Al-Waqi'ah

الواقعة

The Event96 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

إِذَا وَقَعَتِ ٱلۡوَاقِعَةُ﴿١

1Rehefa ho avy tokoa ny fisehoan-javatra.

لَيۡسَ لِوَقۡعَتِهَا كَاذِبَةٌ﴿٢

2Dia tsy hisy hiampanga ny fiaviany ho lainga.

خَافِضَةٞ رَّافِعَةٌ﴿٣

3Hampidina ny sasany izy fa hampiakatra ny hafa.

إِذَا رُجَّتِ ٱلۡأَرۡضُ رَجّٗا﴿٤

4Rehefa hihorohoro mafy ny tany.

وَبُسَّتِ ٱلۡجِبَالُ بَسّٗا﴿٥

5Ary hiforotra ireo tendrombohitra.

فَكَانَتۡ هَبَآءٗ مُّنۢبَثّٗا﴿٦

6Ka ho lasa vovoka miparitaka.

وَكُنتُمۡ أَزۡوَٰجٗا ثَلَٰثَةٗ﴿٧

7Ary amin’izany dia ho sokajy telo ianareo :

فَأَصۡحَٰبُ ٱلۡمَيۡمَنَةِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡمَيۡمَنَةِ﴿٨

8Ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?

وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡمَشۡـَٔمَةِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡمَشۡـَٔمَةِ﴿٩

9Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?

وَٱلسَّٰبِقُونَ ٱلسَّٰبِقُونَ﴿١٠

10Ireo voalohany dia izy ireo no ho voalohany.

أُوْلَٰٓئِكَ ٱلۡمُقَرَّبُونَ﴿١١

11Izy ireny no akaiky indrindra an’I Allah

فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ﴿١٢

12Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana.

ثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ﴿١٣

13Maro ireo voafidy amin’ny taranaka voalohany.

وَقَلِيلٞ مِّنَ ٱلۡأٓخِرِينَ﴿١٤

14Fa vitsy kosa amin’ireo taranaka farany.

عَلَىٰ سُرُرٖ مَّوۡضُونَةٖ﴿١٥

15Eo ambon'ny farafara voaravaka.

مُّتَّكِـِٔينَ عَلَيۡهَا مُتَقَٰبِلِينَ﴿١٦

16Mitehin-kiho izy ireo eo amin’izany, sady mifanatrika.

يَطُوفُ عَلَيۡهِمۡ وِلۡدَٰنٞ مُّخَلَّدُونَ﴿١٧

17Hivezivezy eo amin’izy ireo, ireo zaza lahy tanora mandrakizay.

بِأَكۡوَابٖ وَأَبَارِيقَ وَكَأۡسٖ مِّن مَّعِينٖ﴿١٨

18Miaraka amin’ireo kapoaka sy tavoara ary vera feno zava-pisotron-doharano.

لَّا يُصَدَّعُونَ عَنۡهَا وَلَا يُنزِفُونَ﴿١٩

19Izay tsy hamparary an-doha na hahafanina azy ireo .

وَفَٰكِهَةٖ مِّمَّا يَتَخَيَّرُونَ﴿٢٠

20Ary voankazo araka izay safidin’izy ireo.

وَلَحۡمِ طَيۡرٖ مِّمَّا يَشۡتَهُونَ﴿٢١

21Sy henam-borona izay ankafizin’izy ireo.

وَحُورٌ عِينٞ﴿٢٢

22Ary hahazo tovovavin’ny Paradisa baribarimaso, sady tsara izy ireo.

كَأَمۡثَٰلِ ٱللُّؤۡلُوِٕ ٱلۡمَكۡنُونِ﴿٢٣

23Toy ireny vatosoa tsara tahiry.

جَزَآءَۢ بِمَا كَانُواْ يَعۡمَلُونَ﴿٢٤

24Ho valisoa amin’izay nataon’izy ireo.

لَا يَسۡمَعُونَ فِيهَا لَغۡوٗا وَلَا تَأۡثِيمًا﴿٢٥

25Tsy hare teniteny foana na teny ratsy izy ireo ao .

إِلَّا قِيلٗا سَلَٰمٗا سَلَٰمٗا﴿٢٦

26Afa-tsy ny teny hoe : “ Fiadanana ! Fiadanana ! ” (Salam !Salam !).

وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡيَمِينِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلۡيَمِينِ﴿٢٧

27Ary ireo olon’ny an-kavanana. Iza moa ireo olon’ny an-kavanana ?

فِي سِدۡرٖ مَّخۡضُودٖ﴿٢٨

28Ho eo amin’ny hazona mokonazy tsy misy tsilo izy ireo.

وَطَلۡحٖ مَّنضُودٖ﴿٢٩

29Ary ho eo amin’ireo fototr’akondro misy lafiny vaventy.

وَظِلّٖ مَّمۡدُودٖ﴿٣٠

30Ao anaty aloka midadasika.

وَمَآءٖ مَّسۡكُوبٖ﴿٣١

31Eo amin’ny rano mikoriana lalandava.

وَفَٰكِهَةٖ كَثِيرَةٖ﴿٣٢

32Sy voankazo sesehena.

لَّا مَقۡطُوعَةٖ وَلَا مَمۡنُوعَةٖ﴿٣٣

33Izay tsy misy fitsaharany na koa fandrarana.

وَفُرُشٖ مَّرۡفُوعَةٍ﴿٣٤

34Eo ambon'ny farafara avo.

إِنَّآ أَنشَأۡنَٰهُنَّ إِنشَآءٗ﴿٣٥

35Izahay no Nahary ireo tovovavin’ny Paradisa ho tonga lafatra.

فَجَعَلۡنَٰهُنَّ أَبۡكَارًا﴿٣٦

36Ka nataonay ho virijiny izy ireo.

عُرُبًا أَتۡرَابٗا﴿٣٧

37Mahatehotia, mitovy taona avokoa.

لِّأَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ﴿٣٨

38Ho an’ireo olon’ny an-kavanana.

ثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ﴿٣٩

39Maro no voafidy tamin’ireo taranaka voalohany.

وَثُلَّةٞ مِّنَ ٱلۡأٓخِرِينَ﴿٤٠

40Ary maro ihany koa no voafidy tamin’ireo taranaka farany.

وَأَصۡحَٰبُ ٱلشِّمَالِ مَآ أَصۡحَٰبُ ٱلشِّمَالِ﴿٤١

41Ary ireo olon’ny an-kavia. Iza moa ireo olon’ny an-kavia ?

فِي سَمُومٖ وَحَمِيمٖ﴿٤٢

42Ho ao afovoan’ny rivotra mamay sy rano mangotraka izy ireo.

وَظِلّٖ مِّن يَحۡمُومٖ﴿٤٣

43Eo amin’ny alokin'ny setroka mainty.

لَّا بَارِدٖ وَلَا كَرِيمٍ﴿٤٤

44Sady tsy mangatsiatsiaka no tsy malefaka.

إِنَّهُمۡ كَانُواْ قَبۡلَ ذَٰلِكَ مُتۡرَفِينَ﴿٤٥

45Niaina tao anatin’ny adalana izy ireo taloha.

وَكَانُواْ يُصِرُّونَ عَلَى ٱلۡحِنثِ ٱلۡعَظِيمِ﴿٤٦

46Ary nilomamo tao anatin’ny fahotana lehibe (izy ireo).

وَكَانُواْ يَقُولُونَ أَئِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ﴿٤٧

47Ka niteny hoe : “ Rehefa maty ka ho vovoka sy taolana izahay dia mbola ho hatsangana va ?"

أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ﴿٤٨

48Na koa ireo razambenay taloha ?

قُلۡ إِنَّ ٱلۡأَوَّلِينَ وَٱلۡأٓخِرِينَ﴿٤٩

49Dia lazao hoe : “ Marina fa ireo voalohany sy ireo farany"

لَمَجۡمُوعُونَ إِلَىٰ مِيقَٰتِ يَوۡمٖ مَّعۡلُومٖ﴿٥٠

50Dia havory avokoa amin’ny fotoan’ilay andro efa fantatra.

ثُمَّ إِنَّكُمۡ أَيُّهَا ٱلضَّآلُّونَ ٱلۡمُكَذِّبُونَ﴿٥١

51Ary ianareo diso lalana, izay niampanga izany ho lainga.

لَأٓكِلُونَ مِن شَجَرٖ مِّن زَقُّومٖ﴿٥٢

52Dia tsy maintsy hihinana amin’ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe) ianareo.

