القمر
The Moon • 55 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Manakaiky ilay ora, ary mitresaka ny volana.
2Raha mahita fahagagana izy ireo, dia manome lamosina, ka miteny hoe : “ Majika maharitra izany ! ”
3Ary lazainy fa lainga, ka manaraka ny sitrapony izy ireo, nefa dia ho avy amin ‘ny fotoana ny zavatra tsirairay.
4Nahazo vaovao izay nampitandrina azy anefa izy ireo.
5Fahendrena tonga lafatra. Saingy tsy misy ilan’izy ireo ny fampitandremana.
6Mialà amin’izy ireo ianao. Ny andro hiantsoan’ny mpiantso ho any amin’ny zavatra mampihoron-koditra.
7Hivoaka avy any am-pasana izy ireo, hiondri-pijery; toy ny valala miparitaka.
8Hihazakazaka, hanalava tenda mankany amin’ny mpiantso, ka hiteny ireo tsy mpino hoe : “Andro sarotra tokoa ity ”.
9Talohan’izy ireo, dia efa niampanga izany ho lainga ny vahoakan’i Noa, ka nolazainy ho mpandainga ny mpanomponay, ary hoy izy ireo : “ Adala izy io ! ”, ary dia voatosika izy.
10Dia niantso ny Tompony izy hoe : “ Resy aho, ka apandreseo ! ”
11Dia nosokafanay ireo varavaran’ny lanitra, ho amin’ny ranon'oram-baratra
12Ary napoitranay avy amin'ny tany ireo loharano, ka nifanena ireo rano ireo araka ny fandaharana efa voafetra.
13Dia noentinay tamin'ny zavatra vita amin’ny hazo, sy fantsika izy.
14Nitsingevana teo ambany masonay ny valisoa ho an’ilay nolavina.
15Ary navelanay ho toy ny famantarana izany mba misy mieritreritra va ?
16Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
17Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
18Niampanga azy ho mpandainga ireo Aad. Nanao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
19Nandefasanay rivo-mahery sady mamirifiry izy ireo, tamin’ny tonon’andro ratsy, tsy nanam-pahataperana.
20Nongotany tahaka ny vodin-kazona palma miala amin’ny vahany ny olona.
21Manao ahona ny famaizako sy ny fampitandremako ?
22Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ?
23Nataon’ireo Thamod ho lainga ny fampitandremana.
24Hoy izy ireo: “ Hanarak'olona avy eto amintsika ihany va isika ? Koa dia ho any amin’ny fahaverezana, sy ny hadalàna isika raha izany ".
25Nalefa taminy irery va ny hafatra fa tsy tamintsika rehetra ? Tena mpandainga rain-dahiny tokoa io, be hambo sady miavonavona.”
26Ho fantatr’izy ireo rahampitso izay mpandainga rain-dahiny, feno fiheboana sady miavonavona.
27Halefanay eo amin’izy ireo ny rameva vavy, ho fitsapana. Araho maso àry izy ireo, ka mahareta ianao.
28Lazao amin’izy ireo, fa ho zaraina aminy ny rano, ka samy hisotro isakan'ny anjaram-pisotroany izy ireo.
29Nantsoin’izy ireo ilay namany, izay nandray (sabatra), ka namono azy.
30Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako?
31Nandefa hiaka tokana tamin’izy ireo Izahay, ka indro fa tahaka ny mololo anaty vala izy ireo.
32Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va?
33Nataon’ny vahoakan’i Lota ho lainga ny fampitandremana.
34Nandefa rivo-mahery tamin’izy ireo izahay, afa tsy tamin’ny fianakavian'i Lota, izay novonjenay talohan’ny mangiran-dratsy,
35Fahasoavana avy Aminay, toy izany no amalianay soa izay mahay mankasitraka.
36Nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana avy Aminay anefa izy. Saingy nampisalasala azy ireo ny fampitandremana.
37Araka izany, dia nitady haka fanahy ireo vahinin'izy ireo, ka nataonay jamba ny masony : “Andramo ary ny Famaizako sy ny fampitandremako.”
38Vao maraina dia azon’ny famaizana maharitra izy ireo.
39Andramo àry ny famaizako sy ny fampitandremako.
40Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany mba misy mieritreritra va ?
41Tonga tamin’ireo olon’i Faraona tokoa ireo fampitandremana.
42Nataon’izy ireo ho lainga avokoa ny famantarana avy Aminay. Dia nosazianay izy ireo, amin’ny fanasazian’ilay tsitoha, ilay mahefa ny zavatra rehetra.
43Moa tsara kokoa noho izy ireny va ireo tsy mpino aminareo ? Sa misy fanafahana anareo tsy hanan-tsiny ao amin’ny raki-tsoratra ?
44Na hilaza izy ireo hoe : “Andehahitambatra isika, ary handresy.”
45Ho rava tsy ho ela ny fitambaran’izy ireo, ka samy handositra.
46Fa ny Ora no hifamotoanan’izy ireo ka hahatsiravina tokoa ilay Orano sady hangidy.
47Anatin’ny fahaverezana sy ny hadalana tokoa ireo mpanao ratsy.
48Ny andro hitaritarihana azy ireo amin’ny tarehiny ao amin’ny afo (dia ho lazaina aminy hoe) : “Andramo ny fikasihana ny afobe.”
49Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay.
50Ary tokana ihany ny baikonay toy ny indray mipi-maso.
51Nandringana vahoaka mitovy aminareo tokoa Izahay. Misy mba mahatsiaro izany va ?
52Ary voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izay nataon’izy ireo.
53Ka voatahiry avokoa ny zava-nitranga na kely na lehibe.
54Ho ao amin’ireo zaridaina sy renirano tokoa ireo vontom-pinoana.
55Ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra marina eo anatrehan’ilay Tompo Mahefa ny zavatra rehetra.