As-Saffat

الصافات

Those Ranged in Ranks182 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلصَّٰٓفَّٰتِ صَفّٗا﴿١

1Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho,

فَٱلزَّٰجِرَٰتِ زَجۡرٗا﴿٢

2Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona),

فَٱلتَّٰلِيَٰتِ ذِكۡرًا﴿٣

3Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) :

إِنَّ إِلَٰهَكُمۡ لَوَٰحِدٞ﴿٤

4Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo,

رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَرَبُّ ٱلۡمَشَٰرِقِ﴿٥

5Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”.

إِنَّا زَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِزِينَةٍ ٱلۡكَوَاكِبِ﴿٦

6Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana,

وَحِفۡظٗا مِّن كُلِّ شَيۡطَٰنٖ مَّارِدٖ﴿٧

7Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra,

لَّا يَسَّمَّعُونَ إِلَى ٱلۡمَلَإِ ٱلۡأَعۡلَىٰ وَيُقۡذَفُونَ مِن كُلِّ جَانِبٖ﴿٨

8Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra,

دُحُورٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ وَاصِبٌ﴿٩

9Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo.

إِلَّا مَنۡ خَطِفَ ٱلۡخَطۡفَةَ فَأَتۡبَعَهُۥ شِهَابٞ ثَاقِبٞ﴿١٠

10Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka.

فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَهُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَم مَّنۡ خَلَقۡنَآۚ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّن طِينٖ لَّازِبِۭ﴿١١

11Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo.

بَلۡ عَجِبۡتَ وَيَسۡخَرُونَ﴿١٢

12Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo.

وَإِذَا ذُكِّرُواْ لَا يَذۡكُرُونَ﴿١٣

13Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany.

وَإِذَا رَأَوۡاْ ءَايَةٗ يَسۡتَسۡخِرُونَ﴿١٤

14Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany.

وَقَالُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٌ﴿١٥

15Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”.

أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ﴿١٦

16Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ?

أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ﴿١٧

17Na koa ireo razambenay taloha ? ”

قُلۡ نَعَمۡ وَأَنتُمۡ دَٰخِرُونَ﴿١٨

18Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”.

فَإِنَّمَا هِيَ زَجۡرَةٞ وَٰحِدَةٞ فَإِذَا هُمۡ يَنظُرُونَ﴿١٩

19Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery.

وَقَالُواْ يَٰوَيۡلَنَا هَٰذَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ﴿٢٠

20Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”.

هَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِ ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ﴿٢١

21“Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”.

۞ ٱحۡشُرُواْ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ وَأَزۡوَٰجَهُمۡ وَمَا كَانُواْ يَعۡبُدُونَ﴿٢٢

22“Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny,

مِن دُونِ ٱللَّهِ فَٱهۡدُوهُمۡ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡجَحِيمِ﴿٢٣

23Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo.

وَقِفُوهُمۡۖ إِنَّهُم مَّسۡـُٔولُونَ﴿٢٤

24Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana.

مَا لَكُمۡ لَا تَنَاصَرُونَ﴿٢٥

25“Nahoana àry ianareo no tsy mifamonjy ? ”

بَلۡ هُمُ ٱلۡيَوۡمَ مُسۡتَسۡلِمُونَ﴿٢٦

26Nefa amin’izany andro izany dia hankato tanteraka izy ireo

وَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ﴿٢٧

27Ary hifampitodika izy ireo hifanontany

قَالُوٓاْ إِنَّكُمۡ كُنتُمۡ تَأۡتُونَنَا عَنِ ٱلۡيَمِينِ﴿٢٨

28Hiteny izy ireo hoe : “Tonga taminay tamin’ny fanehoana ny tsara ianareo”.

قَالُواْ بَل لَّمۡ تَكُونُواْ مُؤۡمِنِينَ﴿٢٩

29Dia hoy izy ireo hoe : “ Ianareo koa aza tsy nino ”.

وَمَا كَانَ لَنَا عَلَيۡكُم مِّن سُلۡطَٰنِۭۖ بَلۡ كُنتُمۡ قَوۡمٗا طَٰغِينَ﴿٣٠

30Ary izahay dia tsy nanana fahefana taminareo. Fa ianareo kosa dia efa vahoaka mpihoa-pefy.

