Ar-Rahman

الرحمن

The Most Merciful78 ayahsMedinan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

ٱلرَّحۡمَٰنُ﴿١

1Ilay be fiantrana.

عَلَّمَ ٱلۡقُرۡءَانَ﴿٢

2Nampianatra ny Koroany Izy.

خَلَقَ ٱلۡإِنسَٰنَ﴿٣

3Nahary ny olombelona Izy.

عَلَّمَهُ ٱلۡبَيَانَ﴿٤

4Nampianatra azy niteny mazava Izy.

ٱلشَّمۡسُ وَٱلۡقَمَرُ بِحُسۡبَانٖ﴿٥

5Mihodina arakan'ny kajy ny masoandro sy ny volana.

وَٱلنَّجۡمُ وَٱلشَّجَرُ يَسۡجُدَانِ﴿٦

6Ary miankohoka ireo ahitra sy hazo maniry.

وَٱلسَّمَآءَ رَفَعَهَا وَوَضَعَ ٱلۡمِيزَانَ﴿٧

7Ny lanitra kosa dia nakarina ambony tokoa. Ary napetrany ny fadanjana.

أَلَّا تَطۡغَوۡاْ فِي ٱلۡمِيزَانِ﴿٨

8Mba tsy handikanareo lalàna amin’ny fadanjana.

وَأَقِيمُواْ ٱلۡوَزۡنَ بِٱلۡقِسۡطِ وَلَا تُخۡسِرُواْ ٱلۡمِيزَانَ﴿٩

9Ary aoka hametraka mandrakariva ny lanja marina ianareo, fa aza disoina ny fadanjana.

وَٱلۡأَرۡضَ وَضَعَهَا لِلۡأَنَامِ﴿١٠

10Ny tany indray dia novelarina ho an’ireo zava-manan’aina,

فِيهَا فَٰكِهَةٞ وَٱلنَّخۡلُ ذَاتُ ٱلۡأَكۡمَامِ﴿١١

11Misy voankazo ao ary koa palma misy voany voafono,

وَٱلۡحَبُّ ذُو ٱلۡعَصۡفِ وَٱلرَّيۡحَانُ﴿١٢

12Toy ireo voa amin’ny akorany sy ireo zava-maniry manitra.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿١٣

13Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

خَلَقَ ٱلۡإِنسَٰنَ مِن صَلۡصَٰلٖ كَٱلۡفَخَّارِ﴿١٤

14Nohariany avy amin’ny tanimanga maneno toy ny vilanitany ny olombelona.

وَخَلَقَ ٱلۡجَآنَّ مِن مَّارِجٖ مِّن نَّارٖ﴿١٥

15Ary Nohariany avy amin’ny lelan’afo tsy misy setroka ny djiny.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿١٦

16Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

رَبُّ ٱلۡمَشۡرِقَيۡنِ وَرَبُّ ٱلۡمَغۡرِبَيۡنِ﴿١٧

17Tompon’ireo fiposahana roa, ary Tompon’ny filentehana roa !

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿١٨

18Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

مَرَجَ ٱلۡبَحۡرَيۡنِ يَلۡتَقِيَانِ﴿١٩

19Nomeny falalahana ireo rano masina roa mba hifanena.

بَيۡنَهُمَا بَرۡزَخٞ لَّا يَبۡغِيَانِ﴿٢٠

20Misy fefy tsy dikain’izy ireo eo anelanelany.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٢١

21Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

يَخۡرُجُ مِنۡهُمَا ٱللُّؤۡلُؤُ وَٱلۡمَرۡجَانُ﴿٢٢

22Avy amin’izy roa ireo no mivoaka ny voahangy sy ny haran-drano masina.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٢٣

23Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

وَلَهُ ٱلۡجَوَارِ ٱلۡمُنشَـَٔاتُ فِي ٱلۡبَحۡرِ كَٱلۡأَعۡلَٰمِ﴿٢٤

24Azy ireo sambo avo toy ny tendrombohitra eny ambon'ny ranomasina.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٢٥

25Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

كُلُّ مَنۡ عَلَيۡهَا فَانٖ﴿٢٦

26Tsy maintsy foana avokoa izay rehetra eo amin’ny tany.

