Al-Jathiyah

الجاثية

The Kneeling37 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

حمٓ﴿١

1Hà, Mîm.

تَنزِيلُ ٱلۡكِتَٰبِ مِنَ ٱللَّهِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡحَكِيمِ﴿٢

2Ny fanambarana ny Boky dia avy amin’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena.

إِنَّ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ لَأٓيَٰتٖ لِّلۡمُؤۡمِنِينَ﴿٣

3Misy porofo ho an’ireo mpino tokoa eny amin’ny lanitra sy ety an-tany.

وَفِي خَلۡقِكُمۡ وَمَا يَبُثُّ مِن دَآبَّةٍ ءَايَٰتٞ لِّقَوۡمٖ يُوقِنُونَ﴿٤

4Ary amin’ny nahariana anareo sy amin’ireo biby naparitany, dia misy famantarana maro ho an’ireo olona tena mino.

وَٱخۡتِلَٰفِ ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِ وَمَآ أَنزَلَ ٱللَّهُ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مِن رِّزۡقٖ فَأَحۡيَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَا وَتَصۡرِيفِ ٱلرِّيَٰحِ ءَايَٰتٞ لِّقَوۡمٖ يَعۡقِلُونَ﴿٥

5Toy izany koa ny amin’ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, ary izay ampidinin’I Allah avy eny amin’ny lanitra, amin’ireo anjaram-pahasoavana (orana), izay amelomany ny tany efa maty, ary ny fipariahan’ny rivotra, misy famantarana ho an’ireo olona misaina tokoa izany.

تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱللَّهِ نَتۡلُوهَا عَلَيۡكَ بِٱلۡحَقِّۖ فَبِأَيِّ حَدِيثِۭ بَعۡدَ ٱللَّهِ وَءَايَٰتِهِۦ يُؤۡمِنُونَ﴿٦

6Izany no andininy avy amin’I Allah izay vakianay aminao amim-pahamarinana. Ka teny manao ahoana no hinoan’izy ireo aorian’ny tenin’I Allah sy ireo famantarana avy Aminy ?

وَيۡلٞ لِّكُلِّ أَفَّاكٍ أَثِيمٖ﴿٧

7Loza ho an’izay rehetra mpamitaka, mpanota !

يَسۡمَعُ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ثُمَّ يُصِرُّ مُسۡتَكۡبِرٗا كَأَن لَّمۡ يَسۡمَعۡهَاۖ فَبَشِّرۡهُ بِعَذَابٍ أَلِيمٖ﴿٨

8Maheno ireo andininy avy amin’I Allah izay vakiana aminy izy, avy eo, dia mikiry amin’ny fiavonavonana tahaka ny mbola tsy naheno izany velively. Koa ambarao azy ny famaizana mamirifiry.

وَإِذَا عَلِمَ مِنۡ ءَايَٰتِنَا شَيۡـًٔا ٱتَّخَذَهَا هُزُوًاۚ أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ عَذَابٞ مُّهِينٞ﴿٩

9Raha mahafantatra ny ampahany amin’ireo andininy avy Aminay izy, dia ataony izay hanaratsiana azy ireny. Hahazo famaizana mahafabaraka izy ireny.

مِّن وَرَآئِهِمۡ جَهَنَّمُۖ وَلَا يُغۡنِي عَنۡهُم مَّا كَسَبُواْ شَيۡـٔٗا وَلَا مَا ٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ أَوۡلِيَآءَۖ وَلَهُمۡ عَذَابٌ عَظِيمٌ﴿١٠

10Aorian’izy ireo ny afobe. Tsy hisy ilan’izy ireo izay nangoniny mihitsy, na izay nalainy ho mpiahy ankoatra an’I Allah. Fa hahazo famaizana lehibe izy ireo.

هَٰذَا هُدٗىۖ وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ لَهُمۡ عَذَابٞ مِّن رِّجۡزٍ أَلِيمٌ﴿١١

11Fitarihan-dalana izy ity (Kor’any).Fa izay tsy mino ireo andininy avy amin’ny Tompony, dia hahazo fijaliana amin’ny famaizana mamirifiry.

