التغابن
The Mutual Disillusion • 18 ayahs • Medinan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Manome voninahitra an’Allah izay any an-danitra sy ety an-tany. Azy ny fanjakana, ary Azy ny fiderana, fa mahefa ny zava-drehetra Izy.
2Izy no nahary anareo, misy aminareo ny tsy mpino ary misy aminareo ny mpino, fa hitan’Allah izay ataonareo.
3Nahary ny lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana tokoa Izy ka nanome endrika anareo, ary endrika tsara tokoa no nomeny anareo ! Ary any Aminy no fiafarana.
4Fantany izay any an-danitra sy ety an-tany, ary fantany ihany koa izay afeninareo sy izay abaribarinareo, ary fantatr’ Allah tsara izay raketin’ny fo.
5Tsy tonga taminareo va, ny vaovao mikasika ireo tsy nino taloha, ka nanandrana ny voka-dratsin’izay nataony ; ary mbola hahazo famaizana mamirifiry izy ireo.
6Toy izany no niseho satria tonga niaraka tamin’ny porofo mazava ireo Iraka, ka hoy izy ireo : Olombelona va no hitari-dalana anay ? Tsy nino izy ireo, ka nivily lalana. Tsy nila azy ireo anefa Allah, fa Tompon’ny harena sy mendri-piderana Izy.
7Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy ireo. Koa valio hoe : Eny amin’ny anaran’ny Tompoko ! Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty tokoa ianareo, ka hilazana izay nataonareo fa mora amin’Allah izany.
8Minoa an’I Allah sy ny Irany àry ianareo, ary ny fahazavana izay nampidininay fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Allah.
9Ny andro hamoriany anareo amin’ilay andro fivoriana dia izany no andron’ny fatiantoka lehibe fa izay mino an’Allah sy manao asa soa, dia ho foana ireo asa ratsiny, ka hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny izy ireo, izay honenany mandrakizay doria. Izany no fahombiazana lehibe indrindra !
10Fa izay tsy mino kosa, ka niampanga ireo andininy avy Aminay ho lainga, dia izy ireo no olon’ny afo, izay onenany mandrakizay;ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !
11Tsy misy loza mahazo ny olona, raha tsy alalana avy amin’Allah fa izay mino an’Andriamanitra dia hitari-dalana ny fony Izy. Mahalala ny zava-drehetra Allah.
12Aoka ianareo hankato an’Allah sy ny Irany, fa raha mivily lalana ianareo dia ny fampitana mazava ihany no andraikitry ny Irakay.
13Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ! Ary amin’I Allah no aoka ianteheran’ireo mpino.
14O anareo mpino ! Misy amin’ireo vadinareo sy ny zanakareo no fahavalonareo. Koa mitandrema ianareo amin’izy ireo, fa raha leferinareo ny tsinin’izy ireo, adinonareo ny hadisoany, ary avelanareo ny helony, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be Indrafo Allah.
15Fitsapana fotsiny ihany ny fanananareo sy ny zanakareo, fa any amin’Allah no misy ny valisoa lehibe.
16Matahora an'Allah arak'izay vitanareo, henoy Izy, ankatoavy, ary manaova fanomezana an-kahalalana, fa soa ho anareo izany, ary na iza na iza voaaro amin'ny fahihirana tafahoatra dia izy ireo no mahita fahombiazana.
17Raha manao fampindramana an-tsitram-po amin'Allah ianareo dia hampitomboiny ho anareo izany, ary avelany ny helokareo, fa mpankasitraka sy be fangorahana tokoa Allah.
18Izy no ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny miharihary, ary Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.