الحجر
The Rocky Tract • 99 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1ALIF, LAM, RA, indro ireo andininy amin’ilay Bokin’ny fahazavana.
2(Amin'ny Andro fitsarana farany), ireo tsy mpino dia haniry ho mpanetry tena (mpankato).
3Avelao izy ireo hisakafo, hifaly, ary hovariana amin’ny fanantenana, fa tsy ho ela izy ireo dia ahafantatra.
4Nefa Izahay dia tsy mandrava tanàna, raha tsy efa nisy raki-tsoratra voalaza mazava (momba izany).
5Tsy misy vondron’Olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
6Ary niteny izy ireo (ireo mponin’ny Makka) ka nanao hoe : “ O Ianao izay nampidinana ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), tena adala tokoa Ianao !
7Nahoana Ianao no tsy tonga Taminay niaraka tamin’ireo Anjely, raha isan’ireo Olo-marina tokoa Ianao ? ”
8Tsy mampidina ireo Anjely Izahay raha tsy miaraka amin’ny fahamarinana, ary tsy omena fe-potoana ela intsony izy ireo (ireo tsy mpino).
9Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy.
10Marina fa Izahay dia efa nandefa Iraka talohanao tamin’ireo vahoaka teo aloha.
11Nefa mbola tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy nohesoiny.
12Tahaka izany no nampidiranay ny tsy finoana tao am-pon’ireo mpanao heloka.
13Tsy hino Azy izy ireo (Iraka na Koroâny), na dia tanteraka tamin’izy ireo ny fahitana izay (nanjò ny Razambeny) teo aloha.
14Na dia hosokafanay amin’izy ireo aza ny varavaran’ny lanitra, ka afaka hiakatra ao izy ireo,
15Dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tena tampina tokoa ny masonay, na, raha ny marina, dia tena voan’ny famosaviana izahay ”.
16Marina fa nametraka ireo kintana maro eny an-danitra Izahay ary nohatsaraina izy (ny lanitra) ho an’ireo izay mijery azy.
17Ary narovanay Izy (ny lanitra) tamin’i Satana tsirairay izay voahozona.
18Raha tsy mihaino antsokosoko ny anakiray amin’izy ireo, dia lela afo mamirapiratra no manenjika Azy.
19Fa ny tany kosa, dia novelarinay ka nametrahanay ireo tendrombohitra eo Aminy, ary nampitsirianay ao aminy ny zavatra tsirairay, mirindra no sady mifandanja tsara.
20Ary napetrakay ao Aminy ireo zavatra hivelomanareo, sy ireo (zava-manan’aina) izay tsy novelominareo akory.
21Ary tsy misy zavatra na dia iray aza tsy anananay tahiry; ary tsy mampidina izany Izahay raha tsy amin’ny fatra voafetra.
22Ary Nalefanay ny rivotra ho mpamokatra, ary Nampidininay avy eny an-danitra ny rano izay hampisotroinay Anareo, nefa tsy afaka hitahiry izany Ianareo.
23Ary marina fa tena manome ny fiainana sy ny fahafatesana Izahay, ary Izahay ihany koa no Mpandova (ny zava-drehetra).
24Marina fa fantatray tokoa ireo izay efa lasa teo aloha Taminareo, ary efa fantatray koa Ireo izay mbola any aoriana.
25Ary marina tokoa fa ny Tomponao no hamory azy ireo. Marina fa Izy dia be Fahendrena sy mahafantatra ny zava-drehetra.
26Ary tena nahary ny Olombelona avy amin’ny tany maina sy ny fotaka malemy Izahay.
27Fa ny Djiny kosa dia noharianay taloha avy amin’ny Afo mafana mamaivay.
28Ary raha niteny tamin’ireo Anjely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Izaho dia hamorona Olona avy amin’ny tany maina alaina avy amin’ny fotaka malemy.
29Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara dia notsofiko Taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miantoraha ka miankohofa eo Aminy Ianareo.
30Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra.
31Afa-tsy i Iblisy (Satana), nandà tsy ho anisan’ireo mpiankohoka Izy.
32Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ O ry Iblisy ! Nahoana Ianao no tsy mba anisan’ireo mpiankohoka ? ”
33Namaly Izy ka nanao hoe : “ Tsy afaka hiankohoka eo anoloan’ny Olombelona izay noharianao avy tamin’ny tany maina izay nalaina avy tamin’ny fotaka malemy Aho ”.
34Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Mialà ao (amin’ny Paradisa) Ianao ! Fa Ianao dia tena voahozona.
35Ary hihatra Aminao ny ozona, mandra-pahatongavan’ny Andron’ny famaliana (Fitsarana).
36Namaly Izy ka nanao hoe : “ O ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry Aho mandra-pahatongavan’ny Andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”.
37Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany.
38Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”.
39Niteny Izy (Iblisy) hoe : “ O ry Tompoko, satria Ianao nampiditra Ahy tamin’ny fahadisoana, noho izany dia ho hatsaraiko amin’izy ireo ny fiainana eny ambonin’ny tany, ary ho disoiko làlana izy rehetra.
40Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo ”.
41Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ity ilay làla-mahitsy izay mankany Amiko ”:
42Fa ireo mpanompoko dia tsy hanananao fahefana na dia kely aza, afa-tsy izay manaraka Anao amin’ireo làlan-diso.
43Ary tena marina fa ny Afobe Djahannama no toeram-pihaonan’izy rehetra.
44Ahitana varavarana fito izany, ary ny varavarana tsirairay dia samy manana ny ampahany amin’izy ireo.
45Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,
46“ Midira ao Ianareo am-piadanana sy am-pilaminana ”.
47Ary noesorinay tao an-tratran’izy ireo ny lolom-po ary samy ahatsapa izy ireo fa mpirahalahy, izay mifanatrika eo ambonin’ireo farafara.
48Tsy misy havizanana ahazo azy ireo. Ary tsy havoaka ao izy ireo.
49Ampahafantaro ireo mpanompoko fa Izaho ilay Mpamela heloka, ilay be Fiantrana.
50Ary marina fa ny saziko dia tena sazy mamirifiry.
51Ary ampahafantaro azy ireo ny mahakasika ireo vahinin’i Ibrahim (ireo Anjely).
52Raha niditra tao aminy izy ireo ka nilaza nanao hoe : “ Fiadanana (salamo) ! Namaly Izy (Ibrahim) nanao hoe : “ Matahotra Anareo Izahay ! ”
53Niteny izy ireo (ireo Anjely) ka nanao hoe : “ Aza matahotra Ianao ! Fa Izahay dia hanambara Aminao vaovao mahafaly, ny fahaterahan’ny Zazakely feno fahalalana ”.
54Namaly izy hoe : “ Lazainareo ahy ve izany vaovao mahafaly izany nefa dia efa tratran’ny fahanterana aho? Inona àry no lazainareo amiko? ”
55Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Ny marina no lazanay Aminao. Aoka àry Ianao tsy ho anisan’ireo mora kivy ”.
56Niteny Izy hoe : “ Fa iza moa no kivy amin’ny famindram-pòn’ny Tompony, raha tsy ireo very làlana ? ”
57Dia hoy Izy (Abrahama) ka nanao hoe : “ Inona àry no nanirahana Anareo, ry Iraka ? ”
58Namaly izy ireo ka nanao hoe : “ Nalefa ho an’ny Olona mpanao ratsy Izahay,
59Afa-tsy ny fianakavian’i Lota, tena ho vonjenay avokoa izy rehetra,
60Ankoatry ny vadiny, Izahay dia hanao Azy ho anisan’ireo ringana.
61Nony tonga teo amin’ny fianakavian’I Lota ireo Iraka,
62Dia niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Ianareo dia Olona tsy fantatra ”.
63Niteny Izy ireo ka nanao hoe : “ Tonga aty Aminao tokoa Izahay mitondra ny (sazy) izay nampisalasala azy ireo.
64Ary tonga Aminao Izahay miaraka amin’ny Fahamarinana. Ary mpilaza ny marina Izahay.
65“ Mandehana àry miaraka amin’ny fianakavianao Ianao amin’ny fahataperan’ny alina, ary araho avy ao aoriana izy ireo; ary aoka tsy hisy hitoditodika n'iza n'iza Aminareo; koa mandehana amin’izay handidiana Anareo Ianareo ”.