فَمَالِـُٔونَ مِنۡهَا ٱلۡبُطُونَ﴿٥٣

53Ka hameno kibo amin’izany.

فَشَٰرِبُونَ عَلَيۡهِ مِنَ ٱلۡحَمِيمِ﴿٥٤

54Sady hisotro rano mangotraka(maimbo) ianareo ankoatr’izany.

فَشَٰرِبُونَ شُرۡبَ ٱلۡهِيمِ﴿٥٥

55Hisotro amin’izany tahaka ny fisotroan’ny rameva mangetaheta ianareo.

هَٰذَا نُزُلُهُمۡ يَوۡمَ ٱلدِّينِ﴿٥٦

56Izany no anjara haroso azy ireo amin’ny andro famaliana.

نَحۡنُ خَلَقۡنَٰكُمۡ فَلَوۡلَا تُصَدِّقُونَ﴿٥٧

57Izahay no Nahary anareo. Koa nahoana àry no tsy hino ianareo ?

أَفَرَءَيۡتُم مَّا تُمۡنُونَ﴿٥٨

58Hitanareo va ny tsirin'aina avoakanareo.

ءَأَنتُمۡ تَخۡلُقُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡخَٰلِقُونَ﴿٥٩

59Ianareo va no nanamboatra azy, sa Izahay no Mpahary ?

نَحۡنُ قَدَّرۡنَا بَيۡنَكُمُ ٱلۡمَوۡتَ وَمَا نَحۡنُ بِمَسۡبُوقِينَ﴿٦٠

60Efa noferanay ny fahafatesana eo aminareo ka tsy ho voasakana mihitsy izahay.

عَلَىٰٓ أَن نُّبَدِّلَ أَمۡثَٰلَكُمۡ وَنُنشِئَكُمۡ فِي مَا لَا تَعۡلَمُونَ﴿٦١

61Hanolo anareo amin’izay mitovy aminareo ary hamelona anareo indray amin’izay tsy fantatrareo.

وَلَقَدۡ عَلِمۡتُمُ ٱلنَّشۡأَةَ ٱلۡأُولَىٰ فَلَوۡلَا تَذَكَّرُونَ﴿٦٢

62Nahafantatra ny famoronana voalohany ianareo. Ka moa tsy tsaroanareo va izany ?

أَفَرَءَيۡتُم مَّا تَحۡرُثُونَ﴿٦٣

63Mba hitanareo va ny asa-tany izay ataonareo ?

ءَأَنتُمۡ تَزۡرَعُونَهُۥٓ أَمۡ نَحۡنُ ٱلزَّٰرِعُونَ﴿٦٤

64Ianareo va no mamboly izany ? Sa Izahay no Mpamboly ?

لَوۡ نَشَآءُ لَجَعَلۡنَٰهُ حُطَٰمٗا فَظَلۡتُمۡ تَفَكَّهُونَ﴿٦٥

65Raha tianay dia ho potehinay izany. Ary dia tsy hitsahatra ny fahagaganareo:

إِنَّا لَمُغۡرَمُونَ﴿٦٦

66Indro izahay fa vesaran-trosa !

بَلۡ نَحۡنُ مَحۡرُومُونَ﴿٦٧

67Fa izahay dia nisakanana sy noraraina.

أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلۡمَآءَ ٱلَّذِي تَشۡرَبُونَ﴿٦٨

68Hitanareo va ny rano izay sotroinareo ?

ءَأَنتُمۡ أَنزَلۡتُمُوهُ مِنَ ٱلۡمُزۡنِ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنزِلُونَ﴿٦٩

69Ianareo va no nampidina azy avy eny amin’ny rahona ? Sa Izahay no Mpampidina izany?

لَوۡ نَشَآءُ جَعَلۡنَٰهُ أُجَاجٗا فَلَوۡلَا تَشۡكُرُونَ﴿٧٠

70Raha tianay dia nataonay masira izany. Koa nahoana àry ianareo no tsy mahay mankasitraka ?

أَفَرَءَيۡتُمُ ٱلنَّارَ ٱلَّتِي تُورُونَ﴿٧١

71Mba hitanareo va ny afo izay arehitrareo ?

ءَأَنتُمۡ أَنشَأۡتُمۡ شَجَرَتَهَآ أَمۡ نَحۡنُ ٱلۡمُنشِـُٔونَ﴿٧٢

72Ianareo va no nahary ny hazo sa Izahay no Mpahary ?

