Al-Qalam

القلم

The Pen52 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

نٓۚ وَٱلۡقَلَمِ وَمَا يَسۡطُرُونَ﴿١

1Noun; Mianiana amin'ny penina sy izay nosoratan'izy ireo aho !

مَآ أَنتَ بِنِعۡمَةِ رَبِّكَ بِمَجۡنُونٖ﴿٢

2Fa tsy adala akory ianao nohon'ny fahasoavan'i Tomponao.

وَإِنَّ لَكَ لَأَجۡرًا غَيۡرَ مَمۡنُونٖ﴿٣

3Ary hamafisina fa hisy valisoa tsy hitsahatra mihitsy ho anao.

وَإِنَّكَ لَعَلَىٰ خُلُقٍ عَظِيمٖ﴿٤

4Hamafisina fa ianao dia ambony toetra mendrika tokoa.

فَسَتُبۡصِرُ وَيُبۡصِرُونَ﴿٥

5Ho hitanao ary ho hitan'izy ireo ihany koa.

بِأَييِّكُمُ ٱلۡمَفۡتُونُ﴿٦

6Fa iza aminareo no very saina ?

إِنَّ رَبَّكَ هُوَ أَعۡلَمُ بِمَن ضَلَّ عَن سَبِيلِهِۦ وَهُوَ أَعۡلَمُ بِٱلۡمُهۡتَدِينَ﴿٧

7Ny Tomponao no tena mahafantatra izay very lalana ary fantany ireo mankany amin'ny lalana mahitsy.

فَلَا تُطِعِ ٱلۡمُكَذِّبِينَ﴿٨

8Koa aoka ianao tsy hankato ireo mpilaza lainga.

وَدُّواْ لَوۡ تُدۡهِنُ فَيُدۡهِنُونَ﴿٩

9Fa tian'izy ireo raha mandefitra amin'izy ireo ianao mba handeferan'izy ireo aminao.

وَلَا تُطِعۡ كُلَّ حَلَّافٖ مَّهِينٍ﴿١٠

10Koa aza mankato ireo fatra mpanozona, mendrika ho tevahina.

هَمَّازٖ مَّشَّآءِۭ بِنَمِيمٖ﴿١١

11Mpanala baraka, mpanendrikendrika.

مَّنَّاعٖ لِّلۡخَيۡرِ مُعۡتَدٍ أَثِيمٍ﴿١٢

12Mpanakana ny tsara , mpandika lalàna , mpanota.

عُتُلِّۭ بَعۡدَ ذَٰلِكَ زَنِيمٍ﴿١٣

13Mafy fo, ary ankoatr'izany dia tsy manan-dray.

أَن كَانَ ذَا مَالٖ وَبَنِينَ﴿١٤

14Na dia manana harena sy zaza maro aza izy.

إِذَا تُتۡلَىٰ عَلَيۡهِ ءَايَٰتُنَا قَالَ أَسَٰطِيرُ ٱلۡأَوَّلِينَ﴿١٥

15Koa rehefa torina aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.

سَنَسِمُهُۥ عَلَى ٱلۡخُرۡطُومِ﴿١٦

16Asinay famantarana eo amin'ny vavany.

إِنَّا بَلَوۡنَٰهُمۡ كَمَا بَلَوۡنَآ أَصۡحَٰبَ ٱلۡجَنَّةِ إِذۡ أَقۡسَمُواْ لَيَصۡرِمُنَّهَا مُصۡبِحِينَ﴿١٧

17Nosedranay izy ireo tahaka ny nosedranay ireo Tompon'ny saha, izay niozona fa hanao fiotazana ny maraina.

وَلَا يَسۡتَثۡنُونَ﴿١٨

18Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany.

فَطَافَ عَلَيۡهَا طَآئِفٞ مِّن رَّبِّكَ وَهُمۡ نَآئِمُونَ﴿١٩

19Ka nisy loza avy any amin'i Tomponao ary nilatsaka nandritra ny natorian'izy ireo.

فَأَصۡبَحَتۡ كَٱلصَّرِيمِ﴿٢٠

20Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra.

فَتَنَادَوۡاْ مُصۡبِحِينَ﴿٢١

21Nifampiantso izy ireo ny maraina.

أَنِ ٱغۡدُواْ عَلَىٰ حَرۡثِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰرِمِينَ﴿٢٢

22Mandehana vao maraina any an-tsaha ianareo, raha te-hioty ny vokatra.

فَٱنطَلَقُواْ وَهُمۡ يَتَخَٰفَتُونَ﴿٢٣

23Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe :

أَن لَّا يَدۡخُلَنَّهَا ٱلۡيَوۡمَ عَلَيۡكُم مِّسۡكِينٞ﴿٢٤

24Aza avelanareo hidiran'ireo mahantra mihitsy ao androany.

وَغَدَوۡاْ عَلَىٰ حَرۡدٖ قَٰدِرِينَ﴿٢٥

25Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany.

فَلَمَّا رَأَوۡهَا قَالُوٓاْ إِنَّا لَضَآلُّونَ﴿٢٦

26Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika.

بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ﴿٢٧

27Na tena niala maina isika.

قَالَ أَوۡسَطُهُمۡ أَلَمۡ أَقُل لَّكُمۡ لَوۡلَا تُسَبِّحُونَ﴿٢٨

28Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : "Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo"

قَالُواْ سُبۡحَٰنَ رَبِّنَآ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ﴿٢٩

29Dia hoy izy ireo : "Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay."

فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَلَٰوَمُونَ﴿٣٠

30Avy eo dia nifampitodika izy ireo nifanome tsiny.