وَيَبۡقَىٰ وَجۡهُ رَبِّكَ ذُو ٱلۡجَلَٰلِ وَٱلۡإِكۡرَامِ﴿٢٧

27Ny tavan’ny Tomponao no hany sisa tavela, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٢٨

28Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

يَسۡـَٔلُهُۥ مَن فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ كُلَّ يَوۡمٍ هُوَ فِي شَأۡنٖ﴿٢٩

29Mitalaho Aminy, ireo izay any an-danitra sy ety an-tany. Isan’andro dia manao zavatra vaovao Izy.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٣٠

30Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

سَنَفۡرُغُ لَكُمۡ أَيُّهَ ٱلثَّقَلَانِ﴿٣١

31Hitsara anareo tsy ho ela Izahay ry olombelona sy djiny.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٣٢

32Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

يَٰمَعۡشَرَ ٱلۡجِنِّ وَٱلۡإِنسِ إِنِ ٱسۡتَطَعۡتُمۡ أَن تَنفُذُواْ مِنۡ أَقۡطَارِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ فَٱنفُذُواْۚ لَا تَنفُذُونَ إِلَّا بِسُلۡطَٰنٖ﴿٣٣

33Ry djiny sy ny olombelona ! Raha afaka mivoaka ivelan’ny sehatry ny lanitra sy ny tany ianareo, dia ataovy. Fa tsy afaka ny hivoaka ao ianareo, raha tsy amin’ny alalan’ny fahefana tsy manam-petra.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٣٤

34Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

يُرۡسَلُ عَلَيۡكُمَا شُوَاظٞ مِّن نَّارٖ وَنُحَاسٞ فَلَا تَنتَصِرَانِ﴿٣٥

35Ho alefa aminareo ny lelan’afo sy ny setroka, ka tsy hisy mpamonjy ianareo.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٣٦

36Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

فَإِذَا ٱنشَقَّتِ ٱلسَّمَآءُ فَكَانَتۡ وَرۡدَةٗ كَٱلدِّهَانِ﴿٣٧

37Ary rehefa hitriatra ny lanitra dia hivaivay tahaka ny hoditra mena.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٣٨

38Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

فَيَوۡمَئِذٖ لَّا يُسۡـَٔلُ عَن ذَنۢبِهِۦٓ إِنسٞ وَلَا جَآنّٞ﴿٣٩

39Amin’izay dia tsy hametrahana fanontaniana mikasika ny fahotany na ny olombelona na ny djiny.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٤٠

40Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

يُعۡرَفُ ٱلۡمُجۡرِمُونَ بِسِيمَٰهُمۡ فَيُؤۡخَذُ بِٱلنَّوَٰصِي وَٱلۡأَقۡدَامِ﴿٤١

41Ho fantatra amin’endriny ireo mpanao ratsy. Ary ho raisina amin’ny volon-dohany sy ny tongony izy ireo .

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٤٢

42Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

هَٰذِهِۦ جَهَنَّمُ ٱلَّتِي يُكَذِّبُ بِهَا ٱلۡمُجۡرِمُونَ﴿٤٣

43Indro ny afobe izay nataon’ireo mpanao ratsy ho lainga .

يَطُوفُونَ بَيۡنَهَا وَبَيۡنَ حَمِيمٍ ءَانٖ﴿٤٤

44Hivezivezy eo amin’ny afo sy ny rano mangotraka tena mahamay izy ireo.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٤٥

45Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

وَلِمَنۡ خَافَ مَقَامَ رَبِّهِۦ جَنَّتَانِ﴿٤٦

46Ary ho an’izay matahotra ny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony dia hahazo zaridaina roa izy.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٤٧

47Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

ذَوَاتَآ أَفۡنَانٖ﴿٤٨

48Izay misy ratsan-kazo maro.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٤٩

49Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

فِيهِمَا عَيۡنَانِ تَجۡرِيَانِ﴿٥٠

50Hisy loharano anankiroa mikoriana ao.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٥١

51Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

فِيهِمَا مِن كُلِّ فَٰكِهَةٖ زَوۡجَانِ﴿٥٢

52Misy karazany roa isaky ny voankazo ao.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٥٣

53Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

مُتَّكِـِٔينَ عَلَىٰ فُرُشِۭ بَطَآئِنُهَا مِنۡ إِسۡتَبۡرَقٖۚ وَجَنَى ٱلۡجَنَّتَيۡنِ دَانٖ﴿٥٤

54Hitehin-kiho eo ambon'ny lamaka misy lamba lasoa kotofo am-bolamena izy ireo, ary ho azony takarina ireo voankazo ao amin’ny zaridaina roa.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٥٥

55Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

فِيهِنَّ قَٰصِرَٰتُ ٱلطَّرۡفِ لَمۡ يَطۡمِثۡهُنَّ إِنسٞ قَبۡلَهُمۡ وَلَا جَآنّٞ﴿٥٦

56Hahita tovovavin’ny paradisa manana fijery madio izy ireo ao, tsy mbola niray ara-nofo, na tamin’ny olona, na tamin’ny djiny talohan’izy ireo.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٥٧

57Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

كَأَنَّهُنَّ ٱلۡيَاقُوتُ وَٱلۡمَرۡجَانُ﴿٥٨

58Ho tahaka ny vato soa sy haran-drano masina izy ireo.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٥٩

59Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

هَلۡ جَزَآءُ ٱلۡإِحۡسَٰنِ إِلَّا ٱلۡإِحۡسَٰنُ﴿٦٠

60Moa misy valisoa hafa ho an’ny tsara va ankoatrany ny tsara ?

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٦١

61Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

وَمِن دُونِهِمَا جَنَّتَانِ﴿٦٢

62Ankoatra ireo zaridaina roa ireo dia misy zaridaina roa hafa.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٦٣

63Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

مُدۡهَآمَّتَانِ﴿٦٤

64Maitso antitra izy ireo.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٦٥

65Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

فِيهِمَا عَيۡنَانِ نَضَّاخَتَانِ﴿٦٦

66Ka hisy loharano miboiboika ao anatiny.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٦٧

67Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

فِيهِمَا فَٰكِهَةٞ وَنَخۡلٞ وَرُمَّانٞ﴿٦٨

68Misy voankazo, hazon'ny palma, sy fototr’amponga ben-danitra ao.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٦٩

69Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

فِيهِنَّ خَيۡرَٰتٌ حِسَانٞ﴿٧٠

70Hisy tsara fitondran-tena sy tsara tarehy ao.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٧١

71Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

حُورٞ مَّقۡصُورَٰتٞ فِي ٱلۡخِيَامِ﴿٧٢

72Tovovavin’ny paradisa mihidy ao amin’ny tranolay,

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٧٣

73Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

لَمۡ يَطۡمِثۡهُنَّ إِنسٞ قَبۡلَهُمۡ وَلَا جَآنّٞ﴿٧٤

74Izay tsy mbola niray ara-nofo tamin'olona na djiny talohan’izy ireo.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٧٥

75Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

مُتَّكِـِٔينَ عَلَىٰ رَفۡرَفٍ خُضۡرٖ وَعَبۡقَرِيٍّ حِسَانٖ﴿٧٦

76Hitehin-kiho eo ambony ondan-tseza maitso sy karipetra matevina sady tsara izy ireo.

فَبِأَيِّ ءَالَآءِ رَبِّكُمَا تُكَذِّبَانِ﴿٧٧

77Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?

تَبَٰرَكَ ٱسۡمُ رَبِّكَ ذِي ٱلۡجَلَٰلِ وَٱلۡإِكۡرَامِ﴿٧٨

78Hamasinina anie ny Anaran’ny Tomponao, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana !

RELATED SURAHS