النجم
The Star • 62 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Mianiana amin’ny kintana izay efa hilentika Aho !
2Fa tsy diso lalana ny namanareo, ary tsy tafiditra anatin'ny fahadisoana.
3Ary tsy miteny araka ny sitrapony izy.
4Fa izany dia faminaniana tonga taminy.
5Izay nampianarin’ilay hery lehibe taminy.
6Manan-tsaina ; ary niseho tamin’ny endrika maha izy azy.
7Raha teo amin’ny fara-vodilanitra ambony izy.
8Avy eo dia nanatona sy nidina ambanimbany kokoa izy.
9Hatreo amin’izay tratran’ny zana-tsipika indroa, na akaiky kokoa noho izany.
10Nambarany tamin’ny mpanompony izay nambarany.
11Tsy nandainga tamin’izay hitany ny fo.
12Moa toherinareo amin’izay hitany va izy ?
13Efa hitany tamin’ny fidinana hafa koa anefa izy.
14Teo akaikin'ny Sidratoul-mountaha.
15Eo akaikiny no misy ny zaridainan’ny fialofana (mandrakizay).
16Tamin’ny fotoana izay nahasarona ny hazo na mokonazy, tamin’izay nandrakotra azy.
17Tsy nivily ny fahitany na nihoatra ny tokony ho izy.
18Hitany tokoa ny sasany tamin’ireo fahagagana lehibe avy amin’ny Tompony.
19Ka ahoana àry ny fahitanareo ny sampy Làt sy Ozzà?
20Ary koa i Manat, ilay sampy fahatelo hafa ?
21Ho anareo va ny zazalahy, fa ho Azy kosa ny zazavavy ?
22Tena fizarana vilana kosa izany !
23Anarana noforoninareo ihany izany, ianareo sy ny razam-benareo, fa tsy nampidina porofo mikasika izany I Allah. Tsy manaraka afa-tsy ny fiheverany sy ny sitrapony ihany izy ireo, nefa efa tonga tamin’izy ireo ny tari-dalana avy amin’ny Tompony .
24Sa efa nahazo izay rehetra niriny kosa ny olombelona.
25An’I Allah ny fiainana any ankoatra, sy ny fiainana eto an-tany.
26Ary firifiry ireo anjely any an-danitra, no tsy hahazoana tombotsoa mihitsy ny fanelanelanan’izy ireo, raha tsy aorian’ny alalana avy amin’I Allah, ho an’izay tiany sy ankasitrahany.
27Ireo izay tsy mino ny any ankoatra, dia manome anaram-behivavy ireo Anjely.
28Nefa tsy manana fahalalana avy amin’izany izy ireo, fa izay fiheverany ihany no arahiny, nefa tsy misy ilaina ny fiheverana eo anatrehan’ny fahamarinana.
29Koa misintaha ary ianao amin’izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy Aminy, ka tsy maniry afa-tsy ny fiainana ankehitriny.
30Izany ihany no takatry ny fahalalany. Fantatry ny Tomponao tokoa izay mihataka amin’ny lalany, ary fantany tanteraka ihany koa izay voatari-dalana.
31An'I Allah izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, mba hamaliany izay rehetra nanao ny ratsy, araka izay nataony, fahamaliany ny soa kosa izay nanao ny tsara, amin’izay tsara indrindra.
32Ireo izay mihataka ny fahotana lehibe, sy ny fahavetavetana, ka tsy manao afa-tsy ny hadisoana madinika, dia hamafisina, fa lehibe tokoa ny fahamelan-kelokan'ny Tomponao. Izy no tena mahafantatra anareo, rehefa nahary anareo avy amin’ny tany Izy, sy fony ianareo mbola zazarano tao an-kibon-dreninareo. Aza manadio tena ianareo, fa Izy no tena mahalala izay tena vonto-pinoana.
33Hitanao va ilay nanome lamosina ?
34Nanome kely, avy eo, nitsahatra tsy nanome ?
35Manana fahalalana ny zava-miafina va izy ka hitany ?
36Tsy nambara taminy va izay tao anatin’ny takelak’i Mosesy.
37Sy ny an’i Abrahama izay nitazona tanteraka ?
38Fa tsy hisy hizaka ny enta-mavesatry ny hafa,
39Ary raha ny marina dia arakaraka izay fiezahan'ny olombelona ihany no azony.
40Ary hamafisina, fa ny fiezahany dia haseho azy.
41Avy eo, dia homena valisoa feno tanteraka izy.
42Ary hamafisina , fa ho any amin’ny Tomponao avokoa ny zavatra rehetra.
43Fa Izy no hampihomehy sy hampitomany.
44Ary Izy no mamono sy mamelona.
45Izy no nahary ireo mpivady tsirairay , lahy sy vavy.
46Avy amin’ny tsirairay rehefa mivoaka.
47Fa andraikiny ny fahariana faharoa.
48Ary Izy no mampanan-karena sy mampahazo.
49Izy no Tompon’ny kintana Sirius.
50Izy no nandringana ireo Aad taloha.
51Toy izany koa ireo Tamod, ka nataony tsy nisy tavela.
52Sy ny vahoakan’i Noa taloha, tena olon’ny tsy fahamarinana sy mpihoa-pefy tokoa izy ireo.
53Naringany toy izany koa ireo tanàna nivadika.
54ka nosaronany tamin’izay nanaronany azy.
55Inona amin’ireo fahasoavan’ny Tomponao àry no mampisalasala anao ?
56Indro mpampitandrina, mitovy amin’ireo mpampitandrina taloha.
57Manantona ilay akaiky (ilay Ora Fitsarana).
58Tsy misy ankoatra an’I Allah no afaka hampiseho izany.
59Moa mahagaga anareo va io lahateny io (koroany) ?
60Ka mihomehy amin’izany ianareo fa tsy mba mitomany akory ?
61Variana tanteraka amin’ny fialambolinareo.
62Koa miankohofa amin’I Allah àry ianareo, ka tompoy Izy.