الملك
The Sovereignty • 30 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Hamasinina anie Ilay manana ny fanjakana eo am-pelatanany fa Izy dia mahefa ny zava-drehetra.
2Ilay Nahary ny fahafatesana sy ny fiainana mba hisedrany anareo,iza aminareo no manao asa tsara indrindra,ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay mpamela heloka.
3Ilay Nahary ny lanitra fito mifanaingina, ka tsy ahitanao fikorontanana amin'izay noharian' Ilay be fiantrana azy. Koa atopazo amin'izany ary ny masonao. Moa mahita hirika kely amin'izany va ianao?
4Avy eo dia atodio in-droa ny masonao, ka hiverina aminao ny Fijeriny, feno fahamenarana sady trotraka.
5Nohaingonay tokoa ny lanitra akaiky indrindra, tamin'ny alalan'ireo jiro (kintana), izay nataonay ho fitorahana ireo devoly, ary dia nanomana ny famaizan'ny afo mamaivay ho azy ireo Izahay.
6Fa izay tsy nino ny Tompony dia hahazo ny famaizan'ny afobe. Fiafarana ratsy tokoa izany !
7Rehefa hatsipy ao izy ireo dia handre taraina ary dia hangotrangotraka ny ao.
8Kely fotsiny no tsy ipoahany, vokatry ny Hatezerany. Isaka izay misy andiany atsipy ao dia manontany ireo mpiambina hoe: "Moa tsy nisy mpampitandrina tonga teo aminareo va ?"
9Dia hoy izy ireo namaly : "Eny ! Nisy tokoa ny mpampitandrina tonga teo aminay, saingy nataonay ho mpandainga, ka hoy izahay : "Tsy nampidina na inona na inona I Allah, fa very lalana tanteraka ianareo".
10Ka hoy izy ireo : "Raha mba nihaino na nisaina mantsy izahay dia tsy ho isan'ireo olon'ny afo mamaivay."
11Nihaiky ny fahotany izy ireo. Ho levona mandrakizay anie ireo olon'ny afo mamaivay.
12Ireo izay matahotra ny Tompony na tsy mahita Azy aza dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.
13Na afeninareo aza ny teninareo na avoakanareo dia fantany tsara izay raiketin'ny fo.
14Tsy ho fantany va izay namboariny kanefa dia Izy no Ilay feno fahamoram-po, Ilay tena mahafantatra.
15Izy no nametraka ny tany ho anareo koa tetezo ary ny fivelarany. Ary mihinàna amin'izay anjaram-pivelomana nomeny anareo. Fa ho any Aminy ny fitsanganana amin'ny maty.
16Voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandentika anareo amin'ny tany va ianareo? Ary indro fa efa mihovitrovitra Izy!
17Sa voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandefa tafio-bato aminareo ? Ary ho fantatrao amin'izany, ahoana ny fampitandremana avy aty Amiko.
18Nilaza izany ho lainga ireo talohan'izy ireo. Nanao ahoana ary ny fanakianako (famaizana)!
19Tsy hitan'izy ireo va ireo voro-manidina eo amboniny, izay mamelatra sy manakombona ny elany? Ilay be fiantrana ihany no mihazona azy ireny, fa mahita ny zavatra rehetra tokoa Izy.
20Iza no hanangana tafika ho anareo, hamonjy anareo, ankoatran'ilay be fiantrana? Hamafisina, fa ao anatin'ny hadisoam-pahitana tanteraka ireo tsy mpino.
21Na koa iza no hanome anjaram-pivelomana anareo, raha mitsahatra tsy manome izany Izy ? Saingy mikiry amin'ny famingavingana sy ny fankahalana izy ireo.
22Iza àry no tena voatari-dalana? Izay mandeha miondrika amin'ny tany va sa izay mandeha mitraka amin'ny lalana mahitsy?
23Dia lazao hoe: "Izy no nahary anareo, ka nanome anareo ny fandrenesana, ny fahitana sy ny fo". Nefa zara raha mankasitraka ianareo!
24Ary lazao hoe : "Izy no nanaparitaka anareo teto an-tany, ary any Aminy no hanangonana anareo."
25Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”
26Valio hoe : "An'I Allah irery ny fahalalana ny amin'izany. Fa izaho dia mpampitandrina mazava ihany no anjarako."
27Fa rehefa hahita akaiky izy ireo dia ho malok'endrika ireo tsy mpino. Ary dia ambara amin'izy ireo hoe : " Indro Izahay notadiavinareo !"
28Dia lazao hoe : " Ahoana ny hevitrareo ? Raha ho vonoin'I Allah aho sy ireo miaraka amiko, na hamindra fo aminay Izy. Fa iza kosa àry no mba hiaro ireo tsy mpino amin'ny famaizana mamirifiry ?"
29Lazao hoe: " Izy no Ilay be fiantrana. Mino Azy izahay, ary Izy no ianteheranay. Ho fantatrareo tsy ho ela izay ho any amin'ny fahaverezana tanteraka".
30Lazao hoe : “Fa ahoana ny hevitrareo? Raha milentika any amin’ny farany lalina indrindra any anaty tany ny rano, dia iza àry no hitondra loharano ho anareo?”