الطلاق
The Divorce • 12 ayahs • Medinan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Ry mpaminany ! Rehefa sarahanareo ireo vehivavy dia saraho mifanaraka amin’ny fotoana fiandrasana efa voafetra izy; ary aoka ianareo hanisa ny fe-potoana, matahora an’I Allah Tomponareo ianareo. Aza roahina amin’ny tranony izy ireny, ary aoka tsy hivoaka ao, raha tsy nanao fitondran-tena maloto voaporofo.Izany no didin’I Allah fa izay mandika ny didin’Allah dia manao ny tsy rariny amin’ny tenany ihany. Tsy fantatrao, raha hampiseho zavatra hafa aorian’izany Allah.
2Ary rehefa mahatratra ny fotoana efa voafetra izy ireo dia tazony amin’ny fomba mendrika, na saraho amin’ny fomba mendrika ihany koa, ary dia makà lehilahy roa mpandala ny rariny eo aminareo mba ho vavolombelona. Ka ataovy eo anatrehan’I Allah ny fijoroana ho vavolombelona.Izany no ananarana izay mino an’I Allah sy ny andro farany fa izay matahotra an’I Allah dia omeny vahaolana tsara.
3Ary hotolorany anjaram-pahasoavana amin’ny fomba tsy ampoiziny, izay miantehitra amin’I Allah dia ampy ho azy Izy. Tanterao ny baikon'Allah, fa efa nasian’Allah fetra ny zava-drehetra.
4Raha nisalasala ianareo mikasika ny vadinareo izay tsy manantena fadim-bolana intsony dia telo volana ny fe-potoana. Toy izany koa ho an’ireo mbola tsy mandeha fadim-bolana. Fa ho an’ireo mitoe-jaza kosa, dia amin’ny fiterahany ny fe-potoana fiandrasana. Ho an’izay matahotra an’i Allah anefa dia ankamorany izany.
5Izany no baikon’Allah nampidininy ho anareo. Ho an’izay matahotra an’Allah kosa dia foanany ny hadisoany ary omeny valisoa lehibe izy ireo.
6Ary ataovy izay hitoeran’ireny vehivavy ireny amin’izay itoeranareo, araka izay fahefanareo, fa aza mitady hanisy ratsy azy amin’ny fanerena azy ireny hipetraka amin’ny fahaterena, ary raha mitoe-jaza izy, dia omeo izay ilainy hatramin’ny fiterahany. Fa raha mampinono ny zanakareo izy, dia omeo azy ny karamany. Mifampidiniha amim-pahamendrehana mikasika izany ianareo. Fa raha misy olana eo aminareo dia vehivavy hafa no mampinono ny zaza.
7Aoka hanao fandaniana amin’ny hareny, izay manana izany, fa izay manana ny kely kosa, aoka hanao fandaniana araka izay nomen’Allah azy. Tsy manery na iza na iza hanao mihoatra izay nomena azy Allah, ary ampanarahan’Allah aorian’ny fahasarotana ny fahamorana.
8Ary irifiry ireo tanàna no nandà ny didin’Allah sy ireo Irany. Nangatahanay tatitra hentitra izy ireo, ary nofaizinay tamin'ny famaizana tsy hay lazaina.
9Dia nanandrana ny vokatry ny fitondran-tenany izy ireo. Fa fahaverezana no vokatra farany tamin’izay nataony.
10Nanomana fanasaziana mafy ho azy ireo Allah;matahora an’Allah àry ianareo ry manan-tsaina, izay manam-pinoana. Nampidina fampahatsiarovana taminareo tokoa Allah.
11Ireo iraka izay nilaza ireo andininy avy amin'I Allah, ho porofo mazava, mba hamoahana ireo mino sy manao asa soa avy ao amin’ny haizina, ho amin’ny hazavana, fa izay mino an’I Allah sy manao ny soa, dia hampidiriny ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay doria, anjaram-pahasoavana tsara no hatolotr'I Allah ho azy.
12Allah no nahary ny lanitra fito sy ny tany mitovy amin'izany. Midina eo anelanelan’izy ireo ny didiny, mba hahafantaranareo, fa mahefa ny zava-drehetra tokoa Allah, ary manenika ny zava-drehetra ny fahalalany.