الهمزة
The Gossipmonger • 9 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Loza ho an'izay mpanendrikendrika sy mpifosa !
2Izay nanangona harena sy nanisa izany.
3Mihevitra izy fa ny harena dia hampaharitra azy mandrakizay.
4Tsia ! Tsy maintsy hatsipiko ao anaty Afo izy.
5Moa fantatrao va izany Afo izany ?
6Izany dia Afon'I Allah miredareda !
7izay miantefa hatrany am-po.
8Ka hanepotra azy ireo.
9Ao anaty fefy mijoalajoala no sady mivelatra.