Maryam

مريم

Mary98 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

كٓهيعٓصٓ﴿١

1Kàf, Hà,Yà,A'in, Swàd.

ذِكۡرُ رَحۡمَتِ رَبِّكَ عَبۡدَهُۥ زَكَرِيَّآ﴿٢

2Tantaran’ny famindram-pon’ny Tomponao, tamin’i Zakaria mpanompony.

إِذۡ نَادَىٰ رَبَّهُۥ نِدَآءً خَفِيّٗا﴿٣

3Rehefa niantso ny Tompony Izy tamin’ny fitalahoana mangina,

قَالَ رَبِّ إِنِّي وَهَنَ ٱلۡعَظۡمُ مِنِّي وَٱشۡتَعَلَ ٱلرَّأۡسُ شَيۡبٗا وَلَمۡ أَكُنۢ بِدُعَآئِكَ رَبِّ شَقِيّٗا﴿٤

4Sady niteny nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Osa ireto taolako, ary nirongatra ny volo fotsy eo amin’ny lohako. ka nefa, tsy mbola diso fanantenana mihitsy Aho amin’ny fitalahoana Aminao, ô ry Tompoko !

وَإِنِّي خِفۡتُ ٱلۡمَوَٰلِيَ مِن وَرَآءِي وَكَانَتِ ٱمۡرَأَتِي عَاقِرٗا فَهَبۡ لِي مِن لَّدُنكَ وَلِيّٗا﴿٥

5Matahotra Aho ny amin’ny fitondran-tenan’ireo mpandova Ahy aoriako. Ary ny vadiko dia momba, ka mba omeo taranaka avy Aminao Aho.

يَرِثُنِي وَيَرِثُ مِنۡ ءَالِ يَعۡقُوبَۖ وَٱجۡعَلۡهُ رَبِّ رَضِيّٗا﴿٦

6Izay handova Ahy, sy handova ny taranak’i Jakoba. Ka ataovy ho anisan’izay ankasitrahanao Izy, ô ry Tompoko ! ”.

يَٰزَكَرِيَّآ إِنَّا نُبَشِّرُكَ بِغُلَٰمٍ ٱسۡمُهُۥ يَحۡيَىٰ لَمۡ نَجۡعَل لَّهُۥ مِن قَبۡلُ سَمِيّٗا﴿٧

7“ Ô ry Zakaria ! Manambara vaovao mahafaly ho Anao Izahay, fa hanana Zanaka lahy Ianao, ary ny anarany dia : Yahya (Jaona). Tsy mbola misy nomenay anarana mitovy amin’izany teo aloha.

قَالَ رَبِّ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي غُلَٰمٞ وَكَانَتِ ٱمۡرَأَتِي عَاقِرٗا وَقَدۡ بَلَغۡتُ مِنَ ٱلۡكِبَرِ عِتِيّٗا﴿٨

8Ary niteny izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Ahoana no hananako Zanaka lahy, nefa momba ny vadiko, ary Izaho dia efa tra-pahanterana ? ”

قَالَ كَذَٰلِكَ قَالَ رَبُّكَ هُوَ عَلَيَّ هَيِّنٞ وَقَدۡ خَلَقۡتُكَ مِن قَبۡلُ وَلَمۡ تَكُ شَيۡـٔٗا﴿٩

9Niteny taminy Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”. Niteny ny Tomponao ka nanao hoe : “ Mora Amiko izany ! Talohan’izany, nahary Anao Aho, nefa tsy mbola nisy Anao ”.

قَالَ رَبِّ ٱجۡعَل لِّيٓ ءَايَةٗۖ قَالَ ءَايَتُكَ أَلَّا تُكَلِّمَ ٱلنَّاسَ ثَلَٰثَ لَيَالٖ سَوِيّٗا﴿١٠

10Niteny Izy (Zakaria) nanao hoe : “ Ô ry Tompoko ! Omeo famantarana Aho ”. Dia niteny (Allah) ka nanao hoe : “ Ny famantarana ho Anao dia tsy afaka hiteny aman’olona Ianao mandritra ny telo alina, nefa ho salama tsara Ianao.

فَخَرَجَ عَلَىٰ قَوۡمِهِۦ مِنَ ٱلۡمِحۡرَابِ فَأَوۡحَىٰٓ إِلَيۡهِمۡ أَن سَبِّحُواْ بُكۡرَةٗ وَعَشِيّٗا﴿١١

11Dia nivoaka ny toerana masina Izy, ka nankany amin’ny vahoakany ; dia nanao famantarana tamin’izy ireo izy mba hitalaho (amin’i Allah) maraina sy hariva.

يَٰيَحۡيَىٰ خُذِ ٱلۡكِتَٰبَ بِقُوَّةٖۖ وَءَاتَيۡنَٰهُ ٱلۡحُكۡمَ صَبِيّٗا﴿١٢

12“ Ô ry Yahya (Jaona) ! Raiso ny Boky (Taoraty), ka mifikira mafy aminy ! ”. Ary nomenay fahendrena Izy fony mbola zaza,

وَحَنَانٗا مِّن لَّدُنَّا وَزَكَوٰةٗۖ وَكَانَ تَقِيّٗا﴿١٣

13Ary koa fitiavana avy Aminay sy fahadiovana, ary Izy dia nanam-patahorana (an’i Allah).

