At-Tur

الطور

The Mount49 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلطُّورِ﴿١

1Mianiana amin’ny tendrombohitra ‘’ Toor ’’ Aho.

وَكِتَٰبٖ مَّسۡطُورٖ﴿٢

2Amin’ny boky voasoratra,

فِي رَقّٖ مَّنشُورٖ﴿٣

3Ao amin’ny taratasy mivelatra,

وَٱلۡبَيۡتِ ٱلۡمَعۡمُورِ﴿٤

4Amin’ilay trano feno,

وَٱلسَّقۡفِ ٱلۡمَرۡفُوعِ﴿٥

5Amin’ny lanitra ambony.

وَٱلۡبَحۡرِ ٱلۡمَسۡجُورِ﴿٦

6Amin’ny ranomasina ampangotrahana (amin’ny andro farany)

إِنَّ عَذَابَ رَبِّكَ لَوَٰقِعٞ﴿٧

7Fa tsy maintsy hitranga ny famaizan’ny Tomponao.

مَّا لَهُۥ مِن دَافِعٖ﴿٨

8Tsy misy afaka hisakana izany.

يَوۡمَ تَمُورُ ٱلسَّمَآءُ مَوۡرٗا﴿٩

9Amin’ny andro hampikorontana tanteraka ny lanitra.

وَتَسِيرُ ٱلۡجِبَالُ سَيۡرٗا﴿١٠

10Ary andehanan’ireo tendrombohitra.

فَوَيۡلٞ يَوۡمَئِذٖ لِّلۡمُكَذِّبِينَ﴿١١

11Amin’izany andro izany, dia loza ho an’ireo nilaza lainga (ny famantarana avy amin’Allah)

ٱلَّذِينَ هُمۡ فِي خَوۡضٖ يَلۡعَبُونَ﴿١٢

12Ireo izay nandany andro amin’ny resaka tsy misy antony,

يَوۡمَ يُدَعُّونَ إِلَىٰ نَارِ جَهَنَّمَ دَعًّا﴿١٣

13Amin’ny andro izay hanosehana azy ireo an-keriny, ho any amin’ny afon’ny helo.

هَٰذِهِ ٱلنَّارُ ٱلَّتِي كُنتُم بِهَا تُكَذِّبُونَ﴿١٤

14Indro ny afo, izay noheverinareo ho lainga.

أَفَسِحۡرٌ هَٰذَآ أَمۡ أَنتُمۡ لَا تُبۡصِرُونَ﴿١٥

15Majika va izany, sa ianareo no tsy mahita tsara ?

ٱصۡلَوۡهَا فَٱصۡبِرُوٓاْ أَوۡ لَا تَصۡبِرُواْ سَوَآءٌ عَلَيۡكُمۡۖ إِنَّمَا تُجۡزَوۡنَ مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ﴿١٦

16Miareta ao ianareo ! Na miaritra ianareo na tsy miaritra, dia mitovy ihany izany ho anareo, fa araka izay nataonareo no amaliana anareo.

إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَنَعِيمٖ﴿١٧

17Ho ao amin’ireo zaridaina sy fahasambarana ireo vontom-pinoana,

فَٰكِهِينَ بِمَآ ءَاتَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ وَوَقَىٰهُمۡ رَبُّهُمۡ عَذَابَ ٱلۡجَحِيمِ﴿١٨

18Hifaly izy ireo amin’izay homen’ny Tompony azy, ary harovan’ny Tompony amin’ny famaizan’ny afo mamaivay izy ireo.

كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ﴿١٩

19Koa mihinana ary misotroa amim-pilaminana ianareo, ho valisoa tamin’izay nataonareo.

مُتَّكِـِٔينَ عَلَىٰ سُرُرٖ مَّصۡفُوفَةٖۖ وَزَوَّجۡنَٰهُم بِحُورٍ عِينٖ﴿٢٠

20Mitehin-kiho eo ambony fandriana tsara lamina, ary dia homenay tovovavy baribarimaso ho vady izy ireo.

وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَٱتَّبَعَتۡهُمۡ ذُرِّيَّتُهُم بِإِيمَٰنٍ أَلۡحَقۡنَا بِهِمۡ ذُرِّيَّتَهُمۡ وَمَآ أَلَتۡنَٰهُم مِّنۡ عَمَلِهِم مِّن شَيۡءٖۚ كُلُّ ٱمۡرِيِٕۭ بِمَا كَسَبَ رَهِينٞ﴿٢١

21Ireo izay mino, ka narahin’ny taranany tamin’ny finoana, dia hataonay izay hihaonan’ny taranany amin’izy ireo. Ary tsy hahenanay velively ny fahamendrehan’ny asa izay nataony, fa samy tompon’andraikitra amin’izay nataony ny tsirairay.

