Al-Ma'arij

المعارج

The Ascending Stairways44 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

سَأَلَ سَآئِلُۢ بِعَذَابٖ وَاقِعٖ﴿١

1Nisy mpanontany iray nanontany ny famaizana hihatra.

لِّلۡكَٰفِرِينَ لَيۡسَ لَهُۥ دَافِعٞ﴿٢

2Amin’ireo tsy mpino, izay tsy azon’iza na iza ho toherina.

مِّنَ ٱللَّهِ ذِي ٱلۡمَعَارِجِ﴿٣

3Avy amin’I Allah, ilay Tompon’ny lalan’ny fiakarana.

تَعۡرُجُ ٱلۡمَلَٰٓئِكَةُ وَٱلرُّوحُ إِلَيۡهِ فِي يَوۡمٖ كَانَ مِقۡدَارُهُۥ خَمۡسِينَ أَلۡفَ سَنَةٖ﴿٤

4Miakatra any Aminy ireo Anjely sy ilay Fanahy, amin’ny andro iray izay mitovy faharetana amin’ny dimy alina taona.

فَٱصۡبِرۡ صَبۡرٗا جَمِيلًا﴿٥

5Koa manàna faharetana tsara.

إِنَّهُمۡ يَرَوۡنَهُۥ بَعِيدٗا﴿٦

6Lavitra no fahitan’izy ireo izany.

وَنَرَىٰهُ قَرِيبٗا﴿٧

7Ary kanefa tena akaiky ny fahitanay azy.

يَوۡمَ تَكُونُ ٱلسَّمَآءُ كَٱلۡمُهۡلِ﴿٨

8Andro izay hahatonga ny lanitra ho toy ny vy miempo.

وَتَكُونُ ٱلۡجِبَالُ كَٱلۡعِهۡنِ﴿٩

9Ary ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.

وَلَا يَسۡـَٔلُ حَمِيمٌ حَمِيمٗا﴿١٠

10Ary tsy hanontanian’ny namana mahatoky ny namany intsony.

يُبَصَّرُونَهُمۡۚ يَوَدُّ ٱلۡمُجۡرِمُ لَوۡ يَفۡتَدِي مِنۡ عَذَابِ يَوۡمِئِذِۭ بِبَنِيهِ﴿١١

11Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy.

وَصَٰحِبَتِهِۦ وَأَخِيهِ﴿١٢

12Ary ny vadiny, sy ny rahalahiny.

وَفَصِيلَتِهِ ٱلَّتِي تُـٔۡوِيهِ﴿١٣

13Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza.

وَمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ جَمِيعٗا ثُمَّ يُنجِيهِ﴿١٤

14Sy izay rehetra eto an-tany izay afaka hanavotra azy.

كَلَّآۖ إِنَّهَا لَظَىٰ﴿١٥

15Saingy tsy hisy izany fa afo mamaivay.

نَزَّاعَةٗ لِّلشَّوَىٰ﴿١٦

16No hanala an-keriny ny hodi-doha.

تَدۡعُواْ مَنۡ أَدۡبَرَ وَتَوَلَّىٰ﴿١٧

17Antsoiny izay nanome lamosina sy nihataka.

وَجَمَعَ فَأَوۡعَىٰٓ﴿١٨

18Ary nanangona sy nitahiry.

۞ إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ خُلِقَ هَلُوعًا﴿١٩

19Eny ! Nohariana tsy hahatombina ny olombelona.

إِذَا مَسَّهُ ٱلشَّرُّ جَزُوعٗا﴿٢٠

20Kivy izy rehefa niharan’ny loza.

وَإِذَا مَسَّهُ ٱلۡخَيۡرُ مَنُوعًا﴿٢١

21Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà.

إِلَّا ٱلۡمُصَلِّينَ﴿٢٢

22Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana.

ٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ دَآئِمُونَ﴿٢٣

23Izay mandala mandrakariva izany (vavaka fanompoana).

وَٱلَّذِينَ فِيٓ أَمۡوَٰلِهِمۡ حَقّٞ مَّعۡلُومٞ﴿٢٤

24Ary manana adidy voafaritra tsara amin’ny fananany.

لِّلسَّآئِلِ وَٱلۡمَحۡرُومِ﴿٢٥

25Ho an’ny mpangataka sy ny tsy manana.

وَٱلَّذِينَ يُصَدِّقُونَ بِيَوۡمِ ٱلدِّينِ﴿٢٦

26Ary mino tanteraka ny andro famaliana.