فَحَقَّ عَلَيۡنَا قَوۡلُ رَبِّنَآۖ إِنَّا لَذَآئِقُونَ﴿٣١

31Ary dia tanteraka aminay àry izao ny tenin’ny Tomponay, ka hanandrana (famaizana) tokoa izahay

فَأَغۡوَيۡنَٰكُمۡ إِنَّا كُنَّا غَٰوِينَ﴿٣٢

32Nofitahinay tokoa ianareo fa raha ny marina dia izahay mihitsy no efa very lalana.

فَإِنَّهُمۡ يَوۡمَئِذٖ فِي ٱلۡعَذَابِ مُشۡتَرِكُونَ﴿٣٣

33Ary amin’izany andro izany dia hitambatra ao anatin’ny famaizana izy rehetra.

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَفۡعَلُ بِٱلۡمُجۡرِمِينَ﴿٣٤

34Tahaka izany tokoa no hanaovanay ireo mpanao heloka bevava.

إِنَّهُمۡ كَانُوٓاْ إِذَا قِيلَ لَهُمۡ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا ٱللَّهُ يَسۡتَكۡبِرُونَ﴿٣٥

35Rehefa nilazana izy ireo hoe : “Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Allah” dia nanambony tena izy ireo.

وَيَقُولُونَ أَئِنَّا لَتَارِكُوٓاْ ءَالِهَتِنَا لِشَاعِرٖ مَّجۡنُونِۭ﴿٣٦

36Ary niteny hoe : “Moa ve izahay no hamela ireo zanaharinay nohon'ny mpanao tononkalo adala ?”

بَلۡ جَآءَ بِٱلۡحَقِّ وَصَدَّقَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ﴿٣٧

37Kanefa tonga niaraka tamin’ny fahamarinana izy ary nanamarina ireo Iraka (teo aloha).

إِنَّكُمۡ لَذَآئِقُواْ ٱلۡعَذَابِ ٱلۡأَلِيمِ﴿٣٨

38Marina tokoa fa ianareo dia tena hanandrana ny famaizana mangirifiry.

وَمَا تُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ﴿٣٩

39Ary tsy omena valin’asa ianareo raha tsy araka ny asa nataonareo ihany

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ﴿٤٠

40Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy

أُوْلَٰٓئِكَ لَهُمۡ رِزۡقٞ مَّعۡلُومٞ﴿٤١

41Ho azy ireny ny valin-kasasarana efa fantatra

فَوَٰكِهُ وَهُم مُّكۡرَمُونَ﴿٤٢

42Voankazo maro ary omen-kaja izy ireo

فِي جَنَّٰتِ ٱلنَّعِيمِ﴿٤٣

43.Ao amin’ny zaridainam-pahasambarana

عَلَىٰ سُرُرٖ مُّتَقَٰبِلِينَ﴿٤٤

44Eo ambonin’ireo farafara mifanatrika.

يُطَافُ عَلَيۡهِم بِكَأۡسٖ مِّن مَّعِينِۭ﴿٤٥

45Ho entina mitety azy ireo ny kaopy feno rano avy amin’ny loharano.

بَيۡضَآءَ لَذَّةٖ لِّلشَّٰرِبِينَ﴿٤٦

46Fotsy, ankafizin’ireo mpisotro azy.

لَا فِيهَا غَوۡلٞ وَلَا هُمۡ عَنۡهَا يُنزَفُونَ﴿٤٧

47Tsy misy hahavery (ny sain’izy ireo) ao, ary tsy hahamamo azy ireo izany.

وَعِندَهُمۡ قَٰصِرَٰتُ ٱلطَّرۡفِ عِينٞ﴿٤٨

48Ary izy ireo dia hanana vehivavy tsara, manana fijery maontina, baribary maso.

كَأَنَّهُنَّ بَيۡضٞ مَّكۡنُونٞ﴿٤٩

49Izy ireo dia tahaka ny atody voatahiry tsara.

فَأَقۡبَلَ بَعۡضُهُمۡ عَلَىٰ بَعۡضٖ يَتَسَآءَلُونَ﴿٥٠

50Ary ny sasany amin'izy ireo dia hitodika amin'ny ankilany hifanontany.