وَأَمۡدَدۡنَٰهُم بِفَٰكِهَةٖ وَلَحۡمٖ مِّمَّا يَشۡتَهُونَ﴿٢٢

22Ho vatsianay voankazo sy hena maro izay tadiaviny izy ireo.

يَتَنَٰزَعُونَ فِيهَا كَأۡسٗا لَّا لَغۡوٞ فِيهَا وَلَا تَأۡثِيمٞ﴿٢٣

23Hifanolotra kapoaka izy ireo ao, ka tsy hiteraka fihamboana izany, na fanomezan-tsiny.

۞ وَيَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ غِلۡمَانٞ لَّهُمۡ كَأَنَّهُمۡ لُؤۡلُؤٞ مَّكۡنُونٞ﴿٢٤

24Dia hisy tovolahy hivezivezy ao, hiasa ho azy ireo, toy ireny vatosoa tsara tahiry.

وَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ﴿٢٥

25Ary hifampitodika izy ireo hifanontany.

قَالُوٓاْ إِنَّا كُنَّا قَبۡلُ فِيٓ أَهۡلِنَا مُشۡفِقِينَ﴿٢٦

26ka hiteny izy ireo hoe : ‘’ Niaina tao anatin’ny tahotra isika, teo amin’ny fianakaviantsika."

فَمَنَّ ٱللَّهُ عَلَيۡنَا وَوَقَىٰنَا عَذَابَ ٱلسَّمُومِ﴿٢٧

27Ka nomen’I Allah tombotsoa manokana isika sady narovany tamin’ny famaizan’ny fofofofon’ny afo.

إِنَّا كُنَّا مِن قَبۡلُ نَدۡعُوهُۖ إِنَّهُۥ هُوَ ٱلۡبَرُّ ٱلرَّحِيمُ﴿٢٨

28Izy no nantsointsika taloha. Fa izy no mpiantra, ilay be indrafo.

فَذَكِّرۡ فَمَآ أَنتَ بِنِعۡمَتِ رَبِّكَ بِكَاهِنٖ وَلَا مَجۡنُونٍ﴿٢٩

29Ampahatsiarovy àry amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tomponao, fa tsy mpisikidy ianao na adala.

أَمۡ يَقُولُونَ شَاعِرٞ نَّتَرَبَّصُ بِهِۦ رَيۡبَ ٱلۡمَنُونِ﴿٣٠

30Na koa hiteny izy ireo hoe: “ Mpanao tononkalo ! Aoka handrasantsika ho azy ny kapokin'ny fahafatesana ”.

قُلۡ تَرَبَّصُواْ فَإِنِّي مَعَكُم مِّنَ ٱلۡمُتَرَبِّصِينَ﴿٣١

31Ka lazao hoe : “ Miandrasa ianareo ! Fa isan’ny miandry miaraka aminareo aho ”.

أَمۡ تَأۡمُرُهُمۡ أَحۡلَٰمُهُم بِهَٰذَآۚ أَمۡ هُمۡ قَوۡمٞ طَاغُونَ﴿٣٢

32Ny sain’izy ireo va no mibaiko izany ? Sa olona mpanao ratsy tafahoatra izy ireo ?

أَمۡ يَقُولُونَ تَقَوَّلَهُۥۚ بَل لَّا يُؤۡمِنُونَ﴿٣٣

33Na koa nilaza izy ireo hoe : “ Iza ihany no namorona izany ? ” .Tsia,saingy tsy mino izy ireo.

فَلۡيَأۡتُواْ بِحَدِيثٖ مِّثۡلِهِۦٓ إِن كَانُواْ صَٰدِقِينَ﴿٣٤

34Raha izany, aoka izy ireo hamorona lahateny mitovy aminy (koroany), raha mpilaza ny marina tokoa izy ireo.

أَمۡ خُلِقُواْ مِنۡ غَيۡرِ شَيۡءٍ أَمۡ هُمُ ٱلۡخَٰلِقُونَ﴿٣٥

35Nohariana avy amin’ny tsy misy va izy ireo, sa izy ireo no mpahary ?

