Al-Mursalat

المرسلات

Those Sent Forth50 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلۡمُرۡسَلَٰتِ عُرۡفٗا﴿١

1Mianiana amin'ireo nalefa nifanesy Aho.

فَٱلۡعَٰصِفَٰتِ عَصۡفٗا﴿٢

2Izay mifofofofo mafy !

وَٱلنَّٰشِرَٰتِ نَشۡرٗا﴿٣

3Ary niparitaka tanteraka (tamin'ny toerana rehetra).

فَٱلۡفَٰرِقَٰتِ فَرۡقٗا﴿٤

4Mianiana amin'ireo mpanasaraka mazava (ny tsara sy ny ratsy) Aho,

فَٱلۡمُلۡقِيَٰتِ ذِكۡرًا﴿٥

5Izay mandefa fampahatsiarovana.

عُذۡرًا أَوۡ نُذۡرًا﴿٦

6ho fialan-tsiny, na ho fampitandremana !

إِنَّمَا تُوعَدُونَ لَوَٰقِعٞ﴿٧

7fa tsy azo ialana izay nampanantenana anareo.

فَإِذَا ٱلنُّجُومُ طُمِسَتۡ﴿٨

8Rahoviana àry vao ho voafafa ireo kintana,

وَإِذَا ٱلسَّمَآءُ فُرِجَتۡ﴿٩

9ary hitriatra ny lanitra ?

وَإِذَا ٱلۡجِبَالُ نُسِفَتۡ﴿١٠

10ka ho levona ireo tendrombohitra.

وَإِذَا ٱلرُّسُلُ أُقِّتَتۡ﴿١١

11ary voafaritra ny fotoanan'ireo Iraka.

لِأَيِّ يَوۡمٍ أُجِّلَتۡ﴿١٢

12Andro inona àry no nanemorana izany ?

لِيَوۡمِ ٱلۡفَصۡلِ﴿١٣

13Amin'ny andron'ny fanapahan-kevitra !

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِ﴿١٤

14Fa iza no hilaza aminao ny andron'ny fanapahan-kevitra !

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿١٥

15Loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.

أَلَمۡ نُهۡلِكِ ٱلۡأَوَّلِينَ﴿١٦

16Moa tsy naringanay va ireo voalohany ?

ثُمَّ نُتۡبِعُهُمُ ٱلۡأٓخِرِينَ﴿١٧

17Moa tsy nampanarahanay azy ireo va ireo farany,

كَذَٰلِكَ نَفۡعَلُ بِٱلۡمُجۡرِمِينَ﴿١٨

18toy izany no ataonay amin'ireo mpanao ratsy.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿١٩

19loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.

أَلَمۡ نَخۡلُقكُّم مِّن مَّآءٖ مَّهِينٖ﴿٢٠

20Tsy noharianay tamin'ny tsiranoka ratsy va ianareo,

فَجَعَلۡنَٰهُ فِي قَرَارٖ مَّكِينٍ﴿٢١

21izay napetrakay tamin'ny toerana voaaro,

إِلَىٰ قَدَرٖ مَّعۡلُومٖ﴿٢٢

22nandritra ny fotoana efa fantatra ?

فَقَدَرۡنَا فَنِعۡمَ ٱلۡقَٰدِرُونَ﴿٢٣

23Toy izany no nandaharanay azy, fa tonga lafatra tokoa ny fandaharana ataonay.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٢٤

24loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.

أَلَمۡ نَجۡعَلِ ٱلۡأَرۡضَ كِفَاتًا﴿٢٥

25Tsy nataonay toerana hipetrahan'ny rehetra ve ny tany ?

أَحۡيَآءٗ وَأَمۡوَٰتٗا﴿٢٦

26ireo velona, sy ireo maty ?

وَجَعَلۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ شَٰمِخَٰتٖ وَأَسۡقَيۡنَٰكُم مَّآءٗ فُرَاتٗا﴿٢٧

27Ary tsy nataonay mafy orina tsara va, ireo tendrombohitra avo eo aminy ? Ary tsy nampisotronay ranomamy va ianareo ?

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٢٨

28loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.

ٱنطَلِقُوٓاْ إِلَىٰ مَا كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ﴿٢٩

29Mandehana àry any amin'izay nolazainareo ho lainga.

ٱنطَلِقُوٓاْ إِلَىٰ ظِلّٖ ذِي ثَلَٰثِ شُعَبٖ﴿٣٠

30mandehana any amin'ny aloka misy rantsana telo,

لَّا ظَلِيلٖ وَلَا يُغۡنِي مِنَ ٱللَّهَبِ﴿٣١

31izahay sady tsy manaloka, no sady tsy miaro amin'ny lel'afo.

إِنَّهَا تَرۡمِي بِشَرَرٖ كَٱلۡقَصۡرِ﴿٣٢

32satria hatsipy ny pitik'afo lehibe, tahaka ny lapa.

كَأَنَّهُۥ جِمَٰلَتٞ صُفۡرٞ﴿٣٣

33ka ho toy ny rameva mavo.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٣٤

34loza ho an'ireo izay mpandà amin'izany andro farany izany.

هَٰذَا يَوۡمُ لَا يَنطِقُونَ﴿٣٥

35ilay andro izay tsy hahafahan'izy ireo miteny,

وَلَا يُؤۡذَنُ لَهُمۡ فَيَعۡتَذِرُونَ﴿٣٦

36ary tsy hahazoan'izy ireo alalana hiala tsiny.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٣٧

37loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.

هَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِۖ جَمَعۡنَٰكُمۡ وَٱلۡأَوَّلِينَ﴿٣٨

38Io no andron'ny fanapahan-kevitra, izay hamorianay anareo sy ireo taloha.

فَإِن كَانَ لَكُمۡ كَيۡدٞ فَكِيدُونِ﴿٣٩

39Raha manana hafetsena ianareo, dia manaova àry hafetsena Amiko.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٤٠

40loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.

إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي ظِلَٰلٖ وَعُيُونٖ﴿٤١

41ho amin'ny aloka sy loharano tokoa ireo vonto-pinoana,

وَفَوَٰكِهَ مِمَّا يَشۡتَهُونَ﴿٤٢

42ao koa ireo voankazo arak'izay irin'izy ireo.

كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ﴿٤٣

43Mihinàna sy misotroa finaritra àry ianareo, noho izay nataonareo.

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ﴿٤٤

44Toy izany no Hamalinay soa ireo mpanao soa.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٤٥

45loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.

كُلُواْ وَتَمَتَّعُواْ قَلِيلًا إِنَّكُم مُّجۡرِمُونَ﴿٤٦

46Mihinàna, ary mifalia kely ; fa mpanao ratsy tokoa ianareo.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٤٧

47loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.

وَإِذَا قِيلَ لَهُمُ ٱرۡكَعُواْ لَا يَرۡكَعُونَ﴿٤٨

48ka rehefa tenenina izy ireo hoe : "Miondreha ianareo", dia tsy miondrika izy ireo.

وَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿٤٩

49loza ho an'ireo izay mpandà izany andro farany izany.

فَبِأَيِّ حَدِيثِۭ بَعۡدَهُۥ يُؤۡمِنُونَ﴿٥٠

50Fa inona àry no teny hinoan'izy ireo ankoatr'izany ?

RELATED SURAHS