الزخرف
The Gold Adornments • 89 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Hà, Mîm.
2Mianiana amin’ilay Boky mazava Aho.
3Nataonay ny Koroany amin’ny fiteny arabo izany, mba hisainanareo
4Izay aty Aminay ao anatin’ny takelaka fototra, ambony indrindra, ary feno fahendrena.
5Moa tsy nomenay ny fampahatsiarovana va ianareo, nefa tsy niraharaha ianareo izany, satria olona mpanao ny tafahoatra ianareo ?
6Firifiry moa ny Mpaminany nalefanay tamin’ireo olona taloha !
7Nefa tsy nisy Mpaminany iray tonga tamin’izy ireo, ka tsy noesoiny.
8Efa nandringana olona matanjaka kokoa noho izy ireo Izahay ! Ary efa notanisaina ny ohatra mikasika ireo teo aloha.
9Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ? ”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “ ilay Tsitoha, ilay Mahalala ny zavatra rehetra no Nahary azy ireo.”
10Ilay nanome anareo ny tany ho fandriana (toeram-pipetrahana), sy namaritra izay ilana tao anatiny, mba hahatonga anareo ho voatari-dàlana.
11Ilay mampidina rano avy eny amin’ny lanitra amin’ny antonony, ka amelomanay indray ny tanàna efa maty. Toy izany no hananganana anareo amin’ny maty.
12Ilay Nahary ireo mpivady rehetra, ary nanao sambo sy ireo biby ho fitaingainanareo,
13Mba hipetrahanareo eo an-damosiny. Manaraka izany, dia aoka ianareo hahatsiaro ny soa avy amin’ny Tomponareo rehefa tafapetraka eo aminy ianareo, ary hitenenanareo hoe : “ Voninahitra ho an’ilay nampanaiky izao rehetra izao ho anay, nefa tsy afaka nahafehy izany izahay".
14Ary any amin’ny Tomponay no hiverenanay.
15Ary dia nataon’izy ireo ho toy ny singa avy amin'I Allah ny sasany amin’ireo mpanompony. Hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona.
16Sa nangala zazavavy tamin’izay nohariany va Izy, ary nanome anareo zazalahy araka ny Safidiny ?
17Nefa raha ilazana ny iray amin’izy ireo,mitovy amin’izay lazainy ho an’ilay be Fiantrana, dia maloky ny alahelo lalina ny endriny.
18Fa ahoana ?Ilay nobeazina teo anivon’ny haingo, izay tsy afaka miarotena amin’ny alalan’ny hevitra mazava eo anoloan’ny fifandirana (no heverinareo ho singa avy amin’Allah) ?
19Ary dia lazain’izy ireo ho vavy ireo Anjely mpanompon’ilay be Fiantrana !Fa vavolombelona tamin’ny nahariana izany va izy ireo ? Ho soratana ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia hanontaniana ny amin’izany izy ireo.
20Ary hoy izy ireo : “ Raha sitrak’ilay be Fiantrana, dia tsy ho nanompo azy ireo izahay.” Tsy manana fahalalana ny amin’izany izy ireo, fa tombatombana fotsiny ihany.
21Sa nomenay Boky iray kosa talohan’ny Koroany izy ireo, izay fikirin’izy ireo tsara ?
22Fa izao kosa no lazain’izy ireo : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka manaraka ny dian’izy ireo.”
23Ary toy izany koa, tsy nandefa mpampitandrina talohanao tamin’ny tanàna iray izahay, ka tsy notenenin’ireo tsara fari-piainana tao amin’izany hoe : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka nanaraka ny dian’izy ireo.”
24Hoy izy : “ Na dia lalana tsara kokoa noho izay nahitanareo ny razam-benareo aza va no entiko aminareo ? ”. Hoy izy ireo : “ Tsy mino ny hafatra nanirahana anareo izahay.”
25Hamaly (hanasazy) azy ireo Izahay. Ary jereo ny niafaran’ireo izay nilaza (izany) ho lainga.
26Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany sy tamin’ny Rainy i Abrahama hoe : “ Laviko tanteraka izay tompoinareo"
27Afa-tsy ilay Nahary ahy, satria marina fa Izy no hitari-dalana ahy.”
28Ka dia napetrany ho teny maharitra eo amin’ny taranany izany, mba hiverenan’izy ireo ?
29Fa nomeko fahasambarana ireo olona ireo sy ireo razam-beny, mandra-pahatongan’ny Marina sy ny iraka mazava teo amin’izy ieo.
30Ary rehefa tonga teo amin’izy ireo ny fahamarinana, dia hoy izy ireo : “ Majika izao, fa tsy mino izany izahay.”