۞ ٱللَّهُ ٱلَّذِي سَخَّرَ لَكُمُ ٱلۡبَحۡرَ لِتَجۡرِيَ ٱلۡفُلۡكُ فِيهِ بِأَمۡرِهِۦ وَلِتَبۡتَغُواْ مِن فَضۡلِهِۦ وَلَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ﴿١٢

12Allah, Izy no nametraka ny ranomasina teo ambany fifehezanareo, mba handehanan’ireo sambo avy amin’ny baikony, ka hitadiavanareo ny fahasoavany, mba hahaizanareo mankasitraka.

وَسَخَّرَ لَكُم مَّا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا مِّنۡهُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ لِّقَوۡمٖ يَتَفَكَّرُونَ﴿١٣

13Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. Misy famantarana tokoa ny amin’izany ho an’ireo olona mieritreritra.

قُل لِّلَّذِينَ ءَامَنُواْ يَغۡفِرُواْ لِلَّذِينَ لَا يَرۡجُونَ أَيَّامَ ٱللَّهِ لِيَجۡزِيَ قَوۡمَۢا بِمَا كَانُواْ يَكۡسِبُونَ﴿١٤

14Lazao ireo mpino, mba hamela ny hadisoan’ireo izay tsy manantena ireo andron’I Allah, ka hamaliany amin’ireo vahoaka araka izay nataony.

مَنۡ عَمِلَ صَٰلِحٗا فَلِنَفۡسِهِۦۖ وَمَنۡ أَسَآءَ فَعَلَيۡهَاۖ ثُمَّ إِلَىٰ رَبِّكُمۡ تُرۡجَعُونَ﴿١٥

15Na iza na iza manao ny tsara, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, ary na iza na iza manao ny ratsy, dia manao izany ho an’ny tenany ihany koa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hamerenana anareo.

وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ ٱلۡكِتَٰبَ وَٱلۡحُكۡمَ وَٱلنُّبُوَّةَ وَرَزَقۡنَٰهُم مِّنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَفَضَّلۡنَٰهُمۡ عَلَى ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿١٦

16Nomenay ireo zanak’israely ny Boky, ny fahendrena, ny faminaniana, ary nomenay tamin’ireo anjaram-pahasoavana tsara ihany koa izy ireo, sady nofidinay tamin’ny olombelona rehetra.

وَءَاتَيۡنَٰهُم بَيِّنَٰتٖ مِّنَ ٱلۡأَمۡرِۖ فَمَا ٱخۡتَلَفُوٓاْ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَهُمُ ٱلۡعِلۡمُ بَغۡيَۢا بَيۡنَهُمۡۚ إِنَّ رَبَّكَ يَقۡضِي بَيۡنَهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فِيمَا كَانُواْ فِيهِ يَخۡتَلِفُونَ﴿١٧

17Ary nomenay porofo mazava izy ireo mikasika ny Didy. Efa tonga tamin’izy ireo ny fahalalana, vao tsy nitovy hevitra izy ireo, noho ny fifandirana teo amin’izy ireo. Hamafisina, fa hitsara azy ireo ny Tomponao, amin’ny andro fitsanganana, tamin’izay tsy nampitovy hevitra azy.

ثُمَّ جَعَلۡنَٰكَ عَلَىٰ شَرِيعَةٖ مِّنَ ٱلۡأَمۡرِ فَٱتَّبِعۡهَا وَلَا تَتَّبِعۡ أَهۡوَآءَ ٱلَّذِينَ لَا يَعۡلَمُونَ﴿١٨

18Avy eo, dia napetrakay amin’ny lalana mahitsin’ny didy (finoana) ianao. Koa araho àry izany, fa aza manaraka ny sitrapon’ireo tsy mahafantatra.

إِنَّهُمۡ لَن يُغۡنُواْ عَنكَ مِنَ ٱللَّهِ شَيۡـٔٗاۚ وَإِنَّ ٱلظَّٰلِمِينَ بَعۡضُهُمۡ أَوۡلِيَآءُ بَعۡضٖۖ وَٱللَّهُ وَلِيُّ ٱلۡمُتَّقِينَ﴿١٩

19Tsy misy ilanao azy ireo eo anatrehan'I Allah. Ary mpinamana ireo olona samy mpanao ny tsy rariny, fa Allah kosa no Mpiahy ireo vontom-pinoana.