وَبَرَّۢا بِوَٰلِدَيۡهِ وَلَمۡ يَكُن جَبَّارًا عَصِيّٗا﴿١٤

14Ary niantra ireo Ray aman-dreniny Izy; ary tsy mba nahery setra sy tsy mba nanota.

وَسَلَٰمٌ عَلَيۡهِ يَوۡمَ وُلِدَ وَيَوۡمَ يَمُوتُ وَيَوۡمَ يُبۡعَثُ حَيّٗا﴿١٥

15Ary ho Aminy anie ny fiadanana, amin’ny Andro izay nahaterahany, sy amin’ny Andro izay ahafatesany, ary amin’ny Andro izay hananganana Azy amin’ny maty ho velona !

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مَرۡيَمَ إِذِ ٱنتَبَذَتۡ مِنۡ أَهۡلِهَا مَكَانٗا شَرۡقِيّٗا﴿١٦

16Tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mariamo (Maria), raha nisintaka tamin’ny fianakaviany Izy, nankany amin’ny toerana iray any antsinanana.

فَٱتَّخَذَتۡ مِن دُونِهِمۡ حِجَابٗا فَأَرۡسَلۡنَآ إِلَيۡهَا رُوحَنَا فَتَمَثَّلَ لَهَا بَشَرٗا سَوِيّٗا﴿١٧

17Ka nasiany lamba sarona nanelanelana Azy,sy izy ireo. Ary nalefanay Taminy ny Anjelinay (Gabriel), izay niseho Taminy amin’ny endrika lehilahy tomady.

قَالَتۡ إِنِّيٓ أَعُوذُ بِٱلرَّحۡمَٰنِ مِنكَ إِن كُنتَ تَقِيّٗا﴿١٨

18Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Izaho dia mangataka fiarovana amin’Ilay be Fiantrana hanoherako Anao; raha tena manam-patahorana Ianao !

قَالَ إِنَّمَآ أَنَا۠ رَسُولُ رَبِّكِ لِأَهَبَ لَكِ غُلَٰمٗا زَكِيّٗا﴿١٩

19Namaly izy (Gabriel) hoe : “Izaho dia tena Iraka avy amin’ny Tomponao, mba hanome anao zaza lahy madio”.

قَالَتۡ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي غُلَٰمٞ وَلَمۡ يَمۡسَسۡنِي بَشَرٞ وَلَمۡ أَكُ بَغِيّٗا﴿٢٠

20Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Ahoana moa no hananako Zanaka lahy, nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy akory aza, ary tsy mba mpijangajanga Aho ? ”

قَالَ كَذَٰلِكِ قَالَ رَبُّكِ هُوَ عَلَيَّ هَيِّنٞۖ وَلِنَجۡعَلَهُۥٓ ءَايَةٗ لِّلنَّاسِ وَرَحۡمَةٗ مِّنَّاۚ وَكَانَ أَمۡرٗا مَّقۡضِيّٗا﴿٢١

21Niteny Izy (Gabriel) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”.Niteny ny Tomponao hoe : “ Mora Amiko izany ! Ary hataonay famantarana ho an’ny Olombelona Izy, sy famindram-po avy Aminay. Ary izany dia didy efa tapaka ”.

۞ فَحَمَلَتۡهُ فَٱنتَبَذَتۡ بِهِۦ مَكَانٗا قَصِيّٗا﴿٢٢

22Dia nitoe-jaza àry Izy,ka nisintaka niaraka Taminy (zazakely) tamin’ny toerana lavidavitra Izy.

فَأَجَآءَهَا ٱلۡمَخَاضُ إِلَىٰ جِذۡعِ ٱلنَّخۡلَةِ قَالَتۡ يَٰلَيۡتَنِي مِتُّ قَبۡلَ هَٰذَا وَكُنتُ نَسۡيٗا مَّنسِيّٗا﴿٢٣

23Dia nitondra azy teo am-pototry ny hazo palma (atrendry) rehefa nihetsi-jaza, dia hoy izy tamin’izany : “Loza ho Ahy! Aleoko maty talohan’izao fotoana izao ka nohadinoina tanteraka aho!”

فَنَادَىٰهَا مِن تَحۡتِهَآ أَلَّا تَحۡزَنِي قَدۡ جَعَلَ رَبُّكِ تَحۡتَكِ سَرِيّٗا﴿٢٤

24Dia niantso azy ny avy ao ambaniny nanao hoe : “ Aza malahelo ianao; fa nasin’ny Tomponao loharano eo ambaninao ”.

وَهُزِّيٓ إِلَيۡكِ بِجِذۡعِ ٱلنَّخۡلَةِ تُسَٰقِطۡ عَلَيۡكِ رُطَبٗا جَنِيّٗا﴿٢٥

25Hozongozono mankany Aminao ny vatan’ny palma (atrendry);fa handatsaka atrendry tsara sady masaka eo Aminao Izy.