31Ary hoy izy ireo : “Ahoana no tsy nampidinana io Koroany io, tamin’ny olona ambony, tamin’ny iray amin’ireo tanàna roa ?
32Fa izy ireo va no mizara ny famindram-pon’ny Tomponao ? Izahay no nizara tamin’izy ireo ny fivelomany amin’ny fiainana ankehitriny, ary manondro-boninahitra ny sasany ho ambony noho ny hafa, mba hifehezan’ny sasany ny hafa. Tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo anefan'ny famindram-pon’ny Tomponao.
33Raha tsy natao ho mpiara-monina iray ny olombelona, dia azo antoka fa nomenay trano misy tafo vola fotsy sy tohatra miakatra amin’izany, ireo tsy mino ilay be Fiantrana,
34Misy varavarana maro sy seza lava hiankinan’ny tranon’izy ireo.
35Ary koa ravaka maro. Izany rehetra izany dia fahafinaretana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany ihany, fa ny any ankoatra kosa, izay any amin’ny Tomponao, dia ho an’ireo vonto-mpinoana.
36Ary izay minia tsy mahita ny fampahatsiarovan’Ilay be Fiantrana, dia hanendrenay devoly ho namana tsy misaraka aminy.
37Mamily ny olombelona tsy ho amin’ny lalana mahitsy tokoa ny devoly, nefa dia mihevi-tena ho voatari-dalana tsara izy ireo.
38Rehefa ho avy eo Aminay izany olona izany, dia hiteny amin’ny devoliny izy hoe : “Indrisy ! Ahoana àry no tsy nisy elanelana tahaka ny elanelan’ny atsinanana sy andrefana teo amintsika !” Tena namana ratsy tokoa izany !
39Tsy hahazoanareo tombotsoa mihitsy izy amin’izany andro izany ; raha nanao ny tsy rariny tokoa ianareo, dia hiara-voasazy.
40Moa va, ianao no mampandre ny marenina na mitarika ny jamba, sy izay efa very lalana miharihary ?
41Na alainay ianao, dia hanasazy azy ireo Izahay.
42Na hasehonay aminao izay nampanantenainay azy ireo; satria manana fahefana amin’izy ireo Izahay.
43Fikiro mafy izay nambara taminao, fa amin’ny lalana mahitsy ianao.
44Tena fampahatsiarovana ho anao sy ny vahoakanao izany. Ary hanontaniana mikasika izany ianareo.
45Dia anontanio ireo Iraka nalefanay talohanao, raha nametraka Andriamanitra maro ho tompoina ankoatra an'Ilay be Fiantrana Izahay ?
46Nalefanay ny Iraka tamin’ny fahagagana avy Aminay tokoa I Mossa, ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Hoy izy : “Izaho dia Iraky ny Tompon’izao tontolo izao.”
47Fa rehefa tonga teo amin’izy ireo niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay izy, dia nihomehezan’izy ireo.
48Nampiaiky kokoa hatrany noho izay teo alohany ny fahagagana nasehonay. Ka nosazianay izy ireo, mba hiverenany.
49Dia hoy izy ireo : “Ry mpanao majika ! Mangataha ho anay amin’ny Tomponao, amin’ny alalan’ny fifanekena nifanaovany taminao. Fa hanaraka ny lalana mahitsy tokoa izahay.”
50Ary rehefa nahatakay tamin’izy ireo ny fanasaziana, dia indro fa nandika ny fifanekena izy ireo.
51Ary dia niantso ny vahoakany i Faraona, ka niteny hoe : “Ry vahoakako ! Tsy ahy va ny fanjakan’i Ejipta, sy ireo lakan-drano mikoriana eo an-tongotro ? Moa tsy mijery va ianareo ?
52Tsy mendrika kokoa noho io mahantra zara raha afaka miteny io va aho ?
53Nahoana no tsy nanipazana haba fehin-tanana volamena izy ? Nahoana no tsy niaraka taminy ireo Anjely ?
54Toy izany no nataony hahafanina ny vahoakany, ary dia nankatoavin’izy ireo izy, satria olon’ny faharatsiana (izy ireo).
55Ary rehefa nahatezitra Anay izy ireo, dia namaly azy ireo Izahay, ka narendrikay avokoa izy rehetra.
56Nataonay ho tantara sy fanoharana ho an’ny taranaka izy ireo.