قَالَ قَآئِلٞ مِّنۡهُمۡ إِنِّي كَانَ لِي قَرِينٞ﴿٥١

51Hiteny ny iray amin’izy ireo hoe : “Izaho dia nana-namana"

يَقُولُ أَءِنَّكَ لَمِنَ ٱلۡمُصَدِّقِينَ﴿٥٢

52Izay niteny hoe : “moa ve ianao tena anisan’ireo mpino ?”

أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَدِينُونَ﴿٥٣

53“Moa ve raha maty isika ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho tsaraina ?”

قَالَ هَلۡ أَنتُم مُّطَّلِعُونَ﴿٥٤

54Hiteny izy hoe : “ Moa ve ianareo mba te-hitazana avy aty ambony ?”

فَٱطَّلَعَ فَرَءَاهُ فِي سَوَآءِ ٱلۡجَحِيمِ﴿٥٥

55Dia nijery avy eny ambony izy ka nahatazana azy teo afovoan’ny afobe

قَالَ تَٱللَّهِ إِن كِدتَّ لَتُرۡدِينِ﴿٥٦

56Ary hiteny izy hoe : “Mianiana amin’I Allah aho fa saika noverezinao aho !”

وَلَوۡلَا نِعۡمَةُ رَبِّي لَكُنتُ مِنَ ٱلۡمُحۡضَرِينَ﴿٥٧

57Ary raha tsy noho ny fahasoavan’ny Tompoko dia tena anisan’ireo tao (anatin’ny afobe) koa aho.

أَفَمَا نَحۡنُ بِمَيِّتِينَ﴿٥٨

58Moa ve marina fa tsy ho faty isika,

إِلَّا مَوۡتَتَنَا ٱلۡأُولَىٰ وَمَا نَحۡنُ بِمُعَذَّبِينَ﴿٥٩

59Afa-tsy ny fahafatesantsika tamin’ny voalohany ary tsy ho faizina isika”

إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡعَظِيمُ﴿٦٠

60Marina fa izany tokoa ilay fahombiazana lehibe.

لِمِثۡلِ هَٰذَا فَلۡيَعۡمَلِ ٱلۡعَٰمِلُونَ﴿٦١

61Ho an’ny zavatra toy izany no tokony hiasan’ireo izay miasa.

أَذَٰلِكَ خَيۡرٞ نُّزُلًا أَمۡ شَجَرَةُ ٱلزَّقُّومِ﴿٦٢

62Moa ve tsy izany no mendrika kokoa ho fonenana sa ny hazon’ny Zakkom[105]

إِنَّا جَعَلۡنَٰهَا فِتۡنَةٗ لِّلظَّٰلِمِينَ﴿٦٣

63Marina fa Izahay dia nanao izany ho fitsapana ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.

إِنَّهَا شَجَرَةٞ تَخۡرُجُ فِيٓ أَصۡلِ ٱلۡجَحِيمِ﴿٦٤

64Izany dia hazo izay mivoaka avy any amin’ny farany ambany amin’ny afobe.

طَلۡعُهَا كَأَنَّهُۥ رُءُوسُ ٱلشَّيَٰطِينِ﴿٦٥

65Ireo voany dia tahaka ny lohan’ireo satana.

فَإِنَّهُمۡ لَأٓكِلُونَ مِنۡهَا فَمَالِـُٔونَ مِنۡهَا ٱلۡبُطُونَ﴿٦٦

66Tsy maintsy mihinana amin'izany izy ireo ary hameno ny kibony

ثُمَّ إِنَّ لَهُمۡ عَلَيۡهَا لَشَوۡبٗا مِّنۡ حَمِيمٖ﴿٦٧

67Manaraka izany dia hisy avy eny ambony ny fifangaroan-drano ratsy, mangotraka ho an’izy ireo.