فَكُلِي وَٱشۡرَبِي وَقَرِّي عَيۡنٗاۖ فَإِمَّا تَرَيِنَّ مِنَ ٱلۡبَشَرِ أَحَدٗا فَقُولِيٓ إِنِّي نَذَرۡتُ لِلرَّحۡمَٰنِ صَوۡمٗا فَلَنۡ أُكَلِّمَ ٱلۡيَوۡمَ إِنسِيّٗا﴿٢٦

26Koa mihinàna sy misotroa Ianao, ary aoka hifaly ny masonao ! Raha mahita Olona Ianao dia mitenena hoe : “ Marina fa Izaho dia nanao voady fifehezana tamin’ilay be Fiantrana, ka tsy hiteny amin’ny Olona na iza na iza Aho Androany ”.

فَأَتَتۡ بِهِۦ قَوۡمَهَا تَحۡمِلُهُۥۖ قَالُواْ يَٰمَرۡيَمُ لَقَدۡ جِئۡتِ شَيۡـٔٗا فَرِيّٗا﴿٢٧

27Avy eo dia tonga teo anatrehan’ny mpiara-monina Aminy Izy nitondra ilay Zazakely. ka Niteny izy ireo (mpiara-monina) nanao hoe : “ Ô Mariamo (Maria) ! Nanao zavatra mahatsiravina Ianao ! ”

يَٰٓأُخۡتَ هَٰرُونَ مَا كَانَ أَبُوكِ ٱمۡرَأَ سَوۡءٖ وَمَا كَانَتۡ أُمُّكِ بَغِيّٗا﴿٢٨

28Ô ry anabavin’i Harona ! Ny Rainao dia tsy mba Olon-dratsy, ary ny Reninao dia tsy mba mpijangajanga akory.

فَأَشَارَتۡ إِلَيۡهِۖ قَالُواْ كَيۡفَ نُكَلِّمُ مَن كَانَ فِي ٱلۡمَهۡدِ صَبِيّٗا﴿٢٩

29Ka nanondro ilay Zazakely Izy (Mariamo). ka Niteny izy ireo nanao hoe : “ Ahoana no hitenenanay amin’ny Zazakely mbola eo am-pandriana ? ”

قَالَ إِنِّي عَبۡدُ ٱللَّهِ ءَاتَىٰنِيَ ٱلۡكِتَٰبَ وَجَعَلَنِي نَبِيّٗا﴿٣٠

30Niteny izy (ilay zazakely) nanao hoe : “ Tena marina fa Izaho dia mpanompon’i Allah. Nomeny Ahy ny Boky, ary nanendry Ahy ho Mpaminany Izy,

وَجَعَلَنِي مُبَارَكًا أَيۡنَ مَا كُنتُ وَأَوۡصَٰنِي بِٱلصَّلَوٰةِ وَٱلزَّكَوٰةِ مَا دُمۡتُ حَيّٗا﴿٣١

31Ary na aiza na aiza misy ahy, dia nohamasininy aho, ary nandidy ahy hanatanteraka ny vavaka fanompoana (soalat) sy ny harena fiantrana (zakat) Izy, raha mbola velona aho.

وَبَرَّۢا بِوَٰلِدَتِي وَلَمۡ يَجۡعَلۡنِي جَبَّارٗا شَقِيّٗا﴿٣٢

32Ary mba hiantra (hanao soa) ny reniko. Fa tsy nataony mahery setra, na ory Aho.

وَٱلسَّلَٰمُ عَلَيَّ يَوۡمَ وُلِدتُّ وَيَوۡمَ أَمُوتُ وَيَوۡمَ أُبۡعَثُ حَيّٗا﴿٣٣

33Ary ho Amiko ny fiadanana tamin’ny Andro izay nahaterahako, sy amin’ny Andro izay ahafatesako, ary amin’ny Andro izay hananganana Ahy ho velona.

ذَٰلِكَ عِيسَى ٱبۡنُ مَرۡيَمَۖ قَوۡلَ ٱلۡحَقِّ ٱلَّذِي فِيهِ يَمۡتَرُونَ﴿٣٤

34Izany no Issa (A.s) i (Jesoa) Zanakin’i Mariamo (A.s) (Maria), tenin’ny fahamarinana izay mampisalasala azy ireo.

مَا كَانَ لِلَّهِ أَن يَتَّخِذَ مِن وَلَدٖۖ سُبۡحَٰنَهُۥٓۚ إِذَا قَضَىٰٓ أَمۡرٗا فَإِنَّمَا يَقُولُ لَهُۥ كُن فَيَكُونُ﴿٣٥

35Tsy mendrika an’i Allah ny hanan-janaka fa Azy ny voninahitra sy ny fahadiovana ! Rehefa mandidy zavatra iray Izy, dia miteny hoe : “ Misia ! ” dia misy tokoa izany.

وَإِنَّ ٱللَّهَ رَبِّي وَرَبُّكُمۡ فَٱعۡبُدُوهُۚ هَٰذَا صِرَٰطٞ مُّسۡتَقِيمٞ﴿٣٦

36Ary tena marina fa i Allah no Tompoko sy Tomponareo ka tompoinareo Izy, izany no làlana mahitsy.