57Ary rehefa atao fanoharana ny mikasika ny zanak’I Maria, dia tsy miraharaha izany ny vahoakanao,
58Ka miteny hoe : “Ny Andriamanitray va no tsara kokoa sa izy ?” Hifandirana ihany no nanomezan’izy ireo izany ohatra izany taminao. Fa tena olona fatra mpifanditra izy ireo.
59Mpanompo nofenoinay fahasoavana avy Aminay ihany izy (Jesoa), ary nataonay ohatra tamin’ireo zanak’Israely.
60Raha sitrakay, dia nataonay Anjely ny sasany taminareo, ho mpandimby eny ambonin’ny tany.
61Ary izy, dia ho famantarana mikasika ilay Ora, ka aza misalasala ny amin’izany velively ianareo. Koa manaraha ahy, izany no lalana mahitsy.
62Aoka tsy hampivily anareo mihitsy ny devoly! Fa tena fahavalo miharihary ho anareo izy.
63Ary rehefa nitondra ny porofo I Jesoa, dia hoy izy : “Tonga eto aminareo miaraka amin’ny fahendrena aho, sady hanazava aminareo ireo zavatra sasany tsy nampitovy hevitra anareo. Matahora an'I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
64Tompoko sy Tomponareo tokoa Izy Allah, koa aoka ianareo hanompo Azy, fa izany no lalana mahitsy.”
65Saingy tsy nitovy hevitra ireo vondron’olona teo amin’izy ireo. Koa loza ho an’ireo mpanao ny tsy rariny, amin’ny famaizana amin’ilay andro feno fanaintainana.
66Tsy miandry afa-tsy ny hahatongavan’ilay Ora tampoka va izy reo, amin’ny fotoana tsy ampoiziny akory ?
67Ho mpifahavalo ireo mpinamana amin’io andro io, afa-tsy ireo vontom-pinoana.
68“Ry mpanompoko ! Tsy hanam-pahatahorana ianareo androany, ary tsy halahelo ihany koa".
69Ireo izay nino ny famantarana avy Aminay, sady nankato,
70Aoka ianareo sy ireo vadinareo hiditra ao amin’ny Paradisa, fa hanaovana lanonana ianareo any.”
71Hampandalovina eny amin’izy ireo ny lovia volamena sy ireo kapoaka; fa hisy izay rehetra irin’ny vatana sy mahafaly ny maso ao; ka dia hipetraka ao mandrakizay ianareo.
72Izany no Paradisa ho lovainareo noho ny nataonareo.
73Fa hisy voankazo maro ho anareo ao, ka hihinana amin’izany ianareo.
74Fa ireo meloka kosa, dia hipetraka mandrakizay ao amin’ny famaizan’ny afobe,
75Izay tsy hitsahatra mandrakizay ho azy ireo, ka hahavery fanantenana azy.
76Tsy nanao ratsy tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no mpanao ny tsy rariny.
77Ary dia hiantso izy ireo hoe: “Ry Malik (Anjely) ! Aoka hamono anay ho faty ny Tomponao! ” Ka hoy izy: “Raha ny marina dia natao hipetraka ao mandrakizay ianareo.”
78Hamafisina, fa noentinay taminareo tokoa ny Fahamarinana; nefa nankahala izany ny ankamaroanareo.
79Moa nangala fanapahan-kevitra va izy samy izy ireo ? Fa Izahay no manapa-kevitra
80Sa mihevitra va izy ireo fa tsy henonay ny tsiambaratelony, na ny bitsik’izy ireo? Eny! Mandray an-tsoratra izany ireo (Anjely) Irakay akaiky azy ireo.
81Fa lazao hoe: “Raha nanan-janaka Ilay be Fiantrana, dia izaho no nanompo azy voalohany.”
82Voninahitra ho an’Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary Tompon’ny Seza Fiandrianana; Ambonin’izay foronin’izy ireo Izy.
83Avelao izy ireo hilona amin’ny fahadisoany, sy handany andro mandra-pahatongavana amin’ilay andro nampanantenaina azy ireo.
84Izy no Ilay Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay be Fahendrena, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.
85Ho hamasinina anie Ilay Tompon’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelan’izy ireo. Izy no manana ny fahalalana ny Ora. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
86Fa tsy manana fahefana hanelanelana izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy, afa-tsy izay mijoro vavolombelona amim-pahamarinana amin’ny fahafantarana tanteraka.
87Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo ?”, dia hiteny tokoa izy ireo hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy) ?
88Ka hoy ny teniny (tenin’ny Mpaminany amin’Allah): “Tompo ô ! Olona tsy mino izy ireny.”
89Raha izany, mihataha amin’izy ireo ianao, ka lazao hoe: “Fandriampahalemana (salam)!”. Fa ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.