Al-Insan

الإنسان

Man31 ayahsMedinan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

هَلۡ أَتَىٰ عَلَى ٱلۡإِنسَٰنِ حِينٞ مِّنَ ٱلدَّهۡرِ لَمۡ يَكُن شَيۡـٔٗا مَّذۡكُورًا﴿١

1Moa va tsy nisy ampaham-potoana, nandalo tamin'ny olombelona izay mbola tsy nisian'izy ireo akory ?

إِنَّا خَلَقۡنَا ٱلۡإِنسَٰنَ مِن نُّطۡفَةٍ أَمۡشَاجٖ نَّبۡتَلِيهِ فَجَعَلۡنَٰهُ سَمِيعَۢا بَصِيرًا﴿٢

2Eny, namboarinay avy tamin'ny tsirin'aina mifangaro ny olombelona, mba hisedranay azy. Ary dia nataonay nandre sy nahita.

إِنَّا هَدَيۡنَٰهُ ٱلسَّبِيلَ إِمَّا شَاكِرٗا وَإِمَّا كَفُورًا﴿٣

3Notarinay lalana izy, hahalala hankasitraka na haniratsira.

إِنَّآ أَعۡتَدۡنَا لِلۡكَٰفِرِينَ سَلَٰسِلَاْ وَأَغۡلَٰلٗا وَسَعِيرًا﴿٤

4"Nanomana rojo vy ho an'ireo tsy mpino tokoa Izahay, sy gadra vy, ary afo mamaivay."

إِنَّ ٱلۡأَبۡرَارَ يَشۡرَبُونَ مِن كَأۡسٖ كَانَ مِزَاجُهَا كَافُورًا﴿٥

5Hisotro amin'ny kaopy feno hanitra kamifaoro ireo olona tsara.

عَيۡنٗا يَشۡرَبُ بِهَا عِبَادُ ٱللَّهِ يُفَجِّرُونَهَا تَفۡجِيرٗا﴿٦

6Avy amin'ny loharano no hisotroan'ireo mpanompon'I Allah, hiboiboika maro ao izy ireo.

يُوفُونَ بِٱلنَّذۡرِ وَيَخَافُونَ يَوۡمٗا كَانَ شَرُّهُۥ مُسۡتَطِيرٗا﴿٧

7tanterahian'izy ireo ny voadiny, ary atahorany ny andro hiparitahan'ny ratsy.

وَيُطۡعِمُونَ ٱلطَّعَامَ عَلَىٰ حُبِّهِۦ مِسۡكِينٗا وَيَتِيمٗا وَأَسِيرًا﴿٨

8Ary manome sakafo ho an'ny mahantra izy ireo, ny kamboty, sy ny voababo na dia eo aza ny fitiavany izany.

إِنَّمَا نُطۡعِمُكُمۡ لِوَجۡهِ ٱللَّهِ لَا نُرِيدُ مِنكُمۡ جَزَآءٗ وَلَا شُكُورًا﴿٩

9ka miteny hoe : "Nohon'ny voninahitr'i Allah no anomezanay sakafo anareo, tsy mitady valisoa na fisaorana avy aminareo izahay.

إِنَّا نَخَافُ مِن رَّبِّنَا يَوۡمًا عَبُوسٗا قَمۡطَرِيرٗا﴿١٠

10Matahotra ilay andro mampihorohoro sy feno loza avy amin'ny Tomponay izahay.

فَوَقَىٰهُمُ ٱللَّهُ شَرَّ ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمِ وَلَقَّىٰهُمۡ نَضۡرَةٗ وَسُرُورٗا﴿١١

11Koa harovan'I Allah amin'ny ratsy izy ireo amin'io andro io, ary hampifanojoany amin'ny hatsarana sy hafaliana,

وَجَزَىٰهُم بِمَا صَبَرُواْ جَنَّةٗ وَحَرِيرٗا﴿١٢

12ka hamaliany izay niaretan'izy ireo, amin'ny fanomezana ny paradisa sy ny akanjo lasoà,

مُّتَّكِـِٔينَ فِيهَا عَلَى ٱلۡأَرَآئِكِۖ لَا يَرَوۡنَ فِيهَا شَمۡسٗا وَلَا زَمۡهَرِيرٗا﴿١٣

13Hitehin-kiho eo amin'ny seza lava izy ireo, tsy hahita (ny hamain'ny) masoandro, na hatsiaka mamirifiry.

وَدَانِيَةً عَلَيۡهِمۡ ظِلَٰلُهَا وَذُلِّلَتۡ قُطُوفُهَا تَذۡلِيلٗا﴿١٤

14Ary hanarona azy ireo ny haloky ny hazon'ny paradisa, ary hiondrika ambany ireo voankazony.

وَيُطَافُ عَلَيۡهِم بِـَٔانِيَةٖ مِّن فِضَّةٖ وَأَكۡوَابٖ كَانَتۡ قَوَارِيرَا۠﴿١٥

15Ary ampadalovina eo amin'izy ireo ny siny volafotsy sy ireo kapoaka mangirana.