فَٱخۡتَلَفَ ٱلۡأَحۡزَابُ مِنۢ بَيۡنِهِمۡۖ فَوَيۡلٞ لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ مِن مَّشۡهَدِ يَوۡمٍ عَظِيمٍ﴿٣٧

37Tsy nitovy hevitra ireo antokon’Olona teo amin’ny samy izy ireo (taty aoriana), loza ho an’ireo izay tsy nino ny fiatrehana ilay Andro lehibe.

أَسۡمِعۡ بِهِمۡ وَأَبۡصِرۡ يَوۡمَ يَأۡتُونَنَا لَٰكِنِ ٱلظَّٰلِمُونَ ٱلۡيَوۡمَ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ﴿٣٨

38Tahaka ny handrenesan’izy ireo sy ny ahitany tsara ilay Andro hiaviany any Aminay ! Nefa ankehitriny, ireo mpanao ny tsy rariny dia ao anatin’ny fahaverezana tanteraka.

وَأَنذِرۡهُمۡ يَوۡمَ ٱلۡحَسۡرَةِ إِذۡ قُضِيَ ٱلۡأَمۡرُ وَهُمۡ فِي غَفۡلَةٖ وَهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ﴿٣٩

39Ary ampitandremo azy ireo ny Andron’ny Fanenenana, rehefa tapaka ny didy; nefa izy ireo dia mbola variana ihany (eto an-tany) no sady tsy mino.

إِنَّا نَحۡنُ نَرِثُ ٱلۡأَرۡضَ وَمَنۡ عَلَيۡهَا وَإِلَيۡنَا يُرۡجَعُونَ﴿٤٠

40Tena marina fa Izahay tokoa no handova ny tany sy izay rehetra ao aminy, ary any Aminay no hamerenana azy ireo.

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ إِبۡرَٰهِيمَۚ إِنَّهُۥ كَانَ صِدِّيقٗا نَّبِيًّا﴿٤١

41Ary tsiahivo Ibrahimo (A.s), ao anatin’ny Boky (Koroany), fa Olona tena marina sady Mpaminany Izy.

إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ يَٰٓأَبَتِ لِمَ تَعۡبُدُ مَا لَا يَسۡمَعُ وَلَا يُبۡصِرُ وَلَا يُغۡنِي عَنكَ شَيۡـٔٗا﴿٤٢

42Koa rehefa niteny tamin’ny Rainy izy ka nanao hoe : “ Ô ry dada ! Nahoana ianao no manompo izay sady tsy maheno no tsy mahita, ary tsy hitera-bokatsoa aminao na amin’inona na amin’inona io? ”

يَٰٓأَبَتِ إِنِّي قَدۡ جَآءَنِي مِنَ ٱلۡعِلۡمِ مَا لَمۡ يَأۡتِكَ فَٱتَّبِعۡنِيٓ أَهۡدِكَ صِرَٰطٗا سَوِيّٗا﴿٤٣

43Ô ry dada ! Marina fa tonga Tamiko ny fahalalana izay tsy nanananao; koa araho Aho,fa hotarihiko amin’ny làla-mahitsy Ianao.

يَٰٓأَبَتِ لَا تَعۡبُدِ ٱلشَّيۡطَٰنَۖ إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ كَانَ لِلرَّحۡمَٰنِ عَصِيّٗا﴿٤٤

44Ô ry Dada ! Aza manompo ny Satana ianao. Marina fa ny Satana dia tsy nankatò ilay be Fiantrana.

يَٰٓأَبَتِ إِنِّيٓ أَخَافُ أَن يَمَسَّكَ عَذَابٞ مِّنَ ٱلرَّحۡمَٰنِ فَتَكُونَ لِلشَّيۡطَٰنِ وَلِيّٗا﴿٤٥

45“ Ô ry Dada ! Tena matahotra Aho, sao ho azon’ny famaizana avy amin’Ilay be Fiantrana Ianao, ka ho lasa naman’ny Satana Ianao ”.

قَالَ أَرَاغِبٌ أَنتَ عَنۡ ءَالِهَتِي يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُۖ لَئِن لَّمۡ تَنتَهِ لَأَرۡجُمَنَّكَۖ وَٱهۡجُرۡنِي مَلِيّٗا﴿٤٦

46Niteny Izy (dadan’i Ibrahimo) ka nanao hoe : Ô ry Ibrahimo (A.s) ! Tsy mankasitraka ireo Zanahariko ve Ianao ? Raha tsy mitsahatra amin’izany Ianao dia hotorahako vato, halaviro Aho mandritra ny fotoana maharitra.

قَالَ سَلَٰمٌ عَلَيۡكَۖ سَأَسۡتَغۡفِرُ لَكَ رَبِّيٓۖ إِنَّهُۥ كَانَ بِي حَفِيّٗا﴿٤٧

47Niteny izy (Ibrahimo) ka nanao hoe : “ Ho Aminao anie ny fiadanana ! Hangataka famelan-keloka ho Anao Aho amin’ny Tompoko. Nanome Ahy fahasoavana mandrakariva Izy.

