عبس
He Frowned • 42 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Niketrona izy dia nihodina,
2satria tonga teo aminy ilay jamba,
3tsy fantatrao angamba izy tonga mba hanadio ny fanahiny! Sao dia mba misy fahatsampan-tena ao aminy,
4Na koa mahatsapa tena izy amin'ny fahampatsiahivana,
5Ho an'izay manana ny ampy kosa,
6dia nanatona azy am-pahazotoana ianao,
7nefa tsy tsininao ny tsy fahadiovany,
8fa izay tonga nanantona anao am-pahavitrihana kosa,
9sady feno fahatahorana an'I Allah,
10dia tsy noheverinao ny momba azy,
11Tsia! Aza manao toy izany intsony ianao! Raha ny tena marina ity dia fampahatsiahivana fotsiny ihany,
12ka izay maniry izany dia hahatsiaro,
13izay voarakitra ao amin'ny takelaka manan-kaja,
14sy manan-danja ary feno fahadiovana,
15eo am-pelan-tanan'ireo anjely,
16mendrika sy mpakato,
17Loza anie ho an'izay olombelona mikomy ny amin'izany,
18Fa avy tamin'inona moa no nahariana azy?
19avy tamin'ny piti-dranon'aina no nahariana azy, ary avy eo dia nofaritany ny anjaran'io olona io,
20ary avy eo dia nakamorainy ny lalan-kombany,
21Dia nampandaloviny fahafatesana izy ary nalevina,
22koa raha sitrak'I Allah dia mbola hatsangany amin'ny maty izy,
23Nefa indrisy! Fa tsy nanatanteraka ireo izay nandidiana azy izy!
24Aoka anefa ny olombelona handinika ireo sakafo fivelomany,
25nampidiniko ihany koa ny rano sesehena,
26Avy eo, nataoko mba hahavokatra ny tany,
27ka nampitsimoako avy ao ireo voa mahavelona,
28dia ny voaloboka sy ny anana amam-bilona,
29ny hazo ny oliva sy ny hazo ny antrendry
30ireo saha midoroboka,
31voankazo sy karazan'ahitra,
32mba hahasoa anareo sy ireo biby fiompinareo,
33koa rehefa ho tonga ilay antso tsy hifandrenesana,
34amin'ny andro izay handosiran'olombelona ny rahalahiny,
35ny reniny sy ny rainy;
36ary ny vady aman-janany.
37ny olona tsirairay amin'izy ireo, amin'izay andro izay dia ny hahasoa ny tenany no himasoany.
38hisy amin'izany andro izany ireo endrika feno hazavana,
39faly sy mirana,
40ao koa anefa, amin'izay andro izay, ireo endrika mihosom-bovoka,
41sy mivalo mainty,
42Izy ireo no tsy mpino sy tsy mataho-tody,