نَحۡنُ جَعَلۡنَٰهَا تَذۡكِرَةٗ وَمَتَٰعٗا لِّلۡمُقۡوِينَ﴿٧٣

73Nataonay ho fampahatsiarovana izany, sy ho fitaovana ilain’izay mila azy.

فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ﴿٧٤

74Koa ankalazao àry ny Anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !

۞ فَلَآ أُقۡسِمُ بِمَوَٰقِعِ ٱلنُّجُومِ﴿٧٥

75Tsia ! Mianiana amin’ny alalan’ny toeran’ireo kintana eny amin’ny habakabaka Aho.

وَإِنَّهُۥ لَقَسَمٞ لَّوۡ تَعۡلَمُونَ عَظِيمٌ﴿٧٦

76Fa tena fianianana lehibe izany, raha mba fantatrareo mantsy.

إِنَّهُۥ لَقُرۡءَانٞ كَرِيمٞ﴿٧٧

77Ary tena Koroany mendrika.

فِي كِتَٰبٖ مَّكۡنُونٖ﴿٧٨

78Ao anaty Boky voaaro tsara.

لَّا يَمَسُّهُۥٓ إِلَّا ٱلۡمُطَهَّرُونَ﴿٧٩

79Ka izay voadio ihany no mikasika azy .

تَنزِيلٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿٨٠

80Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao.

أَفَبِهَٰذَا ٱلۡحَدِيثِ أَنتُم مُّدۡهِنُونَ﴿٨١

81Moa izany lahateny izany va no lazainareo ho lainga ?

وَتَجۡعَلُونَ رِزۡقَكُمۡ أَنَّكُمۡ تُكَذِّبُونَ﴿٨٢

82Fomba hankasitrahanareo ny anjaram-pahasoavanareo ny filazanareo ny Koroany ho lainga ?

فَلَوۡلَآ إِذَا بَلَغَتِ ٱلۡحُلۡقُومَ﴿٨٣

83Rehefa miakatra eo an-tenda ny aina.

وَأَنتُمۡ حِينَئِذٖ تَنظُرُونَ﴿٨٤

84Ary mijery ianareo amin’izany fotoana izany.

وَنَحۡنُ أَقۡرَبُ إِلَيۡهِ مِنكُمۡ وَلَٰكِن لَّا تُبۡصِرُونَ﴿٨٥

85Dia izahay no akaiky azy kokoa noho ianareo, saingy tsy hitanareo mihitsy.

فَلَوۡلَآ إِن كُنتُمۡ غَيۡرَ مَدِينِينَ﴿٨٦

86Ahoana àry, raha mino ianareo fa tsy ho tsaraina.

تَرۡجِعُونَهَآ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ﴿٨٧

87No tsy averinareo izy, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ?

فَأَمَّآ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡمُقَرَّبِينَ﴿٨٨

88Fa raha isan’ireo manakaiky an’I Allah izy.

فَرَوۡحٞ وَرَيۡحَانٞ وَجَنَّتُ نَعِيمٖ﴿٨٩

89Dia hahazo fialan-tsasatra, sy hanitra, ary zaridainam-pahasambarana.

وَأَمَّآ إِن كَانَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ﴿٩٠

90Ary raha isan’ireo olon’ny an-kavanana izy.

فَسَلَٰمٞ لَّكَ مِنۡ أَصۡحَٰبِ ٱلۡيَمِينِ﴿٩١

91(Dia hilaza hoe) : “ Fiadanana ho anao ! ”, avy amin’ireo olon’ny an-kavanana.

وَأَمَّآ إِن كَانَ مِنَ ٱلۡمُكَذِّبِينَ ٱلضَّآلِّينَ﴿٩٢

92Fa raha isan’ireo nilaza lainga kosa izy, sady very làlana.

فَنُزُلٞ مِّنۡ حَمِيمٖ﴿٩٣

93Dia hapetraka ao anaty rano mangotraka.

وَتَصۡلِيَةُ جَحِيمٍ﴿٩٤

94Ka ho dioavina ao anatin'ny afo mamaivay.

إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ حَقُّ ٱلۡيَقِينِ﴿٩٥

95Izany no marina tena azo antoka tanteraka.

فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ﴿٩٦

96Ka ankalazao àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra !

RELATED SURAHS