وَأَعۡتَزِلُكُمۡ وَمَا تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَأَدۡعُواْ رَبِّي عَسَىٰٓ أَلَّآ أَكُونَ بِدُعَآءِ رَبِّي شَقِيّٗا﴿٤٨

48Hisintaka anareo aho sy amin’izay italahoanareo ankoatr’i Allah, ary hitalaho amin’ny Tompoko aho, manantena aho fa tsy ho ory amin’ny antso ataoko amin’ny Tompoko.

فَلَمَّا ٱعۡتَزَلَهُمۡ وَمَا يَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ وَهَبۡنَا لَهُۥٓ إِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَۖ وَكُلّٗا جَعَلۡنَا نَبِيّٗا﴿٤٩

49Rehefa nisaraka tamin’izy ireo, sy izay nitompoin’izy ireo ankoatran’i Allah Izy, dia nomenay an’i Isaka (A.s) sy i Jakoba (A.s),ary samy nataonay ho Mpaminany izy Roa ireo.

وَوَهَبۡنَا لَهُم مِّن رَّحۡمَتِنَا وَجَعَلۡنَا لَهُمۡ لِسَانَ صِدۡقٍ عَلِيّٗا﴿٥٠

50Ary nomenay ny indrafonay izy ireo,sady nomenay ny fiteny ambony feno fahamarinana.

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مُوسَىٰٓۚ إِنَّهُۥ كَانَ مُخۡلَصٗا وَكَانَ رَسُولٗا نَّبِيّٗا﴿٥١

51Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mosa (A.s) (Mosesy), fa tena Olo-marina tokoa izy, sady Iraka no Mpaminany.

وَنَٰدَيۡنَٰهُ مِن جَانِبِ ٱلطُّورِ ٱلۡأَيۡمَنِ وَقَرَّبۡنَٰهُ نَجِيّٗا﴿٥٢

52Ary nantsoinay Izy teo akaikin’ny tendrombohitra Sinaï, tamin’ny ilany havanana, ary nampanatoninay akaiky dia akaiky Izy sady nitenenanay.

وَوَهَبۡنَا لَهُۥ مِن رَّحۡمَتِنَآ أَخَاهُ هَٰرُونَ نَبِيّٗا﴿٥٣

53Ary nohon'ny indrafonay dia nomenay Azy i Harona rahalahiny, ho Mpaminany.

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ إِسۡمَٰعِيلَۚ إِنَّهُۥ كَانَ صَادِقَ ٱلۡوَعۡدِ وَكَانَ رَسُولٗا نَّبِيّٗا﴿٥٤

54Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koo’any) i Ismael, mitana ny teny nomena izy, sady iraka no Mpaminany.

وَكَانَ يَأۡمُرُ أَهۡلَهُۥ بِٱلصَّلَوٰةِ وَٱلزَّكَوٰةِ وَكَانَ عِندَ رَبِّهِۦ مَرۡضِيّٗا﴿٥٥

55Ary nandidy ny fianakaviany Izy mba hanatanteraka ny Soalat (vavaka) sy ny Zakat (harena fiantrana), ary nahazo fankasitrahana tamin’ny Tompony Izy.

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ إِدۡرِيسَۚ إِنَّهُۥ كَانَ صِدِّيقٗا نَّبِيّٗا﴿٥٦

56Ary tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Idris, Olo-marina no sady Mpaminany.

وَرَفَعۡنَٰهُ مَكَانًا عَلِيًّا﴿٥٧

57Ary nasondrotray amin’ny toerana ambony Izy.

أُوْلَٰٓئِكَ ٱلَّذِينَ أَنۡعَمَ ٱللَّهُ عَلَيۡهِم مِّنَ ٱلنَّبِيِّـۧنَ مِن ذُرِّيَّةِ ءَادَمَ وَمِمَّنۡ حَمَلۡنَا مَعَ نُوحٖ وَمِن ذُرِّيَّةِ إِبۡرَٰهِيمَ وَإِسۡرَٰٓءِيلَ وَمِمَّنۡ هَدَيۡنَا وَٱجۡتَبَيۡنَآۚ إِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُ ٱلرَّحۡمَٰنِ خَرُّواْۤ سُجَّدٗاۤ وَبُكِيّٗا۩﴿٥٨

58Izy ireny no nomen’i Allah fahasoavana, tamin’ireo Mpaminany, tamin’ireo taranakan’i Adama, sy tamin’ireo nen-tinay niaraka tamin’i Noa, sy tamin’ireo taranakan’i Ibrahimo sy Israely, ary koa tamin’ireo izay notarihanay sy nosafidinay. Rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy avy amin’Ilay be Fiantrana dia miantoraka sy miara-miankohoka sady mitomany izy ireo.

۞ فَخَلَفَ مِنۢ بَعۡدِهِمۡ خَلۡفٌ أَضَاعُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَٱتَّبَعُواْ ٱلشَّهَوَٰتِۖ فَسَوۡفَ يَلۡقَوۡنَ غَيًّا﴿٥٩

59Avy eo dia nandimby azy ireo (taranaka) izay nanao tsirambina ny Soalat (vavaka) sy nanaraka ny sitrapony. Tsy ho ela dia hihatra amin’izy ireo ny fahaverezana.