ثُمَّ إِنَّ مَرۡجِعَهُمۡ لَإِلَى ٱلۡجَحِيمِ﴿٦٨

68Ary ny fiverenan’izy ireo dia mankany amin’ny afobe (Djahim)

إِنَّهُمۡ أَلۡفَوۡاْ ءَابَآءَهُمۡ ضَآلِّينَ﴿٦٩

69Izy ireo dia nahita ireo razambeny tao anatin’ny fahaverezana

فَهُمۡ عَلَىٰٓ ءَاثَٰرِهِمۡ يُهۡرَعُونَ﴿٧٠

70Koa indro izy ireo mihazakazaka manaraka ny dian’izy ireo.

وَلَقَدۡ ضَلَّ قَبۡلَهُمۡ أَكۡثَرُ ٱلۡأَوَّلِينَ﴿٧١

71Ary izany no tena nahavery ny ankamaroan’ireo efa talohan’izy ireo.

وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا فِيهِم مُّنذِرِينَ﴿٧٢

72Ary efa nalefanay tokoa tamin’izy ireo ny mpampitandrina maro.

فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُنذَرِينَ﴿٧٣

73Jereo àry, mba nanao ahoana ny fiafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ﴿٧٤

74Afa-tsy ireo mpanompon’i Allah izay voafidy.

وَلَقَدۡ نَادَىٰنَا نُوحٞ فَلَنِعۡمَ ٱلۡمُجِيبُونَ﴿٧٥

75Ary efa niantso anay tokoa i Noa fa izahay no mpamaly ny antso tsara indrindra.

وَنَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥ مِنَ ٱلۡكَرۡبِ ٱلۡعَظِيمِ﴿٧٦

76Ary navotanay izy sy ny fianakaviany tamin’ny tebiteby lehibe.

وَجَعَلۡنَا ذُرِّيَّتَهُۥ هُمُ ٱلۡبَاقِينَ﴿٧٧

77Ary nataonay ny taranany no hany sisa tavela.

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ﴿٧٨

78Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.

سَلَٰمٌ عَلَىٰ نُوحٖ فِي ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿٧٩

79Fiadanana ho an’i Noa eo amin’izao tontolo izao

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ﴿٨٠

80Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.

إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ﴿٨١

81Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.

ثُمَّ أَغۡرَقۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ﴿٨٢

82Ary dia narendrikay ireo vahoaka sasany.

۞ وَإِنَّ مِن شِيعَتِهِۦ لَإِبۡرَٰهِيمَ﴿٨٣

83Ary anisany mpiray finoana aminy tokoa i Ibrahim (Abrahama)

إِذۡ جَآءَ رَبَّهُۥ بِقَلۡبٖ سَلِيمٍ﴿٨٤

84Raha tonga tamin’ny Tompony izy amin’ny fo madio.

إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦ مَاذَا تَعۡبُدُونَ﴿٨٥

85Rehefa niteny izy tamin’ny Rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?"

أَئِفۡكًا ءَالِهَةٗ دُونَ ٱللَّهِ تُرِيدُونَ﴿٨٦

86Mitady Tompo maro hafa ivelan’I Allah ve ianareo ?

فَمَا ظَنُّكُم بِرَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿٨٧

87Inona ary ny hevitrareo mahakasika ny Tompon'izao tontolo izao ?

فَنَظَرَ نَظۡرَةٗ فِي ٱلنُّجُومِ﴿٨٨

88Avy eo dia nanopy maso izy ka nijery ireo kintana

فَقَالَ إِنِّي سَقِيمٞ﴿٨٩

89Sady niteny izy hoe : “Marina tokoa fa marary aho”

فَتَوَلَّوۡاْ عَنۡهُ مُدۡبِرِينَ﴿٩٠

90Nimboho azy izy ireo dia nandeha.

فَرَاغَ إِلَىٰٓ ءَالِهَتِهِمۡ فَقَالَ أَلَا تَأۡكُلُونَ﴿٩١

91Dia nizotra moramora nankany amin’ny sampin’izy ireo izy, ary niteny hoe : “Moa ve tsy mihinana ianareo ?"

مَا لَكُمۡ لَا تَنطِقُونَ﴿٩٢

92Fa inona no tsy mampiteny anareo?

فَرَاغَ عَلَيۡهِمۡ ضَرۡبَۢا بِٱلۡيَمِينِ﴿٩٣

93Avy eo nokapohiny antsokosoko izy ireo tamin’ny tanany havanana.

