaka nohon'ny hafenoany,

لَّا يَسۡمَعُونَ فِيهَا لَغۡوٗا وَلَا كِذَّٰبٗا﴿٣٥

35Tsy handre teny ratsy sy lainga ao izy ireo,

جَزَآءٗ مِّن رَّبِّكَ عَطَآءً حِسَابٗا﴿٣٦

36Izany dia valisoa avy amin'ny tomponao, fanomezana tena ara-drariny,

رَّبِّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا ٱلرَّحۡمَٰنِۖ لَا يَمۡلِكُونَ مِنۡهُ خِطَابٗا﴿٣٧

37Ilay Tompon'ny lanitra sy ny tany; ary izay rehetra eo anelanelan'izy roa ireo, ary tsy hanam-pahefana hilao-bava ho Azy izy ireo,

يَوۡمَ يَقُومُ ٱلرُّوحُ وَٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ صَفّٗاۖ لَّا يَتَكَلَّمُونَ إِلَّا مَنۡ أَذِنَ لَهُ ٱلرَّحۡمَٰنُ وَقَالَ صَوَابٗا﴿٣٨

38Amin'ny andro izay hijoroan'ny fanahy sy ireo anjely amin'ny laharana iray, ka tsy hisy hilao-bava afa-tsy izay nomen'ilay be fiantrana alalana ny amin'izany, dia ilay niteny ny mahatokana an'I Allah,

ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمُ ٱلۡحَقُّۖ فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ مَـَٔابًا﴿٣٩

39Izany andro izany no hisehoan'ny fahamarinana, koa izay mila dia mitadiava fialofana any amin'ny Tompo,

إِنَّآ أَنذَرۡنَٰكُمۡ عَذَابٗا قَرِيبٗا يَوۡمَ يَنظُرُ ٱلۡمَرۡءُ مَا قَدَّمَتۡ يَدَاهُ وَيَقُولُ ٱلۡكَافِرُ يَٰلَيۡتَنِي كُنتُ تُرَٰبَۢا﴿٤٠

40Eny! Efa nampitandrina anareo Aho ny amin'ny famaizana tsy ho ela, dia ilay andro izay ahitan'ny olombelona ireo asa nataony, ka hitenenan'ny tsy mpino hoe: " Tahak'izay anie aho mba nody ho vovoka ihany! "

RELATED SURAHS