قَالُواْ يَٰوَيۡلَنَآ إِنَّا كُنَّا طَٰغِينَ﴿٣١

31Ka hoy izy ireo : "loza ho anay ! Nikomy tokoa izahay !"

عَسَىٰ رَبُّنَآ أَن يُبۡدِلَنَا خَيۡرٗا مِّنۡهَآ إِنَّآ إِلَىٰ رَبِّنَا رَٰغِبُونَ﴿٣٢

32Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay.

كَذَٰلِكَ ٱلۡعَذَابُۖ وَلَعَذَابُ ٱلۡأٓخِرَةِ أَكۡبَرُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ﴿٣٣

33Toy izany ny famaizana, fa lehibe noho izany ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr'izy ireo mantsy !

إِنَّ لِلۡمُتَّقِينَ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ﴿٣٤

34Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana.

أَفَنَجۡعَلُ ٱلۡمُسۡلِمِينَ كَٱلۡمُجۡرِمِينَ﴿٣٥

35Moa va ataonay tahaka ireo mpanao ratsy ireo mpankato?

مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ﴿٣٦

36Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ?

أَمۡ لَكُمۡ كِتَٰبٞ فِيهِ تَدۡرُسُونَ﴿٣٧

37Sa manana Boky hianarana kosa va ianareo ?

إِنَّ لَكُمۡ فِيهِ لَمَا تَخَيَّرُونَ﴿٣٨

38Ka ho azonareo amin'izany izay irinareo ?

أَمۡ لَكُمۡ أَيۡمَٰنٌ عَلَيۡنَا بَٰلِغَةٌ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ إِنَّ لَكُمۡ لَمَا تَحۡكُمُونَ﴿٣٩

39Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ?

سَلۡهُمۡ أَيُّهُم بِذَٰلِكَ زَعِيمٌ﴿٤٠

40Anontanio azy ireo izay hiantoka izany aminy.

أَمۡ لَهُمۡ شُرَكَآءُ فَلۡيَأۡتُواْ بِشُرَكَآئِهِمۡ إِن كَانُواْ صَٰدِقِينَ﴿٤١

41Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo !

يَوۡمَ يُكۡشَفُ عَن سَاقٖ وَيُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلسُّجُودِ فَلَا يَسۡتَطِيعُونَ﴿٤٢

42Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo.

خَٰشِعَةً أَبۡصَٰرُهُمۡ تَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٞۖ وَقَدۡ كَانُواْ يُدۡعَوۡنَ إِلَى ٱلسُّجُودِ وَهُمۡ سَٰلِمُونَ﴿٤٣

43Dia hiondrika ny fijerin'izy ireo, ary hanarona azy ny fahafaham-baraka, kanefa dia nantsoina ho amin'ny fiankohofana izy ireo tamin'ny fotoana nahasalama azy ireo.

فَذَرۡنِي وَمَن يُكَذِّبُ بِهَٰذَا ٱلۡحَدِيثِۖ سَنَسۡتَدۡرِجُهُم مِّنۡ حَيۡثُ لَا يَعۡلَمُونَ﴿٤٤

44Avelao ary aho hiaraka amin'izay miampanga ity lahateny ity ho lainga, fa ho entinay miandalana amin'izay tsy fantany izy ireo !

وَأُمۡلِي لَهُمۡۚ إِنَّ كَيۡدِي مَتِينٌ﴿٤٥

45Ka omeko fe-potoana izy ireo fa tena azo antoka tokoa ny tetiko !

أَمۡ تَسۡـَٔلُهُمۡ أَجۡرٗا فَهُم مِّن مَّغۡرَمٖ مُّثۡقَلُونَ﴿٤٦

46Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao hany ka vesaran-trosa maro izy ireo ?

أَمۡ عِندَهُمُ ٱلۡغَيۡبُ فَهُمۡ يَكۡتُبُونَ﴿٤٧

47Sa fantatr'izy ireo va ny zava-miafina ; ka avy amin'izany no anoratany (ny laingany).

فَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ وَلَا تَكُن كَصَاحِبِ ٱلۡحُوتِ إِذۡ نَادَىٰ وَهُوَ مَكۡظُومٞ﴿٤٨

48Zakao amim-paharetana ny didin'ny Tomponao, fa aza manao tahaka ilay olon'ny trondro (jonasy), izay niantso an'I Allah tao anatin'ny tebiteby mafy.

لَّوۡلَآ أَن تَدَٰرَكَهُۥ نِعۡمَةٞ مِّن رَّبِّهِۦ لَنُبِذَ بِٱلۡعَرَآءِ وَهُوَ مَذۡمُومٞ﴿٤٩

49Raha tsy tonga taminy ny fitahiana avy amin'ny Tompony dia ho voatsipy, ka afa-baraka teny amin'ny tany tsy misy olona izy.

فَٱجۡتَبَٰهُ رَبُّهُۥ فَجَعَلَهُۥ مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ﴿٥٠

50Dia nofidin'ny Tompony izy, ka nataony ho isan'ireo olo-mendrika.

وَإِن يَكَادُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَيُزۡلِقُونَكَ بِأَبۡصَٰرِهِمۡ لَمَّا سَمِعُواْ ٱلذِّكۡرَ وَيَقُولُونَ إِنَّهُۥ لَمَجۡنُونٞ﴿٥١

51Kely fotsiny no tsy handratran'ireo tsy mpino anao amin'ny fijeriny (feno fahatezerana), rehefa mandre ny fampahatsiarovana izy ireo, ka miteny hoe: "Tena adala tokoa izy!"

وَمَا هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ﴿٥٢

52Ary tsy inona izany fa fampahatsiarovana ihany ho an'izao tontolo izao.

RELATED SURAHS