هَٰذَا بَصَٰٓئِرُ لِلنَّاسِ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٞ لِّقَوۡمٖ يُوقِنُونَ﴿٢٠

20Loharanom-pahazavana ho an’ny olombelona izy ity (Koroany), tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo olona mino tanteraka.

أَمۡ حَسِبَ ٱلَّذِينَ ٱجۡتَرَحُواْ ٱلسَّيِّـَٔاتِ أَن نَّجۡعَلَهُمۡ كَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ سَوَآءٗ مَّحۡيَاهُمۡ وَمَمَاتُهُمۡۚ سَآءَ مَا يَحۡكُمُونَ﴿٢١

21Mihevitra va ireo mpanao asa ratsy, fa hataonay mitovy amin’izay mino sy manao asa soa izy ireo, amin’ny fahavelomany sy ny fahafatesany? Tena ratsy tokoa ny fitsaran’izy ireo!

وَخَلَقَ ٱللَّهُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ بِٱلۡحَقِّ وَلِتُجۡزَىٰ كُلُّ نَفۡسِۭ بِمَا كَسَبَتۡ وَهُمۡ لَا يُظۡلَمُونَ﴿٢٢

22Fa tamim-pahamarinana no naharian’I Allah ny lanitra sy ny tany, ka ho valiana araka izay nataony ny olona tsirairay, ary tsy ho voambaka izy ireo.

أَفَرَءَيۡتَ مَنِ ٱتَّخَذَ إِلَٰهَهُۥ هَوَىٰهُ وَأَضَلَّهُ ٱللَّهُ عَلَىٰ عِلۡمٖ وَخَتَمَ عَلَىٰ سَمۡعِهِۦ وَقَلۡبِهِۦ وَجَعَلَ عَلَىٰ بَصَرِهِۦ غِشَٰوَةٗ فَمَن يَهۡدِيهِ مِنۢ بَعۡدِ ٱللَّهِۚ أَفَلَا تَذَكَّرُونَ﴿٢٣

23Hitanao va ilay naka ny sitra-pony ho tompony? Ary dia nian’Allah ny nahavery azy, ka nahidiny ny fandrenesany sy ny fony, ary nasiany takona ny masony. Iza àry no hitari-dàlana azy aorian’i Allah? Tsy tsaronareo va izany?

وَقَالُواْ مَا هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا ٱلدُّنۡيَا نَمُوتُ وَنَحۡيَا وَمَا يُهۡلِكُنَآ إِلَّا ٱلدَّهۡرُۚ وَمَا لَهُم بِذَٰلِكَ مِنۡ عِلۡمٍۖ إِنۡ هُمۡ إِلَّا يَظُنُّونَ﴿٢٤

24Ary hoy izy ireo: “Tsy misy afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ny anay, ho faty izahay ary ho velona, fa ny fotoana no hahafaty anay.” Tsy manam-pahalalana ny amin’izany mihitsy izy ireo, fa manombatombana ihany.

وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٖ مَّا كَانَ حُجَّتَهُمۡ إِلَّآ أَن قَالُواْ ٱئۡتُواْ بِـَٔابَآئِنَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ﴿٢٥

25Fa rehefa ambara amin’izy ireo ny andinin'ny mazava tsara avy Aminay, dia izao ihany no fanohan-kevitra hoteniny: “Avereno ireo razam-benay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”

قُلِ ٱللَّهُ يُحۡيِيكُمۡ ثُمَّ يُمِيتُكُمۡ ثُمَّ يَجۡمَعُكُمۡ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ لَا رَيۡبَ فِيهِ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَ ٱلنَّاسِ لَا يَعۡلَمُونَ﴿٢٦

26Lazao hoe : “Allah no manome fahavelomana anareo, avy eo, dia hampisedra fahafatesana anareo. Manaraka izany, dia havoriny ianareo amin’ny andro fitsanganana, tsy isalasalana ny amin’izany, nefa tsy mahafantatra ny ankamaroan’ny olona".

وَلِلَّهِ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَيَوۡمَ تَقُومُ ٱلسَّاعَةُ يَوۡمَئِذٖ يَخۡسَرُ ٱلۡمُبۡطِلُونَ﴿٢٧

27An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany, ary amin’ny andro hiavian’ilay Ora, dia ho maty antoka ireo pisandoka.

