الذاريات
The Scattering Winds • 60 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Mianiana amin’ny rivotra izay miparitaka Aho,
2Amin’ny rahona mpitondra havesarana,
3Amin’ny sambo mikorisa amim-pahamorana,
4Amin’ireo anjely mpizara araka ny baiko,
5Fa marina avokoa izay ampanantenana anareo.
6Ary ho tonga tsy azo ifandirana ny andro fitsarana.
7Mianiana amin’ny lanitra izay misy lalana voafaritra tsara Aho,
8Fa mifanohitra ny zavatra lazainareo.
9Ary mihataka aminy (kor’any) izay mihataka amin’ny finoana.
10Novonoina ireo mpandainga,
11Izay nilatsaka tao anatin’ny tsy firaharahiana.
12Manontany izy ireo hoe : “Rahoviana ny andro fitsarana? ”
13Ny andro hisedrana azy ireo amin’ny afo :
14“Ampandramo ny fisedrana, fa indro ilay notadiavinareo ho hafainganina”.
15Ho ao amin’ireo zaridaina sy loharano ireo vonto-pinoana,
16Handray izay nomen’nyTompony izy ireo. Mifanao ny tsara izy ireo teo aloha,
17Fotoana kely no mba natorian’izy ireo nandritry ny alina,
18Ary amin’ny fotoana farany amin’ny alina, dia mangataka famelan-keloka amin’I Allah izy ireo.
19Ary nisy anjaran’ny mpangataka sy ny tsy manana tamin’ny fananan’izy ireo.
20Misy famantarana maro ho an’ireo izay tena mino eto an-tany.
21Toy izany koa ny eo amin’ny tenanareo.Tsy mba mandinika va ianareo ?
22Ary any an-danitra no misy ny fivelomanareo, sy izay nampanantenana anareo.
23Eo anatrehan’ny Tompon’ny lanitra sy ny tany ! Izany dia marina tahaka izay teneninareo.
24Tonga taminao va ny tantaran’ireo vahiny manan-kaja tao amin’i Abrahama ?
25Rehefa niditra tao an-tranony izy ireo dia niteny hoe : “Fiadanana ! ary hoy izy namaly azy ireo : “Fiadanana ry vahiny tsy fantatra ”.
26Avy eo, dia nandeha nangingina tany amin’ny fianakaviany izy, ka nitondra zanak’omby matavy.
27Dia noentiny teo akaikin’izy ireo izany, ka hoy izy : “ Moa tsy hihinana va ianareo ? ”.
28Natahotra teo anatrehan’izy ireo izy. Ka hoy izy ireo : “Aza matahotra ianao”. Dia nambaran’izy ireo taminy ny fahaterahan’ilay zaza lahy feno fahalalana.
29Tamin’izany dia nandroso ny vadiny sady nihiaka, nikapoka ny tarehiny, ary niteny hoe : “ Vavy antitra, momba”.
30Hoy izy ireo : “Izany no tenin’ny Tomponao, Izy tokoa no ilay be fahendrena ilay mahalala ny zava-drehetra ”.
31Dia hoy Abrahama: “ Inona àry no nampanaovina anareo, ry iraka? ”.
32Namaly izy ireo hoe: “ Nalefa ho an’ny olona mpanao ratsy izahay"
33Mba hitoraka vato tanimanga azy ireo.
34Voa marika any amin’ny Tomponao, ho an’ireo mpanao ny tafahoatra.
35Dia navoakanay izay mpino tao.
36Saingy tsy nahita afa-tsy trano iray an’ireo olona mpankato izahay.
37Ka namela famantarana tao izahay, ho an’ireo izay matahotra ny famaizana mamirifiry.
38Ary ( toy izany koa) tamin’i Mosesy, rehefa nandefa azy Izahay, ho any amin’i Faraona niaraka tamin’ny porofo mazava.
39Saingy nanome lamosina izy, fa nahatoky ny heriny, ka niteny hoe: “ Mpanao majika na olona adala ! ”.
40Nosazianay izy sy ireo miaramilany, ka natsipinay anaty onja, nohon'ny haratsian-toetrany.
41Toy izany ihany koa tamin’ireo Aad, rehefa nalefanay tamin’izy ireo ny rivotra mpandrava.
42Tsy mamela na inona na inona amin’izay andalovany,raha tsy lasa vovoka.
43Toy izany ihany koa tamin’ireo Thamod, rehefa nolazaina izy ireo hoe: “ Mifalia mandritra ny fotoana fohy ianareo ”.
44Sahy nanohitra ny didin’nyTompony izy ireo, ka nasian’ny varatra teo am-pitazanana.
45Ka tsy afaka nitsangana izy ireo no sady tsy afaka novonjena.
46Toy izany koa ireo vahoakan’i Noa taloha. Tena olona ratsy fitondran-tena tokoa izy ireo.
47Ny lanitra, dia namboarinay avy amin’ny herinay, ary novelarinay amin'ny avelarana tsy hita fiafarana.
48Ary ny tany dia novelarinay izy. Ary toy inona ny fomba tsara nampitovianay lanja azy !
49Ary noharianay tsiroa roa avokoa ny zavatra rehetra,mba ho tsaroanareo.
50Aoka ary ianareo hirodorodo ho any amin’I Allah, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
51Aza manana andriamanitra hafa miaraka amin’I Allah ianareo, fa izaho dia avy Aminy ho aminareo, ho mpampitandrina mazava.
52Toy izany, tsy nisy Iraka tonga tamin’ireo talohan’izy ireo, ka tsy nolazainy hoe : ‘’ Mpanao majika, naolona adala ‘’.
53Nifampitan’izy ireo va izany teny izany ? Fa mpandika lalana tokoa izy ireo.
54Mihataha amin’izy ireo ianao, fa tsy homena tsiny.
55Ary aoka ianao hifampahatsiaro , fa ahazoan’ireo mpino tombontsoa ny fampahatsiarovana.
56Tsy nohariako ny djiny sy ny olombelona, raha tsy ny hanompoan’izy ireo Ahy.
57Tsy mila foto-pivelomana avy amin’izy ireo Aho, ary tsy tiako ny hampisakafoan’izy ireo Ahy.
58Hamafisina, fa Allah no ilay mpanome fahasoavana sesehena, ilay manana ny hery, tsy hay hozongozonina.
59Izay nanao ny tsy rariny dia hahazo anjara (sazy) mitovy amin’ny an’ireo namany. Aoka izy ireo tsy ho maika loatra.
60Loza ho an’izay tsy mino, noho ilay andro efa nampitandremana azy ireo !