فَأَقۡبَلُوٓاْ إِلَيۡهِ يَزِفُّونَ﴿٩٤

94Tamin’izany dia nanantona azy am-pihazakazahana ireo olona.

قَالَ أَتَعۡبُدُونَ مَا تَنۡحِتُونَ﴿٩٥

95Niteny (tamin’izy ireo) izy hoe : “Moa ve ianareo dia manompo izay (sary) nataonareo ihany".

وَٱللَّهُ خَلَقَكُمۡ وَمَا تَعۡمَلُونَ﴿٩٦

96Nefa I Allah no nahary anareo sy izay ataonareo

قَالُواْ ٱبۡنُواْ لَهُۥ بُنۡيَٰنٗا فَأَلۡقُوهُ فِي ٱلۡجَحِيمِ﴿٩٧

97Niteny izy ireo hoe : “Hanamboary fata-mihiboka (lafaoro) ho azy ka atsipio ao anatin’ny afo mamaivay izy.

فَأَرَادُواْ بِهِۦ كَيۡدٗا فَجَعَلۡنَٰهُمُ ٱلۡأَسۡفَلِينَ﴿٩٨

98Nitady hanao teti-dratsy taminy izy ireo ; ka nataonay latsaka ambany indrindra izy ireo.

وَقَالَ إِنِّي ذَاهِبٌ إِلَىٰ رَبِّي سَيَهۡدِينِ﴿٩٩

99Ary niteny izy hoe : Izaho dia handeha any amin’ny Tompoko ary hitari-dalana ahy Izy.

رَبِّ هَبۡ لِي مِنَ ٱلصَّٰلِحِينَ﴿١٠٠

100Tompo ô ! Omeo taranaka mba ho anisan’ireo mpanao soa aho.

فَبَشَّرۡنَٰهُ بِغُلَٰمٍ حَلِيمٖ﴿١٠١

101Nolazainay vaovao mahafaly izy fa hahazo zazalahy be fangoraham-po.

فَلَمَّا بَلَغَ مَعَهُ ٱلسَّعۡيَ قَالَ يَٰبُنَيَّ إِنِّيٓ أَرَىٰ فِي ٱلۡمَنَامِ أَنِّيٓ أَذۡبَحُكَ فَٱنظُرۡ مَاذَا تَرَىٰۚ قَالَ يَٰٓأَبَتِ ٱفۡعَلۡ مَا تُؤۡمَرُۖ سَتَجِدُنِيٓ إِن شَآءَ ٱللَّهُ مِنَ ٱلصَّٰبِرِينَ﴿١٠٢

102Ary rehefa nahatratra ny taona ahafahany miaraka aminy izy dia niteny (Ibrahimo) hoe: “Anaka, izaho dia nahita tamin’ny nofy fa nanao sorona anao. Ka ahoana àry ny fahitanao izany”. Niteny (Ismaely) hoe: “Ry dada ô! Ataovy izay nandidiana anao fa ho hitanao aho, raha sitrak’i Allah, fa anisan’ireo manam-paharetana.

فَلَمَّآ أَسۡلَمَا وَتَلَّهُۥ لِلۡجَبِينِ﴿١٠٣

103Avy eo rehefa nanaiky (ny didin’i Allah) izy roa dia nojereny,

وَنَٰدَيۡنَٰهُ أَن يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُ﴿١٠٤

104Ka indro Izahay niantso azy hoe: “ Ô ry Ibrahimo !

قَدۡ صَدَّقۡتَ ٱلرُّءۡيَآۚ إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ﴿١٠٥

105Tena notanterahinao tokoa ny nofy. Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa.

إِنَّ هَٰذَا لَهُوَ ٱلۡبَلَٰٓؤُاْ ٱلۡمُبِينُ﴿١٠٦

106Izany tokoa no fitsapana tena miharihary.

وَفَدَيۡنَٰهُ بِذِبۡحٍ عَظِيمٖ﴿١٠٧

107Ary nosolonay izy (Ismaely) tamin’ny alalan’ny fanatitra lehibe.

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ﴿١٠٨

108Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.

