ق
Qaf • 45 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Qâf. Mianiana amin’ny Koroany ilay be voninahitra Aho.
2Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’.
3Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’.
4Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay.
5Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala.
6Tsy mba nojeren’izy ireo va ny lanitra eo amboniny, ahoana ny fomba nanorenanay sy nampihaingonay azy ary ahoana izy no tsy misy mitriatra ?
7Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa,
8Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka.
9Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana,
10Ary ireo hazo palma avo misy voany mifanongoa.
11Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty.
12Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod,
13Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota,
14Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako.
15Moa reraky ny fahariana voalohany va izahay ? Kanefa feno fisalasalana izy ireo mikasika ny fahariana vaovao.
16Nahary ny olombelona tokoa Izahay, ka fantatray izay bitsikin'ny fanahiny aminy, ary akaiky azy noho ny lalan-drà lehibe eo an-tendany izahay,
17Rehefa mandray izany ireo mpandray an-tsoratra mipetraka eo an-kavia sy an-kavanana.
18Tsy mamoaka teny na iray izy, ka tsy hisy mpanara-maso azy eo akaikiny, vonona hanoratra izany.
19Mampiseho ny marina ny fangirifirian’ny fialan’aina : “ Izao àry ilay tadiavinao handosirana ”.
20Ka ho tsofina ny anjomara, indro ilay andron’ny (fanatanterahana) fampitandremana.
21Dia ho avy ny olona tsirairay, miaraka amin’ny mpitarika sy vavolombelona iray.
22Tsy niaraka tamin’ity ianao. Araka izany, dia esorinay ny sarona eo aminao; ka maranitra tsara ny fahitanao ankehitriny.
23Ary hiteny ilay mpiaraka aminy hoe : “ Ity no miaraka amiko, akaiky indrindra ”.
24“ Ianareo roa, atsipazo any amin’ny afobe ny tsy mpino rehetra mafy loha sy mpikomy.
25Niezaka mafy hisakana ny tsara, mpandika lalàna, mpisalasala.
26Ilay namorona andriamanitra hafa miaraka amin’i Allah. Koa atsipazo any amin’ny famaizana mafy izy ”.
27Hiteny ny namany (devoly) hoe : “ Tomponay o ! Tsy izaho no nampandika lalàna azy, fa efa tao anatin’ny fahaverezana lalina izy ”.
28Ary hiteny Izy hoe: “Aza mifamaly eto anatrehako ianareo ! Satria efa nanome fampitandremana anareo Aho."
29Tsy miova ny teny avy Amiko, ary tsy manao tsindry hazo lena amin’ireo mpanompo mihitsy Aho.
30Amin’ny andro hilazanay amin’ny afobe hoe : “Feno va ianao ?”.Dia hamaly izy hoe : “ Mbola misy ihany va ?".
31Hampanatonina akaikin’ireo vonto-pinoana ny Paradisa.
32“Indro ilay nampanantenana anareo, ho an’izay rehetra feno fanenenana sy mitandrina,"
33Izay matahotra ilay be fiantrana, na dia tsy hitany aza, ary tonga amin’ny fo feno fanekena.
34"Midira ao am-piadanana ianareo ”. Izany no andro tsy manam-petra !
35Hisy izay rehetra ilan’izy ireo ao. Ary mbola misy mihoatra noho izany aza eo Aminay.
36Firifiry no efa naringanay talohan’izy ireo, izay taranaka matanjaka kokoa noho izy. Nitety tany maro izy ireo, kanefa misy vato hialofana ?
37Misy fampahatsiarovana tokoa izany ho an’izay manana fo sy manongilan-tsofina, ary mijoro vavolombelona.
38Nahary ny lanitra sy ny tany tokoa Izahay, sy izay eo anelanelan’izy ireo, tao anatin’ny enina andro, ary tsy nahatsiaro harerahana.
39Hiafio àry izay lazain’izy ireo, ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany.
40Ary ankalazao ny voninahiny, ampahany amin’ny alina sy aorian’ny fiankohofana.
41Ary aoka hihaino ianao, amin’andro izay hiantsoan’ny mpiantso avy amin’ny toerana akaiky.
42Ilay andro izay handrenesan’izy ireo amim-pahamarinana ny hiaka. Fa Andro fitsanganana amin’ny maty io.
43Izahay no manome ny aina sy ny fahafatesana, ary any Aminay no fiafarana,
44Amin’andro izay hampitresaka ny tany dia hivoaka haingana avy ao izy ireo. Fanangonana mora ho Anay tokoa izany.
45Fantatray tsara tokoa izay lazain’izy ireo. Tsy ny hanery azy ireo no nanirahana anao. Fa antsoy amin’ny alalan’ny Koroany àry izay matahotra ny fampitandremako.