Al-Haqqah

الحاقة

The Inevitable52 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

ٱلۡحَآقَّةُ﴿١

1Ilay tsy azo ialana (isehoan'ny marina).

مَا ٱلۡحَآقَّةُ﴿٢

2Ka inona no tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا ٱلۡحَآقَّةُ﴿٣

3Ary iza no hilaza aminao ny amin'ny hoe tsy azo ialana (isehoan'ny marina)?

كَذَّبَتۡ ثَمُودُ وَعَادُۢ بِٱلۡقَارِعَةِ﴿٤

4Nolazain'ireo Thamod sy ireo Aad ho lainga ireo loza.

فَأَمَّا ثَمُودُ فَأُهۡلِكُواْ بِٱلطَّاغِيَةِ﴿٥

5Ary ny Thamod dia ravan'ny hiaka tena mafy izy ireo.

وَأَمَّا عَادٞ فَأُهۡلِكُواْ بِرِيحٖ صَرۡصَرٍ عَاتِيَةٖ﴿٦

6Fa ireo Aad indray dia ravan'ny rivotra mifofofofo ankatezerana izy ireo.

سَخَّرَهَا عَلَيۡهِمۡ سَبۡعَ لَيَالٖ وَثَمَٰنِيَةَ أَيَّامٍ حُسُومٗاۖ فَتَرَى ٱلۡقَوۡمَ فِيهَا صَرۡعَىٰ كَأَنَّهُمۡ أَعۡجَازُ نَخۡلٍ خَاوِيَةٖ﴿٧

7Ka nasafotofotony nandritran'ny fito alina, sy valo andro mifanarakaraka izy ireo ; dia hitanao mianjera amin'ny tany ireo olona, tahaka ny vodihazo "palma" poakaty.

فَهَلۡ تَرَىٰ لَهُم مِّنۢ بَاقِيَةٖ﴿٨

8Mbola misy hitanao tavela va izy ireo ?

وَجَآءَ فِرۡعَوۡنُ وَمَن قَبۡلَهُۥ وَٱلۡمُؤۡتَفِكَٰتُ بِٱلۡخَاطِئَةِ﴿٩

9Ary tonga i Faraona sy ny teo alohany ary ireo tanàna noravana dia samy nanao fahotana avokoa.

فَعَصَوۡاْ رَسُولَ رَبِّهِمۡ فَأَخَذَهُمۡ أَخۡذَةٗ رَّابِيَةً﴿١٠

10Tsy nankato ny Iraky ny Tompony izy ireo, ka nosaziany tamin'ny fomba tsy ahafahany manohitra.

إِنَّا لَمَّا طَغَا ٱلۡمَآءُ حَمَلۡنَٰكُمۡ فِي ٱلۡجَارِيَةِ﴿١١

11Rehefa tondraka ny rano dia Izahay no nampiditra anareo tao anatin'ny sambofiara.

لِنَجۡعَلَهَا لَكُمۡ تَذۡكِرَةٗ وَتَعِيَهَآ أُذُنٞ وَٰعِيَةٞ﴿١٢

12Mba hataonay fampahatsiarovana ho anareo, ka ho voatahirin'ny sofina mahare tsara.

فَإِذَا نُفِخَ فِي ٱلصُّورِ نَفۡخَةٞ وَٰحِدَةٞ﴿١٣

13Ka rehefa ho tsofina amin'ny feo tokana ny anjomara.

وَحُمِلَتِ ٱلۡأَرۡضُ وَٱلۡجِبَالُ فَدُكَّتَا دَكَّةٗ وَٰحِدَةٗ﴿١٤

14Ary dia voahainga sy hazera indray mandeha ny tany sy ireo tendrombohitra.

فَيَوۡمَئِذٖ وَقَعَتِ ٱلۡوَاقِعَةُ﴿١٥

15Amin'izay andro izay dia hiseho ilay toe-javatra.

وَٱنشَقَّتِ ٱلسَّمَآءُ فَهِيَ يَوۡمَئِذٖ وَاهِيَةٞ﴿١٦

16Ary hitriatra ny lanitra, sady ho mora rava izy amin'io andro io.

وَٱلۡمَلَكُ عَلَىٰٓ أَرۡجَآئِهَاۚ وَيَحۡمِلُ عَرۡشَ رَبِّكَ فَوۡقَهُمۡ يَوۡمَئِذٖ ثَمَٰنِيَةٞ﴿١٧

17Ary eo andanin'izany ireo, anjely ny valo hilanja ny seza fiandrianan'ny Tomponao amin'io andro io.

يَوۡمَئِذٖ تُعۡرَضُونَ لَا تَخۡفَىٰ مِنكُمۡ خَافِيَةٞ﴿١٨

18Haseho ianareo amin'io andro io ; ary tsy hisy hiafina ny aminareo.

فَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِيَمِينِهِۦ فَيَقُولُ هَآؤُمُ ٱقۡرَءُواْ كِتَٰبِيَهۡ﴿١٩

19Fa ilay nomena ny bokiny amin'ny tanany ankavanana kosa, dia hiteny hoe : "Jereo ! Vakinareo ny bokiko."

إِنِّي ظَنَنتُ أَنِّي مُلَٰقٍ حِسَابِيَهۡ﴿٢٠

20Azoko antoka fa ho hitako ao ny tatitra momba ahy.

فَهُوَ فِي عِيشَةٖ رَّاضِيَةٖ﴿٢١

21Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy !

فِي جَنَّةٍ عَالِيَةٖ﴿٢٢

22Hiditra ny Paradisa mendrika tokoa.