وَٱلَّذِينَ هُم مِّنۡ عَذَابِ رَبِّهِم مُّشۡفِقُونَ﴿٢٧

27Sy izay matahotra fatratra ny famaizan’ny Tompon’izy ireo.

إِنَّ عَذَابَ رَبِّهِمۡ غَيۡرُ مَأۡمُونٖ﴿٢٨

28Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony.

وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِفُرُوجِهِمۡ حَٰفِظُونَ﴿٢٩

29Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany.

إِلَّا عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِهِمۡ أَوۡ مَا مَلَكَتۡ أَيۡمَٰنُهُمۡ فَإِنَّهُمۡ غَيۡرُ مَلُومِينَ﴿٣٠

30ka tsy manao firaisana afa-tsy amin'ny vadiny, na amin'ny mpanompony, fa tsy azo omen-tsiny amin'izany izy ireo.

فَمَنِ ٱبۡتَغَىٰ وَرَآءَ ذَٰلِكَ فَأُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡعَادُونَ﴿٣١

31Fa izay mitady fahafinaretana ankoatr'izany kosa dia izy ireo tokoa no mpandika lalàna.

وَٱلَّذِينَ هُمۡ لِأَمَٰنَٰتِهِمۡ وَعَهۡدِهِمۡ رَٰعُونَ﴿٣٢

32Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena .

وَٱلَّذِينَ هُم بِشَهَٰدَٰتِهِمۡ قَآئِمُونَ﴿٣٣

33Ary mijoro ho vavolombelona amin'ny fahamarinana.

وَٱلَّذِينَ هُمۡ عَلَىٰ صَلَاتِهِمۡ يُحَافِظُونَ﴿٣٤

34Sy izay mandala ny vavaka fanompoana ataony.

أُوْلَٰٓئِكَ فِي جَنَّٰتٖ مُّكۡرَمُونَ﴿٣٥

35Dia izy ireo no homem-boninahitra ao amin'ireo zaridaina.

فَمَالِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ قِبَلَكَ مُهۡطِعِينَ﴿٣٦

36Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ?

عَنِ ٱلۡيَمِينِ وَعَنِ ٱلشِّمَالِ عِزِينَ﴿٣٧

37Tonga ny andiany avy an-kavanana sy an-kavia .

أَيَطۡمَعُ كُلُّ ٱمۡرِيٕٖ مِّنۡهُمۡ أَن يُدۡخَلَ جَنَّةَ نَعِيمٖ﴿٣٨

38Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ?

كَلَّآۖ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّمَّا يَعۡلَمُونَ﴿٣٩

39Tsia ! Noharianay avy tamin'izay efa fantany izy ireo.

فَلَآ أُقۡسِمُ بِرَبِّ ٱلۡمَشَٰرِقِ وَٱلۡمَغَٰرِبِ إِنَّا لَقَٰدِرُونَ﴿٤٠

40Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana.

عَلَىٰٓ أَن نُّبَدِّلَ خَيۡرٗا مِّنۡهُمۡ وَمَا نَحۡنُ بِمَسۡبُوقِينَ﴿٤١

41Hanolo azy ireo amin'ny tsaratsara kokoa, ary tsy misy afaka hisakana anay amin'izany.

فَذَرۡهُمۡ يَخُوضُواْ وَيَلۡعَبُواْ حَتَّىٰ يُلَٰقُواْ يَوۡمَهُمُ ٱلَّذِي يُوعَدُونَ﴿٤٢

42Avelao ary izy ireo ho tafalatsaka lalina amin'ny tsy finoany sy ho variana mandra-pifanenany amin'ilay andro nampitandremana azy ireo.

يَوۡمَ يَخۡرُجُونَ مِنَ ٱلۡأَجۡدَاثِ سِرَاعٗا كَأَنَّهُمۡ إِلَىٰ نُصُبٖ يُوفِضُونَ﴿٤٣

43Andro izay hivoahan'izy ireo haingana ao am-pasana tahaky ny hihazakazaka ho eny amin'ny vatolahy.

خَٰشِعَةً أَبۡصَٰرُهُمۡ تَرۡهَقُهُمۡ ذِلَّةٞۚ ذَٰلِكَ ٱلۡيَوۡمُ ٱلَّذِي كَانُواْ يُوعَدُونَ﴿٤٤

44Ka hiondrika ny mason'izy ireo, hanarona azy ny fahafaham-baraka. Izany ilay andro nampitandremana azy ireo !

RELATED SURAHS