إِلَّا مَن تَابَ وَءَامَنَ وَعَمِلَ صَٰلِحٗا فَأُوْلَٰٓئِكَ يَدۡخُلُونَ ٱلۡجَنَّةَ وَلَا يُظۡلَمُونَ شَيۡـٔٗا﴿٦٠

60Afa tsy izay mibebaka, sy mino ary manao asa soa, izy ireny no hiditra ao anatin’ny paradisa, ary tsy hiangarana mihitsy.

جَنَّٰتِ عَدۡنٍ ٱلَّتِي وَعَدَ ٱلرَّحۡمَٰنُ عِبَادَهُۥ بِٱلۡغَيۡبِۚ إِنَّهُۥ كَانَ وَعۡدُهُۥ مَأۡتِيّٗا﴿٦١

61Ao amin’ireo zaridain’i Paradisa (fonenana mandrakizay) izay nampanantenain’Ilay be Fiantrana ho an’ireo mpanompony, (izay nino) ny zava-miafina.Tena marina fa izany fampanantenana izany, dia tsy hisalasalana fa tsy maintsy ho tonga.

لَّا يَسۡمَعُونَ فِيهَا لَغۡوًا إِلَّا سَلَٰمٗاۖ وَلَهُمۡ رِزۡقُهُمۡ فِيهَا بُكۡرَةٗ وَعَشِيّٗا﴿٦٢

62Izy ireo dia tsy haheno teny tsy mendrika ao; tsy misy afa tsy (ny fitenenana) hoe : ” salam”(fiadanana); ary hanana ny anjara sakafony maraina sy hariva izy ireo ao.

تِلۡكَ ٱلۡجَنَّةُ ٱلَّتِي نُورِثُ مِنۡ عِبَادِنَا مَن كَانَ تَقِيّٗا﴿٦٣

63Izany no Paradisa izay hampandovanay ireo mpanomponay izay manam- patahorana.

وَمَا نَتَنَزَّلُ إِلَّا بِأَمۡرِ رَبِّكَۖ لَهُۥ مَا بَيۡنَ أَيۡدِينَا وَمَا خَلۡفَنَا وَمَا بَيۡنَ ذَٰلِكَۚ وَمَا كَانَ رَبُّكَ نَسِيّٗا﴿٦٤

64Ary tsy midina Izahay raha tsy araka ny didy avy amin’ny Tomponao. Azy avokoa izay eo anoloanay sy izay aorianay ary izay rehetra eo anelanelan’izy Roa. Tsy mba manadino na inona na inona ny Tomponao.

رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا فَٱعۡبُدۡهُ وَٱصۡطَبِرۡ لِعِبَٰدَتِهِۦۚ هَلۡ تَعۡلَمُ لَهُۥ سَمِيّٗا﴿٦٥

65(Izy no) Tompon’ireo ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra manelanelana azy Roa ! Tompoy àry Izy, ary manàna faharetana amin’ny fanompoana Azy. Mahafantatra ny mitovy Aminy ve Ianao ?

وَيَقُولُ ٱلۡإِنسَٰنُ أَءِذَا مَا مِتُّ لَسَوۡفَ أُخۡرَجُ حَيًّا﴿٦٦

66Ary miteny ny Olombelona ka manao hoe : “ Moa ve rehefa maty dia mbola haverina ho velona indray Aho ? ”

أَوَلَا يَذۡكُرُ ٱلۡإِنسَٰنُ أَنَّا خَلَقۡنَٰهُ مِن قَبۡلُ وَلَمۡ يَكُ شَيۡـٔٗا﴿٦٧

67Moa ve tsy tadidin’ny Olombelona, fa Izahay tokoa no nahary Azy tany aloha, fony izy mbola tsy nisy ?

فَوَرَبِّكَ لَنَحۡشُرَنَّهُمۡ وَٱلشَّيَٰطِينَ ثُمَّ لَنُحۡضِرَنَّهُمۡ حَوۡلَ جَهَنَّمَ جِثِيّٗا﴿٦٨

68Marina amin’ny Tomponao ! Fa hangoninay izy ireo sy ireo satana. Avy eo dia apetrakay am-pandohalihana manodidina ny Afobe izy ireo.

ثُمَّ لَنَنزِعَنَّ مِن كُلِّ شِيعَةٍ أَيُّهُمۡ أَشَدُّ عَلَى ٱلرَّحۡمَٰنِ عِتِيّٗا﴿٦٩

69Ary avy eo, dia tena halainay avy amin’ny andiany tsirairay avy, ireo izay nikiry fatratra tamin’ny fanoherana ilay be Fiantrana.

ثُمَّ لَنَحۡنُ أَعۡلَمُ بِٱلَّذِينَ هُمۡ أَوۡلَىٰ بِهَا صِلِيّٗا﴿٧٠

70Ary Izahay no mahalala tokoa izay mendrika hodorana amin’izy ireo.

