الدخان
The Smoke • 59 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Hà, Mîm.
2Mianiana amin’ilay Boky (Koroany) mazava aho.
3Nampidininay tamin’ny alina masina tokoa izy, fa Izahay no mpampitandrina,
4Nandritra izany no nanapahana ny didy rehetra feno fahendrena.
5Didy avy Aminay izany. Izahay no mandefa ireo iraka,
6Ho famindram-po avy amin’ny Tomponao, fa Izy no Ilay Mahare, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra,
7Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelan’izany! Raha miaiky izany tokoa ianareo.
8Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. Izy no mamelona sy mamono, ary Izy no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
9Nefa izy ireo dia misangy ao anatin’ny fisalasalana.
10Raha izany, andraso ilay andro hitondran’ny lanitra setroka hita maso,
11Izay handrakotra ny olona. Ho famaizana mamirifiry tokoa izany.
12Tomponay ô ! Alaviro aminay ny famaizana. Fa mino tokoa izahay.
13Taiza izany fahatsiarovan-tenan’izy ireo izany, nefa dia efa tonga tamin’izy ireo ny iraka mazava.
14Avy eo, dia nihataka taminy izy ireo, sady niteny hoe: “Olona nanovo fahalalana izy io, nidiran’ny devoly.”
15Ho foananay fotoana fohy ny famaizana, fa mbola hamerina ianareo.
16Ny andro hampiasanay ny famaizana mafy indrindra sy hanaovanay famelan-keloka.
17Ary talohan’izy ireo, dia efa nosedrainay ny vahoakan’i Faraona, tamin’ny fahatongavan’ny iraka manan-kaja teo amin’izy ireo.
18Izay niteny hoe: “Atolory ahy ireo mpanompon’Allah! Fa iraka mendri-pitokisana ho anareo tokoa aho.
19Aza manambon'ny tena eo anatrehan’I Allah ianareo, fa mitondra porofo mazava ho anareo aho.
20Ary mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba tsy ho torahanareo.
21Ary raha tsy te-hino ahy ianareo, dia manalavira ahy.”
22Dia niantso ny Tompony izy hoe: “ Olona mpanao ratsy tokoa izy ireo ! ”.
23Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao;fa hisy hanaraka ianareo.
24Avelao ho tony araka izao ny ranomasina, fa tafika ho maty an-drano izy ireo.
25Firifiry ireo zaridaina sy loharano navelan’izy ireo.
26Ireo saha sy fonenana mahafinaritra
27Ny fahafinaretana nifalian’izy ireo.
28Toy izany no niseho, ka nampandovanay vahoaka hafa izany.
29Tsy nisy nitomany azy ireo, na ny lanitra, na ny tany, sady tsy nahazo fanemoram-potoana intsony izy ireo.
30Ary navotanay tamin’ny famaizana mahafabaraka ireo zanak’Israely,
31Tamin’i Faraona, izay mpanambon'ny tena, isan’ireo mpanao ny tafahoatra.
32Hamafisina, fa nofidiay teo anivon’izao tontolo izao izy ireo tamim-pahalalana tanteraka.
33Ka nitondranay fahagagana izy ireo, izay misy fitsapana miharihary ho azy.
34Milaza izy ireny (mponin'i Makkat) hoe:
35Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana iray voalohany ihany ho anay. Ary tsy hatsangana amin’ny maty izahay.
36Avereno àry ireo razambenay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”
37Mendrika kokoa va izy ireo nohon'ny vahoakan’i Tobba, sy ireo talohan’izy ireo ? Naringanay izy ireo, fa tena olon-dratsy.
38Tsy ho kilalao no naharianay ny lanitra sy ny tany, ary izay eo anelanelan’izany.
39Fa tamim-pahamarinana tokoa no naharianay azy ireny. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
40Hamafisina, fa ny andro ny fitsarana farany no fotoana hihaonan’izy ireo rehetra.
41Ny andro izay tsy hilan’ny olona ny namany intsony; ary tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
42Afa-tsy, izay niantran’I Allah. Fa Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
43Hamafisina, fa ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe),
44Dia ho sakafon’ny be fahotana.
45Toy ny vy voarendrika hangotraka ao an-kibo.
46Tahaka ny fangotrahan’ny rano mamay.
47Raisonareo izy, ka avarino any anaty afo mamaivay.
48Avy eo, tondrahinareo rano mangotraka eo ambony lohany ho famaizana azy.
49Andramo! Fa ianao ilay nihevi-tena ho mahery, ilay manan-kaja.
50Izany mantsy ilay nampisalasala anareo.
51Ho amin’ny fonenana azo antoka ireo vontom-pinoana,
52Ao amin’ireo zaridaina sy loharano,
53Akanjo mangirana sy lamba lasoa no fitafin’izy ireo, ary hipetraka mifanatrika.
54Toy izany! Ary tovovavy baribary maso no homenay ho vadin'izy ireo.
55Hangataka karazam-boankazo am-pilaminana tanteraka izy ireo ao.
56Tsy hanandrana fahafatesana izy ireo ao, afa-tsy ilay fahafatesana voalohany ihany. Ary harovana amin’ny famaizan’ny afo mavaivay izy ireo,
57Fahasoavana avy amin’ny Tomponao izany. Ary izany no fahombiazana lehibe.
58Nataonay ho mora tamin’ny lelanao izany (Koroany), mba hahatsiaro izy ireo.
59Koa miandrasa àry ianao, fa miandry koa izy ireo.