أَمۡ خَلَقُواْ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَۚ بَل لَّا يُوقِنُونَ﴿٣٦

36Sa nahary ny lanitra sy ny tany va izy ireo ? Nefa toa tsy mino mihitsy izy ireo.

أَمۡ عِندَهُمۡ خَزَآئِنُ رَبِّكَ أَمۡ هُمُ ٱلۡمُصَۜيۡطِرُونَ﴿٣٧

37Manana ireo tahiry sarobidin’ny Tomponao va izy ireo ? Sa izy ireo no tompo tsy refesi-mandidy ?

أَمۡ لَهُمۡ سُلَّمٞ يَسۡتَمِعُونَ فِيهِۖ فَلۡيَأۡتِ مُسۡتَمِعُهُم بِسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٍ﴿٣٨

38Manana tohatra enti-mihaino va izy ireo ? Koa aoka izay nihaino tamin’izy ireo hitondra porofo mazava !

أَمۡ لَهُ ٱلۡبَنَٰتُ وَلَكُمُ ٱلۡبَنُونَ﴿٣٩

39Manan-janaka vavy va Allah, fa ny anareo kosa zanaka lahy ?

أَمۡ تَسۡـَٔلُهُمۡ أَجۡرٗا فَهُم مِّن مَّغۡرَمٖ مُّثۡقَلُونَ﴿٤٠

40Sa mangataka tambiny amin’izy ireo va ianao, hany ka vesan-trosa maro izy ireo ?

أَمۡ عِندَهُمُ ٱلۡغَيۡبُ فَهُمۡ يَكۡتُبُونَ﴿٤١

41Sa mahafantatra ny zava-miafina va izy ireo, ka manao izany an-tsoratra ?

أَمۡ يُرِيدُونَ كَيۡدٗاۖ فَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ هُمُ ٱلۡمَكِيدُونَ﴿٤٢

42Sa mitady hanao tetika va izy ireo ? Saingy izay tsy mino ihany no ho voan’ny tetika ataony.

أَمۡ لَهُمۡ إِلَٰهٌ غَيۡرُ ٱللَّهِۚ سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يُشۡرِكُونَ﴿٤٣

43Sa manana andriamanitra hafa ankoatra an’I Allah va izy ireo ? Voninahitra anie ho an’I Allah, ary feno fahadiovana amin’izay natambatr’izy ireo Aminy izy !

وَإِن يَرَوۡاْ كِسۡفٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ سَاقِطٗا يَقُولُواْ سَحَابٞ مَّرۡكُومٞ﴿٤٤

44Raha mahita sombiny amin’ny lanitra milatsaka izy ireo, dia miteny hoe : “ Rahona mifanongoa izany ”.

فَذَرۡهُمۡ حَتَّىٰ يُلَٰقُواْ يَوۡمَهُمُ ٱلَّذِي فِيهِ يُصۡعَقُونَ﴿٤٥

45Avelao any àry izy ireo, mandra-pifanojoany amin’ny andro hilatsahan’ny varatra amin’izy ireo,

يَوۡمَ لَا يُغۡنِي عَنۡهُمۡ كَيۡدُهُمۡ شَيۡـٔٗا وَلَا هُمۡ يُنصَرُونَ﴿٤٦

46Andro tsy hilan’izy ireo ny hafetsena intsony sady tsy ho vonjena izy ireo.

وَإِنَّ لِلَّذِينَ ظَلَمُواْ عَذَابٗا دُونَ ذَٰلِكَ وَلَٰكِنَّ أَكۡثَرَهُمۡ لَا يَعۡلَمُونَ﴿٤٧

47Hahazo famaizana mialoha ireo mpanao ny tsy rariny. Saingy tsy mahafantatra ny ankamaroan’izy ireo.

وَٱصۡبِرۡ لِحُكۡمِ رَبِّكَ فَإِنَّكَ بِأَعۡيُنِنَاۖ وَسَبِّحۡ بِحَمۡدِ رَبِّكَ حِينَ تَقُومُ﴿٤٨

48Koa zakao amim-paharetana ny didin’ny Tomponao, fa eo ambany masonay ianao. Ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao rehefa eo am-pitsanganana ianao.

وَمِنَ ٱلَّيۡلِ فَسَبِّحۡهُ وَإِدۡبَٰرَ ٱلنُّجُومِ﴿٤٩

49Omeo voninahitra Izy amin’ny ampahany amin’ny alina, sy rehefa hilentika ny kintana.

RELATED SURAHS