66Ary nolazainay taminy izany didy izany : Fa ireny Olona ireny, amin’ny maraina, dia ho haringanay avokoa hatramin’ny farany.
67Fa ireo mponin’ny tanàna ( Sodoma) dia tonga (teo aminy) ankafaliana.
68Nilaza Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Tena marina fa vahiniko izy ireo, aza manafitohina Ahy Ianareo
69Ary matahora an’i Allah Ianareo. Aza tafihinareo henatra Aho.
70Niteny izy ireo (ireo olon’ny tanàna) hoe : “ Moa ve tsy efa nandrara Anao Izahay tamin’ny (fandraisana) olona ? ”
71Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Indro ireo Zanako vavy ! Raha misy zavatra tianareo hatao !
72Mianiana amin’ny fiainanao (Aho) fa nikorontan-tsaina izy ireo tao anaty firediredeny.
73Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny fiposahan’ny masoandro.
74Ary navadikay ambony sy ambany (ny tanàna), ary narotsakay nifanesisesy tamin’izy ireo (tahaka ny orana) ny vato avy amin’ny tany manga.
75Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo izay mahay mandinika.
76Izy io (io tanàna io) dia tena eo amin’ny làlana izay fantatry ny maro.
77Izany tokoa dia famantarana marina ho an’ireo mpino.
78Ary ireo mponin’ny Al-Aykat dia mpanao ny tsy rariny (ihany koa).
79Dia namaly azy ireo tamin’ny sazy Izahay, ary tena marina fa ireo (tanàna) Roa ireo dia teo amin’ny làlana mazava tsara.
80Marina fa ireo mponin’ny Al-hijr dia efa nilaza fa mpandainga ireo Iraka.
81Ary nasehonay tamin’izy ireo ny fahagagana avy Aminay nefa nitodi-damosina ihany izy ireo.
82Ary nandavaka ny tendrombohitra mba hanaovana trano ka niaina tamim-pilaminana izy ireo.
83Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny maraina.
84Ka tsy nahazoan’izy ireo tombontsoa izay azony.
85Ary tsy nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay nanelanelana azy Roa ireo Izahay raha tsy tamim-pahamarinana. Ary tena ho avy tokoa ny ora ! Koa aoka hamela heloka (azy ireo) Ianao amin’ny famelana tsara.
86Tena marina fa ny Tomponao, dia ilay Mpahary Lehibe, ilay Mpahalala ny zava-drehetra.
87Efa nomenay Anao tokoa “ Ireo Andininy fito[92] Averimberina (vakiana) ” ary koa ilay Vakiteny lehibe.
88Aza jerena am-pitsiriritana ireo zavatra izay nanomezanay fifaliana miserana ho an’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo. Ary aza malahelo ny momba azy ireo Ianao. Ary ampidino amin’ireo mpino ny fangorahanao.
89Ary lazao hoe : “ Marina fa Izaho no ilay Mpampitandrina Miharihary ”.
90Tahaka ny nampidinanay (ny sazy) tamin’ireo izay tsy nino (tsy hanaraka ny Mpaminany).
91Ireo izay nanao ny Koroany ho singasingany maro (mikorontana mba hampisy ny fisalasalana).
92Ary mianiana amin’ny Tomponao ! Fa Izahay dia tena hanontany azy rehetra
93Amin’izay nataon’izy ireo.
94Asehoy ankarihary izay nandidiana Anao. Ary miataha amin’ireo mpanompo sampy (manana Zanahary maro) Ianao.
95Marina fa Izahay dia hiaro Anao tanteraka amin’ireo mpaneso.
96Ireo izay mampisy Zanahary hafa miaraka amin’i Allah. Tsy ho ela dia ahafantatra izy ireo.
97Ary tena fantatray tsara fa mihatery ny tratranao (fonao) amin’izay tenenin’izy ireo.
98Ary derao sy ankalazao ny Tomponao, ary aoka Ianao ho anisan’ireo mpiankohoka.
99Ary tompoy ny Tomponao mandra-pahatongan’ny fItokisana (fahafatesana) eo Aminao.