نوح
Noah • 28 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Nalefanay teo amin'ny vahoakan'i Noa : "Ilazao ny vahoakanao, mialohan'ny hiavian'ny famaizana mamirifiry amin'izy ireo."
2Hoy izy : "Ry vahoakako ! Mpampitandrina mazava ho anareo tokoa aho."
3Koa aoka ianareo hanompo an'I Allah, matahora Azy ary mankatoava ahy.
4Mba hamelany ny helokareo sy hanomezany fanemoram-potoana ho anareo, hatramin'ny fotoana voafetra. Saingy rehefa tonga ny fotoana noferan'I tompo Allah dia tsy ho azo ahemotra intsony izany, raha mba fantatrareo mantsy !
5Dia hoy izy : "Tompo o ! Niantso ny vahoakako andro aman'alina aho."
6Kanefa tsy nampitombo afa-tsy ny fandosiran'izy ireo ny antsoko.
7Ary isaky ny miantso azy ireo aho, mba hamelanao ny helony, dia nataon'izy ireo teo amin'ny sofiny ny rantsan-tanany, ary nasarony tamin'ny akanjony, be di-doha sady feno fanamboniantena.
8Avy eo dia nantsoiko an-karihary izy ireo.
9Avy eo nanaovako fanambarana ampahibemaso (izy ireo), sy bitsika miafina.
10Ka hoy aho : "Mangataha famelan-keloka amin'ny Tomponareo ianareo, fa Mpamela heloka tokoa Izy."
11Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra.
12Sy hampitomboiny ny harena sy ireo taranaka ho anareo, ary hanomezany anareo zaridaina sy renirano.
13Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ?
14Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo.
15Tsy hitanareo va ny naharian'I Allah ny lanitra fito mifanaingina ?
16Sy ny nanaovany ny volana ho hazavana, ary ny masoandro ho fanilo ?
17Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry.
18Avy eo dia averina ao ianareo ary havoakany avy ao indray.
19Fa i tompo Allah no nanao ny tany ho lamaka ho anareo.
20Mba hizoranareo amin'ny lalana malalaka.
21Hoy i Noa : "Tompo o ! Tsy nankato ahy izy ireo, fa nanaraka ilay nitombo fatiantoka nohon'ny fananany sy ireo zanany.
22Ary nanomana tetika goavana izy ireo.
23Ary niteny izy ireo hoe : "Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy "wadd", "sowa'a", "yaghouth", "ya'ouq" ary "nasr" na oviana na oviana.
24Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny.
25Rendrika izy ireo nohon'ny hadisoany, avy eo nampidirina tao anaty afo, ka tsy nahita mpamonjy ankoatran'i tompo Allah anefa izy ireo.
26Ka hoy i Noa : "Tompo o ! Aza avelanao hisy olona tsy mpino na dia iray aza eto an-tany."
27Fa raha avelanao izy ireo dia hamery lalana ireo mpanomponao, ka tsy hiteraka afa-tsy ny mpanota no sady tsy mpino.
28Tompo o ! Mamelà ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny".