Fatir

فاطر

The Originator45 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ فَاطِرِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ جَاعِلِ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةِ رُسُلًا أُوْلِيٓ أَجۡنِحَةٖ مَّثۡنَىٰ وَثُلَٰثَ وَرُبَٰعَۚ يَزِيدُ فِي ٱلۡخَلۡقِ مَا يَشَآءُۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ﴿١

1Dera ho an’i Allah, Mpahary ny lanitra sy ny tany, Izay nanao ireo Anjely ho Iraka manana elatra roa, na telo, na efatra. Ampiany araka izay tiany ny zava-boahary, fa Mahefa ny zavatra rehetra Izy.

مَّا يَفۡتَحِ ٱللَّهُ لِلنَّاسِ مِن رَّحۡمَةٖ فَلَا مُمۡسِكَ لَهَاۖ وَمَا يُمۡسِكۡ فَلَا مُرۡسِلَ لَهُۥ مِنۢ بَعۡدِهِۦۚ وَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ﴿٢

2Izay omen’i Allah ny olona noho ny Famindram-pony, dia tsy misy manana fahefana hisakana izany. Fa raha misakana izany kosa Izy, dia tsy misy afaka mamotsotra izany aoriany. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ ٱذۡكُرُواْ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡۚ هَلۡ مِنۡ خَٰلِقٍ غَيۡرُ ٱللَّهِ يَرۡزُقُكُم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ وَٱلۡأَرۡضِۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ فَأَنَّىٰ تُؤۡفَكُونَ﴿٣

3Ô ry olombelona ! Tsarovy ny soa nataon’i Allah taminareo, misy ve ankoatra an’i Allah, mpahary manome anjaram-pivelomana ho anareo, avy any an-danitra sy ety an-tany ? Tsy misy zanahary hafa, afa-tsy Izy ! Ka nahoana àry ianareo no mivily amin’izany (fahamarinana) ?

وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدۡ كُذِّبَتۡ رُسُلٞ مِّن قَبۡلِكَۚ وَإِلَى ٱللَّهِ تُرۡجَعُ ٱلۡأُمُورُ﴿٤

4Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nolazaina ho mpandainga ihany koa ireo Iraka talohanao. Fa any amin’i Allah ihany anefa no hamerenana ny raharaha rehetra.

يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ إِنَّ وَعۡدَ ٱللَّهِ حَقّٞۖ فَلَا تَغُرَّنَّكُمُ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَا وَلَا يَغُرَّنَّكُم بِٱللَّهِ ٱلۡغَرُورُ﴿٥

5Ry olombelona! Marina ny fampanantenan’i Allah. Ka aza avela hamitaka anareo ny fiainana an-tany, ary aoka tsy hahavoafitaka anareo ihany koa ilay mpamitaka mikasika an’i Allah.

إِنَّ ٱلشَّيۡطَٰنَ لَكُمۡ عَدُوّٞ فَٱتَّخِذُوهُ عَدُوًّاۚ إِنَّمَا يَدۡعُواْ حِزۡبَهُۥ لِيَكُونُواْ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلسَّعِيرِ﴿٦

6Fahavalonareo tokoa ny devoly, koa raiso ho fahavalo tanteraka izy. Tsy manao afa-tsy ny miantso ireo mpanaraka azy izy, mba ho lasa olon’ny afo mamaivay

ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدٞۖ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُم مَّغۡفِرَةٞ وَأَجۡرٞ كَبِيرٌ﴿٧

7Hahazo famaizana henjana ireo izay tsy nino, fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa, dia hahazo famelan-keloka sy valisoa lehibe.

أَفَمَن زُيِّنَ لَهُۥ سُوٓءُ عَمَلِهِۦ فَرَءَاهُ حَسَنٗاۖ فَإِنَّ ٱللَّهَ يُضِلُّ مَن يَشَآءُ وَيَهۡدِي مَن يَشَآءُۖ فَلَا تَذۡهَبۡ نَفۡسُكَ عَلَيۡهِمۡ حَسَرَٰتٍۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَلِيمُۢ بِمَا يَصۡنَعُونَ﴿٨

8Dia ahoana ! Izay nohatsaraina teo imasony ny asa ratsy nataony, ka noheveriny ho tsara? Nefa mamery làlana izay tiany ho amin’izany i Allah, ary mitari-dàlana izay tiany ho tarihina ihany koa. Aoka tsy hanenina noho ny amin’izy ireo ny tenanao. Fa Mahafantatra tsara izay ataon’izy ireo i Allah.

وَٱللَّهُ ٱلَّذِيٓ أَرۡسَلَ ٱلرِّيَٰحَ فَتُثِيرُ سَحَابٗا فَسُقۡنَٰهُ إِلَىٰ بَلَدٖ مَّيِّتٖ فَأَحۡيَيۡنَا بِهِ ٱلۡأَرۡضَ بَعۡدَ مَوۡتِهَاۚ كَذَٰلِكَ ٱلنُّشُورُ﴿٩

9Ary i Allah no mandefa ny rivotra hanainga ny rahona, izay atosikay ho any amin’ny tany karankaina avy eo; ka omenay aina indray ny tany efa maty. Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty !

مَن كَانَ يُرِيدُ ٱلۡعِزَّةَ فَلِلَّهِ ٱلۡعِزَّةُ جَمِيعًاۚ إِلَيۡهِ يَصۡعَدُ ٱلۡكَلِمُ ٱلطَّيِّبُ وَٱلۡعَمَلُ ٱلصَّٰلِحُ يَرۡفَعُهُۥۚ وَٱلَّذِينَ يَمۡكُرُونَ ٱلسَّيِّـَٔاتِ لَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدٞۖ وَمَكۡرُ أُوْلَٰٓئِكَ هُوَ يَبُورُ﴿١٠

10Izay mitady ny hery (amam-boninahitra), dia an’i Allah ny hery rehetra, any Aminy no miakatra ny teny tsara, ary hansandrany ambony ny asa soa. Fa izay miray tsikombakomba amin’ny asa ratsy kosa, dia hahazo famaizana henjana. Nefa tsy hahomby ny teti-dratsin’izy ireo.

وَٱللَّهُ خَلَقَكُم مِّن تُرَابٖ ثُمَّ مِن نُّطۡفَةٖ ثُمَّ جَعَلَكُمۡ أَزۡوَٰجٗاۚ وَمَا تَحۡمِلُ مِنۡ أُنثَىٰ وَلَا تَضَعُ إِلَّا بِعِلۡمِهِۦۚ وَمَا يُعَمَّرُ مِن مُّعَمَّرٖ وَلَا يُنقَصُ مِنۡ عُمُرِهِۦٓ إِلَّا فِي كِتَٰبٍۚ إِنَّ ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ يَسِيرٞ﴿١١

11Allah no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo, avy amin’ny tsirinaina indray mitete, ary rehefa izany, dia nataony ho mpivady tsiroaroa. Tsy misy vehivavy mitondra vohoka, na miteraka ka tsy fantany. Ary tsy misy fahavelomana maharitra na fohy, ka tsy voasoratra ao amin’ny boky. Fa mora amin’i Allah tokoa izany.

وَمَا يَسۡتَوِي ٱلۡبَحۡرَانِ هَٰذَا عَذۡبٞ فُرَاتٞ سَآئِغٞ شَرَابُهُۥ وَهَٰذَا مِلۡحٌ أُجَاجٞۖ وَمِن كُلّٖ تَأۡكُلُونَ لَحۡمٗا طَرِيّٗا وَتَسۡتَخۡرِجُونَ حِلۡيَةٗ تَلۡبَسُونَهَاۖ وَتَرَى ٱلۡفُلۡكَ فِيهِ مَوَاخِرَ لِتَبۡتَغُواْ مِن فَضۡلِهِۦ وَلَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ﴿١٢

12Tsy mitovy ireo ranomasina roa: ny ranon’ny andaniny azo sotroina, mamy sy mora atelina, ary ny ranon’ny ankilany kosa masira sy mangidy. Nefa dia samy akanareo nofo tsara fihinana izy ireo, ary akanareo haingo itafianareo. Hitanao ny sambo mirondrona mamakivaky ny rano, mba hitadiavanareo ny ampaham-pahasoavany, ka hankasitrahanareo.

يُولِجُ ٱلَّيۡلَ فِي ٱلنَّهَارِ وَيُولِجُ ٱلنَّهَارَ فِي ٱلَّيۡلِ وَسَخَّرَ ٱلشَّمۡسَ وَٱلۡقَمَرَۖ كُلّٞ يَجۡرِي لِأَجَلٖ مُّسَمّٗىۚ ذَٰلِكُمُ ٱللَّهُ رَبُّكُمۡ لَهُ ٱلۡمُلۡكُۚ وَٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِهِۦ مَا يَمۡلِكُونَ مِن قِطۡمِيرٍ﴿١٣

13Ataony misosoka amin’ny andro ny alina, ary ny andro ataony misosoka amin’ny alina. Nofeheziny ny masoandro sy ny volana, samy mandeha amin’ny tanjony voafaritra avy izy ireo. Izany Allah Ilay Tomponareo, Azy ny fanjakana, fa ireo izay antsoinareo ankoatrany kosa, dia tsy tompon’ny voan’antrendry iray akory.

إِن تَدۡعُوهُمۡ لَا يَسۡمَعُواْ دُعَآءَكُمۡ وَلَوۡ سَمِعُواْ مَا ٱسۡتَجَابُواْ لَكُمۡۖ وَيَوۡمَ ٱلۡقِيَٰمَةِ يَكۡفُرُونَ بِشِرۡكِكُمۡۚ وَلَا يُنَبِّئُكَ مِثۡلُ خَبِيرٖ﴿١٤

14Raha antsoinareo izy ireo, dia tsy handre ny antsonareo akory; ary na mandre aza, dia tsy afaka hamaly anareo. Amin’ny andro fitsanganana, dia ho lavin’izy ireo ny fampitambaranareo azy (amin’i Allah). Tsy misy afaka manome vaovao anao mitovy amin’izay mahafantatra tsara.

۞ يَٰٓأَيُّهَا ٱلنَّاسُ أَنتُمُ ٱلۡفُقَرَآءُ إِلَى ٱللَّهِۖ وَٱللَّهُ هُوَ ٱلۡغَنِيُّ ٱلۡحَمِيدُ﴿١٥

15Ry olombelona! Mahantra mila an’i Allah ianareo, fa Allah kosa, Izy no Tompon’ny harena, Ilay mendri-piderana.

إِن يَشَأۡ يُذۡهِبۡكُمۡ وَيَأۡتِ بِخَلۡقٖ جَدِيدٖ﴿١٦

16Raha sitrany, dia ho naringany ianareo, ka namboatra zava-boahary vaovao indray Izy.

وَمَا ذَٰلِكَ عَلَى ٱللَّهِ بِعَزِيزٖ﴿١٧

17Ary tsy sarotra velively amin’i Allah izany.

وَلَا تَزِرُ وَازِرَةٞ وِزۡرَ أُخۡرَىٰۚ وَإِن تَدۡعُ مُثۡقَلَةٌ إِلَىٰ حِمۡلِهَا لَا يُحۡمَلۡ مِنۡهُ شَيۡءٞ وَلَوۡ كَانَ ذَا قُرۡبَىٰٓۗ إِنَّمَا تُنذِرُ ٱلَّذِينَ يَخۡشَوۡنَ رَبَّهُم بِٱلۡغَيۡبِ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَۚ وَمَن تَزَكَّىٰ فَإِنَّمَا يَتَزَكَّىٰ لِنَفۡسِهِۦۚ وَإِلَى ٱللَّهِ ٱلۡمَصِيرُ﴿١٨

18Tsy hisy anefa hizaka ny enta-mavesatry ny hafa. Ary raha misy olona vesaram-pahotana mangataka fanampiana, dia tsy misy olon-kafa hitondra ny fahotany mihitsy, na dia ny havana akaiky aza. Ireo matahotra ny Tompony ihany no ampitandremanao, na dia tsy mahita Azy aza izy ireo, ary manatanteraka ny vavaka soalat. Ary izay midio, dia midio ho an’ny tenany ihany, fa any amin’i Allah no fiafarana.

وَمَا يَسۡتَوِي ٱلۡأَعۡمَىٰ وَٱلۡبَصِيرُ﴿١٩

19Tsy mitovy ny jamba sy ny mahiratra,

وَلَا ٱلظُّلُمَٰتُ وَلَا ٱلنُّورُ﴿٢٠

20na ny aizina sy ny hazavana,

وَلَا ٱلظِّلُّ وَلَا ٱلۡحَرُورُ﴿٢١

21na ny aloka sy ny hafanana migaingaina.

وَمَا يَسۡتَوِي ٱلۡأَحۡيَآءُ وَلَا ٱلۡأَمۡوَٰتُۚ إِنَّ ٱللَّهَ يُسۡمِعُ مَن يَشَآءُۖ وَمَآ أَنتَ بِمُسۡمِعٖ مَّن فِي ٱلۡقُبُورِ﴿٢٢

22Tahaka izany koa, tsy mitovy ny velona sy ny maty. Azon’i Allah ampandrenesina izay tiany hampandrenesina, fa ianao kosa tsy afaka hampandre ny any am-pasana.

إِنۡ أَنتَ إِلَّا نَذِيرٌ﴿٢٣

23Mpampitandrina ihany ianao.

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَٰكَ بِٱلۡحَقِّ بَشِيرٗا وَنَذِيرٗاۚ وَإِن مِّنۡ أُمَّةٍ إِلَّا خَلَا فِيهَا نَذِيرٞ﴿٢٤

24Nalefanay niaraka tamin’ny fahamarinana ianao, ho mpilaza sy mpampitandrina. Ary tsy nisy vahoaka na iray aza, ka tsy efa nanana mpampitandrina.

وَإِن يُكَذِّبُوكَ فَقَدۡ كَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ جَآءَتۡهُمۡ رُسُلُهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ وَبِٱلزُّبُرِ وَبِٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُنِيرِ﴿٢٥

25Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nilaza ireo Iraka ho mpandainga ihany koa ireo talohan’izy ireo, nefa dia nitondra porofo taminy ireo Irany, ary rakitsoratra sy Boky mpanazava.

ثُمَّ أَخَذۡتُ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْۖ فَكَيۡفَ كَانَ نَكِيرِ﴿٢٦

26Avy eo dia nofaiziko ireo tsy nino,ka nanao ahoana ny Fanakianako (famaizana)

أَلَمۡ تَرَ أَنَّ ٱللَّهَ أَنزَلَ مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ فَأَخۡرَجۡنَا بِهِۦ ثَمَرَٰتٖ مُّخۡتَلِفًا أَلۡوَٰنُهَاۚ وَمِنَ ٱلۡجِبَالِ جُدَدُۢ بِيضٞ وَحُمۡرٞ مُّخۡتَلِفٌ أَلۡوَٰنُهَا وَغَرَابِيبُ سُودٞ﴿٢٧

27Tsy hitanao ve, fa ampidinin’i Allah avy eny an-danitra ny rano? Ka avoakanay avy amin’izany ireo voankazo miloko isan-karazany. Ary eny an-tendrombohitra, misy faritra fotsy sy mena, ary loko samihafa, sy faritra tena mainty.

وَمِنَ ٱلنَّاسِ وَٱلدَّوَآبِّ وَٱلۡأَنۡعَٰمِ مُخۡتَلِفٌ أَلۡوَٰنُهُۥ كَذَٰلِكَۗ إِنَّمَا يَخۡشَى ٱللَّهَ مِنۡ عِبَادِهِ ٱلۡعُلَمَٰٓؤُاْۗ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٌ غَفُورٌ﴿٢٨

28Manana fihodirana samihafa ny olombelona, ny biby isan-karazany sy ireo biby fiompy dia manana loko samihafa ihany koa. Ireo manam-pahaizana no tena matahotra an’i Allah amin’ireo mpanompony.Fa Tsitoha sy Mpamela heloka Allah.

إِنَّ ٱلَّذِينَ يَتۡلُونَ كِتَٰبَ ٱللَّهِ وَأَقَامُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَأَنفَقُواْ مِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ سِرّٗا وَعَلَانِيَةٗ يَرۡجُونَ تِجَٰرَةٗ لَّن تَبُورَ﴿٢٩

29Ireo izay mamaky ny Bokin’i Allah, sy manatanteraka ny vavaka soalat,ary manao fandaniana miafina na an-karihary amin’izay nomenay azy ireo, dia manantena hanao fifanakalozana tsy ho rava mandrakizay,

لِيُوَفِّيَهُمۡ أُجُورَهُمۡ وَيَزِيدَهُم مِّن فَضۡلِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ غَفُورٞ شَكُورٞ﴿٣٠

30mba hanomezan’i Allah azy ireo valisoa feno, sy hanampiany azy ireo amin’ny Fahasoavany. Fa Mpamela heloka Izy, ary Mpankasitraka.

وَٱلَّذِيٓ أَوۡحَيۡنَآ إِلَيۡكَ مِنَ ٱلۡكِتَٰبِ هُوَ ٱلۡحَقُّ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِۗ إِنَّ ٱللَّهَ بِعِبَادِهِۦ لَخَبِيرُۢ بَصِيرٞ﴿٣١

31Ny Fahamarinana tokoa no nambaranay anao tamin’ny Boky, manamafy izay teo alohany. Fa Mahafantatra tsara ireo mpanompony Allah, ary Mahita azy ireo.

ثُمَّ أَوۡرَثۡنَا ٱلۡكِتَٰبَ ٱلَّذِينَ ٱصۡطَفَيۡنَا مِنۡ عِبَادِنَاۖ فَمِنۡهُمۡ ظَالِمٞ لِّنَفۡسِهِۦ وَمِنۡهُم مُّقۡتَصِدٞ وَمِنۡهُمۡ سَابِقُۢ بِٱلۡخَيۡرَٰتِ بِإِذۡنِ ٱللَّهِۚ ذَٰلِكَ هُوَ ٱلۡفَضۡلُ ٱلۡكَبِيرُ﴿٣٢

32Dia nataonay mpandova ny Boky ireo izay nofidinay tamin’ny mpanomponay. Misy amin’izy ireo no manao ny tsy rariny amin’ny tenany, ao koa ireo izay manao ny antonony, ary ny sasany kosa, noho ny alalana avy amin’i Allah, dia mihoatra ( ny hafa ) noho ny asa soa ataony, izany no fahasoavan-dehibe.

جَنَّٰتُ عَدۡنٖ يَدۡخُلُونَهَا يُحَلَّوۡنَ فِيهَا مِنۡ أَسَاوِرَ مِن ذَهَبٖ وَلُؤۡلُؤٗاۖ وَلِبَاسُهُمۡ فِيهَا حَرِيرٞ﴿٣٣

33Ireo zaridainan’i Edena no hidiran’izy ireo, miravaka haba fehin-tànana volamena sy vatosoa; ary lamba lasoa no fitafin’izy ireo any.

وَقَالُواْ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِيٓ أَذۡهَبَ عَنَّا ٱلۡحَزَنَۖ إِنَّ رَبَّنَا لَغَفُورٞ شَكُورٌ﴿٣٤

34Ary hiteny izy ireo hoe : “ Dera ho an’i Allah, izay nampisinda ny alahelonay. fa Mpamela heloka sy Mpankasitraka tokoa ny Tomponay.

ٱلَّذِيٓ أَحَلَّنَا دَارَ ٱلۡمُقَامَةِ مِن فَضۡلِهِۦ لَا يَمَسُّنَا فِيهَا نَصَبٞ وَلَا يَمَسُّنَا فِيهَا لُغُوبٞ﴿٣٥

35Izay nametraka anay ao amin’ny fonenana maharitra noho ny Fahasoavany, ka tsy hahitanay havizanana na harerahana”.

وَٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَهُمۡ نَارُ جَهَنَّمَ لَا يُقۡضَىٰ عَلَيۡهِمۡ فَيَمُوتُواْ وَلَا يُخَفَّفُ عَنۡهُم مِّنۡ عَذَابِهَاۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي كُلَّ كَفُورٖ﴿٣٦

36Fa ireo tsy mpino, dia hahazo ny afon’ny helo izy ireo ary tsy vonoina ho faty, sady tsy hamaivanina mihitsy ny fijaliany. Toy izany no hamalianay ireo mpihizingizina amin’ny tsy finoana.

وَهُمۡ يَصۡطَرِخُونَ فِيهَا رَبَّنَآ أَخۡرِجۡنَا نَعۡمَلۡ صَٰلِحًا غَيۡرَ ٱلَّذِي كُنَّا نَعۡمَلُۚ أَوَلَمۡ نُعَمِّرۡكُم مَّا يَتَذَكَّرُ فِيهِ مَن تَذَكَّرَ وَجَآءَكُمُ ٱلنَّذِيرُۖ فَذُوقُواْ فَمَا لِلظَّٰلِمِينَ مِن نَّصِيرٍ﴿٣٧

37Ary dia hiantsoantso izy ireo hoe: “Tomponay ô! Avoahy izahay, hanao ny tsara, fa tsy tahaka izay nataonay teo aloha”. Tsy efa nomenay fiainana lava moa ianareo mba hieritreretan’izay mieritreritra? Ary tonga teo aminareo ihany koa ny mpampitandrina. Dia andramo àry (ny sazinareo), fa tsy misy famonjena ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.

إِنَّ ٱللَّهَ عَٰلِمُ غَيۡبِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّهُۥ عَلِيمُۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ﴿٣٨

38Fantatr’i Allah ny zava-miafin’ny lanitra sy ny tany, ary fantany izay raiketin’ny fo.

هُوَ ٱلَّذِي جَعَلَكُمۡ خَلَٰٓئِفَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ فَمَن كَفَرَ فَعَلَيۡهِ كُفۡرُهُۥۖ وَلَا يَزِيدُ ٱلۡكَٰفِرِينَ كُفۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ إِلَّا مَقۡتٗاۖ وَلَا يَزِيدُ ٱلۡكَٰفِرِينَ كُفۡرُهُمۡ إِلَّا خَسَارٗا﴿٣٩

39Izy no nanao anareo ho mpandimby eto an-tany. Izay tsy mino, dia izy no iharan’ny tsy finoany. Tsy manampy ny mpikomy ny tsy finoany, raha tsy fahafaham-baraka ihany. Ary tsy mampitombo afa-tsy fatiantoka ho an’ireo tsy mpino ny tsy finoany.

قُلۡ أَرَءَيۡتُمۡ شُرَكَآءَكُمُ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ أَرُونِي مَاذَا خَلَقُواْ مِنَ ٱلۡأَرۡضِ أَمۡ لَهُمۡ شِرۡكٞ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ أَمۡ ءَاتَيۡنَٰهُمۡ كِتَٰبٗا فَهُمۡ عَلَىٰ بَيِّنَتٖ مِّنۡهُۚ بَلۡ إِن يَعِدُ ٱلظَّٰلِمُونَ بَعۡضُهُم بَعۡضًا إِلَّا غُرُورًا﴿٤٠

40Dia lazao hoe: “Hitanareo ve ireo nataonareo ho mpitambatra amin’i Allah izay antsoinareo ankoatra Azy? Asehoy ahy izay namboariny teto an-tany. Nandray anjara ve izy ireo tamin’ny fahariana ny lanitra? Sa nomenay Boky misy porofo?” Tsia! Fa fitaka ihany no fampanantenana ifanaovan’ireo mpanao ny tsy rariny.

۞ إِنَّ ٱللَّهَ يُمۡسِكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ أَن تَزُولَاۚ وَلَئِن زَالَتَآ إِنۡ أَمۡسَكَهُمَا مِنۡ أَحَدٖ مِّنۢ بَعۡدِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ كَانَ حَلِيمًا غَفُورٗا﴿٤١

41Mihazona ny lanitra sy ny tany ho eo mandrakariva Allah. Ary raha miala teo izany, dia tsy misy afaka hihazona azy ireo ankoatra Azy. Fa Izy no be fangorahana, sy Mpamela heloka.

وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِن جَآءَهُمۡ نَذِيرٞ لَّيَكُونُنَّ أَهۡدَىٰ مِنۡ إِحۡدَى ٱلۡأُمَمِۖ فَلَمَّا جَآءَهُمۡ نَذِيرٞ مَّا زَادَهُمۡ إِلَّا نُفُورًا﴿٤٢

42Ary nianiana tamin’i Allah tamim-pianianana hentitra izy ireo, fa raha misy mpampitandrina tonga amin’izy ireo, dia ho voatari-dàlana tsara noho ireo vahoaka hafa izy ireo. Nefa rehefa tonga tamin’izy ireo ny mpampitandrina (Mpaminany), dia vao mainka nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany,

ٱسۡتِكۡبَارٗا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَكۡرَ ٱلسَّيِّيِٕۚ وَلَا يَحِيقُ ٱلۡمَكۡرُ ٱلسَّيِّئُ إِلَّا بِأَهۡلِهِۦۚ فَهَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّا سُنَّتَ ٱلۡأَوَّلِينَۚ فَلَن تَجِدَ لِسُنَّتِ ٱللَّهِ تَبۡدِيلٗاۖ وَلَن تَجِدَ لِسُنَّتِ ٱللَّهِ تَحۡوِيلًا﴿٤٣

43noho ny fireharehana teto an-tany, sy ny tetika maloto. Nefa dia izay manao izany ihany no voasaron’ny teti-dratsy ataony. Miandry anjara hafa noho ny an’ireo teo aloha àry ve izy ireo? Nefa dia tsy hahita fanovana amin’ny lalàn’i Allah velively ianao, eny! Tsy hahita fiovana amin’ny lalàn’i Allah mandrakizay.

أَوَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ وَكَانُوٓاْ أَشَدَّ مِنۡهُمۡ قُوَّةٗۚ وَمَا كَانَ ٱللَّهُ لِيُعۡجِزَهُۥ مِن شَيۡءٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّهُۥ كَانَ عَلِيمٗا قَدِيرٗا﴿٤٤

44Tsy mbola nandeha nitety ny tany ve izy ireo, ka tsy nahita izay nahazo ireo niaina talohany, izay natanjaka tokoa noho izy ireo? Ary tsy misy afaka hampihena ny fahefan’i Allah, na any an-danitra na ety an-tany. Fa Mahefa sy Mahalala ny zavatra rehetra Izy.

وَلَوۡ يُؤَاخِذُ ٱللَّهُ ٱلنَّاسَ بِمَا كَسَبُواْ مَا تَرَكَ عَلَىٰ ظَهۡرِهَا مِن دَآبَّةٖ وَلَٰكِن يُؤَخِّرُهُمۡ إِلَىٰٓ أَجَلٖ مُّسَمّٗىۖ فَإِذَا جَآءَ أَجَلُهُمۡ فَإِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِعِبَادِهِۦ بَصِيرَۢا﴿٤٥

45Fa raha mamaly ny olona amin’izay ataon’izy ireo i Allah, dia tsy hisy zava-manan’aina havelany ho velona mihitsy eto an-tany. Nefa omeny fe-potoana voafaritra izy ireo. Ka rehefa tonga ny fetran’izy ireo (dia hihatra ny famaizana) satria Mahita ireo mpanompony i Allah.

RELATED SURAHS