وَتَرَىٰ كُلَّ أُمَّةٖ جَاثِيَةٗۚ كُلُّ أُمَّةٖ تُدۡعَىٰٓ إِلَىٰ كِتَٰبِهَا ٱلۡيَوۡمَ تُجۡزَوۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ﴿٢٨

28Ary ho hitanao handohalika ny vahoaka tsirairay, ka antsoina ho any amin’ny bokiny avokoa izy ireo. Androany, dia ho valiana araka izay nataonareo ianareo.

هَٰذَا كِتَٰبُنَا يَنطِقُ عَلَيۡكُم بِٱلۡحَقِّۚ إِنَّا كُنَّا نَسۡتَنسِخُ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ﴿٢٩

29Indro ny Bokinay. Miresaka anareo amim-pahamarinana izy, satria nosoratanay izay rehetra nataonareo.”

فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ فَيُدۡخِلُهُمۡ رَبُّهُمۡ فِي رَحۡمَتِهِۦۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡمُبِينُ﴿٣٠

30Izay nino sy nanao asa soa dia hampidirin’ny Tompony amin’ny famindram-pony. Izany dia fahombiazana miharihary.

وَأَمَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُوٓاْ أَفَلَمۡ تَكُنۡ ءَايَٰتِي تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فَٱسۡتَكۡبَرۡتُمۡ وَكُنتُمۡ قَوۡمٗا مُّجۡرِمِينَ﴿٣١

31Fa ny amin’ireo izay tsy mino kosa: “Tsy novakiana taminareo va ireo andininy avy aty Amiko? Saingy nampiseho fireharehana ianareo, sady olona mpanao ratsy.”

وَإِذَا قِيلَ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞ وَٱلسَّاعَةُ لَا رَيۡبَ فِيهَا قُلۡتُم مَّا نَدۡرِي مَا ٱلسَّاعَةُ إِن نَّظُنُّ إِلَّا ظَنّٗا وَمَا نَحۡنُ بِمُسۡتَيۡقِنِينَ﴿٣٢

32Fa rehefa nolazaina hoe: “Marina ny fampanantenan’I Allah; ary tsy isalasalana ny amin’ilay Ora”, “Tsy fantatray izany Ora izany” hoy ianareo; “ary vinavina ihany no ataonay amin’izany, sady tsy resy lahatra amin’izany izahay.”

وَبَدَا لَهُمۡ سَيِّـَٔاتُ مَا عَمِلُواْ وَحَاقَ بِهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ﴿٣٣

33Ary hiseho amin’izy ireo ny haratsian’ny asany. Ka hamatotra azy ireo izay noesoiny.

وَقِيلَ ٱلۡيَوۡمَ نَنسَىٰكُمۡ كَمَا نَسِيتُمۡ لِقَآءَ يَوۡمِكُمۡ هَٰذَا وَمَأۡوَىٰكُمُ ٱلنَّارُ وَمَا لَكُم مِّن نَّٰصِرِينَ﴿٣٤

34Ary hilazana izy ireo hoe: “Hadinonay ianareo androany, tahaka ny nanadinoanareo ity andronareo anio ity. Ny afo no fialofanareo, ary tsy hanana mpamonjy velively ianareo".

ذَٰلِكُم بِأَنَّكُمُ ٱتَّخَذۡتُمۡ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ هُزُوٗا وَغَرَّتۡكُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَاۚ فَٱلۡيَوۡمَ لَا يُخۡرَجُونَ مِنۡهَا وَلَا هُمۡ يُسۡتَعۡتَبُونَ﴿٣٥

35Nohon'ny fanesoanareo ireo andininy avy amin’I Allah no anton’izany, sy nohon'ny fitaka nataon’ny fiainana an-tany taminareo. Amin’io andro io, dia tsy havoaka ao izy ireo, ary tsy ho afa-tsiny ihany koa.

فَلِلَّهِ ٱلۡحَمۡدُ رَبِّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَرَبِّ ٱلۡأَرۡضِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿٣٦

36Dera ho an’I Allah, Tompon’ny lanitra sy Tompon’ny tany; ary Tompon’izao tontolo izao.

وَلَهُ ٱلۡكِبۡرِيَآءُ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ﴿٣٧

37Fa Azy ny fahamboniana any an-danitra sy ety an-tany. Ary Izy no ilay Tsitoha, ilay be fahendrena.

RELATED SURAHS