قُطُوفُهَا دَانِيَةٞ﴿٢٣

23Izay misy voankazo azo takarina amin'ny tanana.

كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَآ أَسۡلَفۡتُمۡ فِي ٱلۡأَيَّامِ ٱلۡخَالِيَةِ﴿٢٤

24Mihinàna sy misotroa amim-pahafinaretana ianareo, noho izay efa nataonareo taloha.

وَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِشِمَالِهِۦ فَيَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي لَمۡ أُوتَ كِتَٰبِيَهۡ﴿٢٥

25Fa izay hanolorana ny bokiny amin'ny tanany an-kavia kosa, dia hiteny hoe : "Indrisy mantsy ! Naleoko tsy natolotra ahy ny bokiko".

وَلَمۡ أَدۡرِ مَا حِسَابِيَهۡ﴿٢٦

26Ka tsy nahafantarako ny tatitra momba ahy !

يَٰلَيۡتَهَا كَانَتِ ٱلۡقَاضِيَةَ﴿٢٧

27Indrisy, naleoko ihany nifarana tanteraka tamin'ny fahafatesako voalohany.

مَآ أَغۡنَىٰ عَنِّي مَالِيَهۡۜ﴿٢٨

28Fa tsy nisy nilaivako ny harenako.

هَلَكَ عَنِّي سُلۡطَٰنِيَهۡ﴿٢٩

29"Rava ny fahefako ka nandao ahy !"

خُذُوهُ فَغُلُّوهُ﴿٣٠

30Raisinareo izy ! Ka asio gadra vy.

ثُمَّ ٱلۡجَحِيمَ صَلُّوهُ﴿٣١

31Avy eo dia doroy any amin’ny afo mamaivay.

ثُمَّ فِي سِلۡسِلَةٖ ذَرۡعُهَا سَبۡعُونَ ذِرَاعٗا فَٱسۡلُكُوهُ﴿٣٢

32Ary dia fatory amin’ny rojo mirefy fitopolo kiho.

إِنَّهُۥ كَانَ لَا يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ ٱلۡعَظِيمِ﴿٣٣

33Satria tsy nino an'I Allah ilay tena Lehibe izy ireo.

وَلَا يَحُضُّ عَلَىٰ طَعَامِ ٱلۡمِسۡكِينِ﴿٣٤

34Ary tsy namporisika hanome sakafo ho an’ny mahantra.

فَلَيۡسَ لَهُ ٱلۡيَوۡمَ هَٰهُنَا حَمِيمٞ﴿٣٥

35Tsy misy namana mihitsy izy eto anio.

وَلَا طَعَامٌ إِلَّا مِنۡ غِسۡلِينٖ﴿٣٦

36Ary tsisy sakafo hafa afa-tsy nàna.

لَّا يَأۡكُلُهُۥٓ إِلَّا ٱلۡخَٰطِـُٔونَ﴿٣٧

37Ireo meloka ihany no hihinana izany.

فَلَآ أُقۡسِمُ بِمَا تُبۡصِرُونَ﴿٣٨

38Tsia;mianiana amin’izay hitanareo Aho.

وَمَا لَا تُبۡصِرُونَ﴿٣٩

39Sy amin’izay tsy hitanareo ihany koa.

إِنَّهُۥ لَقَوۡلُ رَسُولٖ كَرِيمٖ﴿٤٠

40Fa tenin’i Iraka iray mendri-kaja izany (Kor’any).

وَمَا هُوَ بِقَوۡلِ شَاعِرٖۚ قَلِيلٗا مَّا تُؤۡمِنُونَ﴿٤١

41Fa tsy tenin'ny mpanao tononkalo akory, saingy zara raha mino ianareo.

وَلَا بِقَوۡلِ كَاهِنٖۚ قَلِيلٗا مَّا تَذَكَّرُونَ﴿٤٢

42Ary tsy tenin’ny mpisikidy; saingy zara raha mahatsiaro ianareo.

تَنزِيلٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿٤٣

43Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao izany.

وَلَوۡ تَقَوَّلَ عَلَيۡنَا بَعۡضَ ٱلۡأَقَاوِيلِ﴿٤٤

44Ka raha namorona teny hafa izy, nitenenany Anay.

لَأَخَذۡنَا مِنۡهُ بِٱلۡيَمِينِ﴿٤٥

45Dia noraisinay tamin’ny tanana an-kavanana izy.

ثُمَّ لَقَطَعۡنَا مِنۡهُ ٱلۡوَتِينَ﴿٤٦

46Avy eo dia notapahanay ny lalan-drà lehibe taminy (mifandray amin’ny fo).

فَمَا مِنكُم مِّنۡ أَحَدٍ عَنۡهُ حَٰجِزِينَ﴿٤٧

47Ka tsy nisy afaka niaro azy ianareo.

وَإِنَّهُۥ لَتَذۡكِرَةٞ لِّلۡمُتَّقِينَ﴿٤٨

48Hamafisina, fa fampahatsiarovana ho an’ireo vontom-pinoana izany.

وَإِنَّا لَنَعۡلَمُ أَنَّ مِنكُم مُّكَذِّبِينَ﴿٤٩

49Ary fantatray fa misy miampanga izany ho lainga aminareo.

وَإِنَّهُۥ لَحَسۡرَةٌ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ﴿٥٠

50Ary fahanenenana ho an’ireo tsy mpino tokoa izany.

وَإِنَّهُۥ لَحَقُّ ٱلۡيَقِينِ﴿٥١

51Ary izany no tena marina azo antoka.

فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ﴿٥٢

52Omeo voninahitra àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !

RELATED SURAHS