وَإِن مِّنكُمۡ إِلَّا وَارِدُهَاۚ كَانَ عَلَىٰ رَبِّكَ حَتۡمٗا مَّقۡضِيّٗا﴿٧١

71Tsy misy tsy handalo amin’izany (tetezana ambonin’ny Afobe) Ianareo, izany dia didy tsy azo hidovirana (hialana) avy amin’ny Tomponao.

ثُمَّ نُنَجِّي ٱلَّذِينَ ٱتَّقَواْ وَّنَذَرُ ٱلظَّٰلِمِينَ فِيهَا جِثِيّٗا﴿٧٢

72Ary avy eo, dia havotanay ireo izay manam-patahorana. Fa havelanay am-pandohalihana ao kosa ireo mpanao ny tsy rariny.

وَإِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُنَا بَيِّنَٰتٖ قَالَ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لِلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ أَيُّ ٱلۡفَرِيقَيۡنِ خَيۡرٞ مَّقَامٗا وَأَحۡسَنُ نَدِيّٗا﴿٧٣

73Ary rehefa vakiana amin’izy ireo, ireo andininy mazava amin’ny teninay, dia miteny ireo tsy mpino amin’ireo mpino manao hoe : “ Iza amin’ny andiany Roa ireo, no manana toerana mampiadana, sy namana mendrika indrindra ? ”.

وَكَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّن قَرۡنٍ هُمۡ أَحۡسَنُ أَثَٰثٗا وَرِءۡيٗا﴿٧٤

74Ary firifiry moa no naringanay tamin’ireo taranaka talohan’izy ireo, izay nihoatra azy ireo tamin’ny fananana, sy tamin’ny endrika ivelany.

قُلۡ مَن كَانَ فِي ٱلضَّلَٰلَةِ فَلۡيَمۡدُدۡ لَهُ ٱلرَّحۡمَٰنُ مَدًّاۚ حَتَّىٰٓ إِذَا رَأَوۡاْ مَا يُوعَدُونَ إِمَّا ٱلۡعَذَابَ وَإِمَّا ٱلسَّاعَةَ فَسَيَعۡلَمُونَ مَنۡ هُوَ شَرّٞ مَّكَانٗا وَأَضۡعَفُ جُندٗا﴿٧٥

75Teneno hoe : “ Izay ao anatin’ny fahaverezana, dia aoka ilay be Fiantrana hanalava ny fiainany, mandra-pahitan’izy ireo,na ilay famaizana na ilay Ora ”. Ka ho fantatr’izy ireo, iza no manana toerana ratsy indrindra, sy manana ny andiana miaramila tena osa.

وَيَزِيدُ ٱللَّهُ ٱلَّذِينَ ٱهۡتَدَوۡاْ هُدٗىۗ وَٱلۡبَٰقِيَٰتُ ٱلصَّٰلِحَٰتُ خَيۡرٌ عِندَ رَبِّكَ ثَوَابٗا وَخَيۡرٞ مَّرَدًّا﴿٧٦

76Ary ampitomboin’i Allah fahitsiana ireo izay manaraka ny làla-mahitsy. Ary ireo asa soa maharitra, dia mendrika ny valisoa tsara indrindra, sy ny fiafarana tsara indrindra eo anatrehan’ny Tomponao.

أَفَرَءَيۡتَ ٱلَّذِي كَفَرَ بِـَٔايَٰتِنَا وَقَالَ لَأُوتَيَنَّ مَالٗا وَوَلَدًا﴿٧٧

77Hitanao ve ilay tsy nino ireo andinin’ireo teninay, ka niteny nanao hoe : “ Tena omena harena sy Zanaka tokoa Aho ? ”

أَطَّلَعَ ٱلۡغَيۡبَ أَمِ ٱتَّخَذَ عِندَ ٱلرَّحۡمَٰنِ عَهۡدٗا﴿٧٨

78Moa ve mahafantatra ny zava-miafina Izy,sa nanao fifanekena kosa tamin’ilay be Fiantrana ?

كَلَّاۚ سَنَكۡتُبُ مَا يَقُولُ وَنَمُدُّ لَهُۥ مِنَ ٱلۡعَذَابِ مَدّٗا﴿٧٩

79Tsia ! Tsy izany mihitsy ! Hosoratanay izay noteneniny, ary hampitomboinay ny halavan’ny famaizana ho Azy.

وَنَرِثُهُۥ مَا يَقُولُ وَيَأۡتِينَا فَرۡدٗا﴿٨٠

80Ary Izahay no handova izay teneniny, ary Izy kosa dia hiverina samy irery aty Aminay.

وَٱتَّخَذُواْ مِن دُونِ ٱللَّهِ ءَالِهَةٗ لِّيَكُونُواْ لَهُمۡ عِزّٗا﴿٨١

81Ary nandray Zanahary hafa izy ireo ankoatr’i Allah, mba ho tanjaka ho azy ireo.

كَلَّاۚ سَيَكۡفُرُونَ بِعِبَادَتِهِمۡ وَيَكُونُونَ عَلَيۡهِمۡ ضِدًّا﴿٨٢

82Tsia ! Tsy izany velively ! ireo (zanahariny) dia hitsipaka ny fanompoan’izy ireo, ary hitsangana ho fahavalon’izy ireo.