قَوَارِيرَاْ مِن فِضَّةٖ قَدَّرُوهَا تَقۡدِيرٗا﴿١٦

16Amin'ny volafotsy mangirana, izay voafatra tsara ny fisotro ao anatiny.

وَيُسۡقَوۡنَ فِيهَا كَأۡسٗا كَانَ مِزَاجُهَا زَنجَبِيلًا﴿١٧

17Ary hampisotroina rano amin'ny kaopy izay misy sakamalao izy ireo ao.

عَيۡنٗا فِيهَا تُسَمَّىٰ سَلۡسَبِيلٗا﴿١٨

18Notovozina tao amin'ny loharano antsoina hoe Salsabil.

۞ وَيَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ وِلۡدَٰنٞ مُّخَلَّدُونَ إِذَا رَأَيۡتَهُمۡ حَسِبۡتَهُمۡ لُؤۡلُؤٗا مَّنثُورٗا﴿١٩

19Ary hisy tovolahy lalandava, hivezivezy eo amin'izy ireo. Raha mahita azy ireo ianao, dia heverinao ho toy ny vatosoa miparitaka izy ireo.

وَإِذَا رَأَيۡتَ ثَمَّ رَأَيۡتَ نَعِيمٗا وَمُلۡكٗا كَبِيرًا﴿٢٠

20Ary rehefa mijery any ianao, dia hahita fahafinaretana sy fanjakana midadasika.

عَٰلِيَهُمۡ ثِيَابُ سُندُسٍ خُضۡرٞ وَإِسۡتَبۡرَقٞۖ وَحُلُّوٓاْ أَسَاوِرَ مِن فِضَّةٖ وَسَقَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ شَرَابٗا طَهُورًا﴿٢١

21Hanao akanjo maintso parasily, sy lamba lasoà rakofam-bolamena izy ireo, hiravaka haba fehin-tanana volafotsy. Ary hampisotroin'ny Tompony zava-pisotro tena madio izy ireo.

إِنَّ هَٰذَا كَانَ لَكُمۡ جَزَآءٗ وَكَانَ سَعۡيُكُم مَّشۡكُورًا﴿٢٢

22Valisoa ho anareo izany, ary mendri-pankasitrahana ny ezaka nataonareo.

إِنَّا نَحۡنُ نَزَّلۡنَا عَلَيۡكَ ٱلۡقُرۡءَانَ تَنزِيلٗا﴿٢٣

23Hamafisina, fa Izahay no nampidina tsikelikely ny koroany teo aminao.

فَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ وَلَا تُطِعۡ مِنۡهُمۡ ءَاثِمًا أَوۡ كَفُورٗا﴿٢٤

24Koa hiareto àry ny didy napetraky ny Tomponao, fa aza mankato ny mpanota, na ny tsy mpino amin'izy ireo ianao.

وَٱذۡكُرِ ٱسۡمَ رَبِّكَ بُكۡرَةٗ وَأَصِيلٗا﴿٢٥

25Ary tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ny maraina sy ny folak'andro.

وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَٱسۡجُدۡ لَهُۥ وَسَبِّحۡهُ لَيۡلٗا طَوِيلًا﴿٢٦

26Koa miankohofa eo anatrehany ianao ny ampahany amin'ny alina, ary omeo voninahitra Izy mandritra ny fotoana maharitra amin'ny alina.

إِنَّ هَٰٓؤُلَآءِ يُحِبُّونَ ٱلۡعَاجِلَةَ وَيَذَرُونَ وَرَآءَهُمۡ يَوۡمٗا ثَقِيلٗا﴿٢٧

27Tia ny fiainana mandalo izy ireny ka mamela any aoriany ny andro mavesatra.

نَّحۡنُ خَلَقۡنَٰهُمۡ وَشَدَدۡنَآ أَسۡرَهُمۡۖ وَإِذَا شِئۡنَا بَدَّلۡنَآ أَمۡثَٰلَهُمۡ تَبۡدِيلًا﴿٢٨

28Izahay no nahary sy nampatanjaka ny toe-batan'izy ireny. Raha tianay anefa dia nosoloanay mitovy aminy izy ireo.

إِنَّ هَٰذِهِۦ تَذۡكِرَةٞۖ فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ سَبِيلٗا﴿٢٩

29Fampahatsiarovana ity. Koa aoka àry ho any amin'ny làlan'ny Tompony izay tia izany.

وَمَا تَشَآءُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ عَلِيمًا حَكِيمٗا﴿٣٠

30Tsy ho tia izany anefa ianareo, raha tsy sitrak'i Allah. Fa mahalala ny zavatra rehetra, sady be fahendrena i Allah.

يُدۡخِلُ مَن يَشَآءُ فِي رَحۡمَتِهِۦۚ وَٱلظَّٰلِمِينَ أَعَدَّ لَهُمۡ عَذَابًا أَلِيمَۢا﴿٣١

31Ampidiriny ao amin'ny famindram-pony izay tiany. Ary dia nanomanany famaizana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny.

RELATED SURAHS