أَلَمۡ تَرَ أَنَّآ أَرۡسَلۡنَا ٱلشَّيَٰطِينَ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ تَؤُزُّهُمۡ أَزّٗا﴿٨٣

83Moa ve tsy hitanao fa Izahay dia nandefa ireo satana ho amin’ireo tsy mpino, izay mandrisika azy ireo (tsy hankato) ?

فَلَا تَعۡجَلۡ عَلَيۡهِمۡۖ إِنَّمَا نَعُدُّ لَهُمۡ عَدّٗا﴿٨٤

84Aza maika hanohitra azy ireo àry Ianao. Marina fa manisa izay rehetra ataon’izy ireo Izahay.

يَوۡمَ نَحۡشُرُ ٱلۡمُتَّقِينَ إِلَى ٱلرَّحۡمَٰنِ وَفۡدٗا﴿٨٥

85(Tsarovinao) ilay Andro izay hamorianay ireo manam-patahorana, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana, amin’ny andiany maromaro (am-boninahitra).

وَنَسُوقُ ٱلۡمُجۡرِمِينَ إِلَىٰ جَهَنَّمَ وِرۡدٗا﴿٨٦

86Ary hatosikay ao amin’ny Afobe ireo mpanao heloka be vava,tahaka ny (andiam-biby) hamonjy fisotroan-drano.

لَّا يَمۡلِكُونَ ٱلشَّفَٰعَةَ إِلَّا مَنِ ٱتَّخَذَ عِندَ ٱلرَّحۡمَٰنِ عَهۡدٗا﴿٨٧

87Tsy hanana fahefana hanelanelana, afa-tsy izay nanao fifanekena tamin’Ilay be Fiantrana.

وَقَالُواْ ٱتَّخَذَ ٱلرَّحۡمَٰنُ وَلَدٗا﴿٨٨

88Ary niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Nandray Zaza lahy ho Zanaka lahy be Fiantrana !”

لَّقَدۡ جِئۡتُمۡ شَيۡـًٔا إِدّٗا﴿٨٩

89Ary tena zavatra maharikoriko izany entinareo izany !

تَكَادُ ٱلسَّمَٰوَٰتُ يَتَفَطَّرۡنَ مِنۡهُ وَتَنشَقُّ ٱلۡأَرۡضُ وَتَخِرُّ ٱلۡجِبَالُ هَدًّا﴿٩٠

90Kely foana no tsy nahavaky ireo lanitra noho izany (teny izany), sy tsy nampitresaka ny tany, ary tsy nandrava ireo tendrombohitra.

أَن دَعَوۡاْ لِلرَّحۡمَٰنِ وَلَدٗا﴿٩١

91Noho izy ireo niantso fa ilay be Fiantrana dia manan-janaka.

وَمَا يَنۢبَغِي لِلرَّحۡمَٰنِ أَن يَتَّخِذَ وَلَدًا﴿٩٢

92Kanefa tsy mendrika velively an’Ilay be Fiantrana ny hanan-janaka !

إِن كُلُّ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ إِلَّآ ءَاتِي ٱلرَّحۡمَٰنِ عَبۡدٗا﴿٩٣

93Tsy inona akory izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ety an-tany, afa-tsy mpanompo, eo anatrehan’Ilay be Fiantrana.

لَّقَدۡ أَحۡصَىٰهُمۡ وَعَدَّهُمۡ عَدّٗا﴿٩٤

94Tena marina fa notanisainy sy voaisany avokoa izy rehetra.

وَكُلُّهُمۡ ءَاتِيهِ يَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ فَرۡدًا﴿٩٥

95Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty), dia hanatona Azy tsirairay amin'izy rehetra.

إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ سَيَجۡعَلُ لَهُمُ ٱلرَّحۡمَٰنُ وُدّٗا﴿٩٦

96Marina fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia hotoloran’ilay be Fiantrana ny fitiavany izy ireo.

فَإِنَّمَا يَسَّرۡنَٰهُ بِلِسَانِكَ لِتُبَشِّرَ بِهِ ٱلۡمُتَّقِينَ وَتُنذِرَ بِهِۦ قَوۡمٗا لُّدّٗا﴿٩٧

97Nataonay ho mora azo (ny Koroany) amin’ny fiteninao, mba hilazanao vaovao mahafaly ho an’ireo izay manam-patahorana,sy hampitandremanao ireo vahoaka be fifandirana.

وَكَمۡ أَهۡلَكۡنَا قَبۡلَهُم مِّن قَرۡنٍ هَلۡ تُحِسُّ مِنۡهُم مِّنۡ أَحَدٍ أَوۡ تَسۡمَعُ لَهُمۡ رِكۡزَۢا﴿٩٨

98Firifiry moa ireo taranaka talohan’izy ireo no naringanay ! Moa ve mahatsikaritra ny iray amin’izy ireo Ianao ? Na koa mandre ny feon’izy ireo ve Ianao ?

RELATED SURAHS