سَلَٰمٌ عَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ﴿١٠٩

109“Fiadanana anie ho amin’i Ibrahimo”.

كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ﴿١١٠

110Tahaka izany no hanomezanay valisoa ireo mpanao asa soa

إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ﴿١١١

111Tena marina fa izy dia isan’ireo mpanomponay mpino.

وَبَشَّرۡنَٰهُ بِإِسۡحَٰقَ نَبِيّٗا مِّنَ ٱلصَّٰلِحِينَ﴿١١٢

112Ary nolazanay azy ny vaovao mahafaly momban'i Isaka (Ishaka), izay ho mpaminany anisan’ireo olo-mendrika.

وَبَٰرَكۡنَا عَلَيۡهِ وَعَلَىٰٓ إِسۡحَٰقَۚ وَمِن ذُرِّيَّتِهِمَا مُحۡسِنٞ وَظَالِمٞ لِّنَفۡسِهِۦ مُبِينٞ﴿١١٣

113Ary nohasoavinay izy sy Isaka ary misy amin’ny taranak’izy ireo ny mpanao asa tsara sy ny mpanao ny tsy rariny miharihary amin’ny tenany.

وَلَقَدۡ مَنَنَّا عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ﴿١١٤

114Ary efa nomenay tombotsoa i Mosesy sy Harona,

وَنَجَّيۡنَٰهُمَا وَقَوۡمَهُمَا مِنَ ٱلۡكَرۡبِ ٱلۡعَظِيمِ﴿١١٥

115Ary navotanay izy roa sy ny vahoakany tamin’ny tebiteby lehibe.

وَنَصَرۡنَٰهُمۡ فَكَانُواْ هُمُ ٱلۡغَٰلِبِينَ﴿١١٦

116Ary novonjenay izy ireo ary dia izy ireo no mpandresy.

وَءَاتَيۡنَٰهُمَا ٱلۡكِتَٰبَ ٱلۡمُسۡتَبِينَ﴿١١٧

117Ary nomenay azy roa ny Boky mazava.

وَهَدَيۡنَٰهُمَا ٱلصِّرَٰطَ ٱلۡمُسۡتَقِيمَ﴿١١٨

118Ary notarihinay amin’ny lalana mahitsy izy roa

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِمَا فِي ٱلۡأٓخِرِينَ﴿١١٩

119Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy roa.

سَلَٰمٌ عَلَىٰ مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ﴿١٢٠

120“ Fiadanana anie ho amin’i Mosesy sy Harona ”.

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ﴿١٢١

121Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.

إِنَّهُمَا مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ﴿١٢٢

122Tena marina fa izy roa dia anisan’ireo mpanomponay mpino.

وَإِنَّ إِلۡيَاسَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ﴿١٢٣

123Ary marina fa i Ilyasa (Elia) dia anisan’ireo Iraka.

إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦٓ أَلَا تَتَّقُونَ﴿١٢٤

124Rehefa niteny tamin’ny vahoakany izy hoe : " Moa ve tsy matahotra ianareo ?"

أَتَدۡعُونَ بَعۡلٗا وَتَذَرُونَ أَحۡسَنَ ٱلۡخَٰلِقِينَ﴿١٢٥

125Mitalaho amin’i Baal ve ianareo? Ary avelanareo Ilay Tsara indrindra amin’ireo mpahary

ٱللَّهَ رَبَّكُمۡ وَرَبَّ ءَابَآئِكُمُ ٱلۡأَوَّلِينَ﴿١٢٦

126I Allah no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.

فَكَذَّبُوهُ فَإِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ﴿١٢٧

127Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga Izy, tena marina fa izy ireo dia ho ao (anatin’ny afobe).

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ﴿١٢٨

128Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.

وَتَرَكۡنَا عَلَيۡهِ فِي ٱلۡأٓخِرِينَ﴿١٢٩

129Ary nataonay ho mandrakizay eo amin’ny taranaka avy afara ny fahatsiarovana azy.

سَلَٰمٌ عَلَىٰٓ إِلۡ يَاسِينَ﴿١٣٠

130“ Fiadanana anie ho amin’I Iliyasa sy ireo mpanaraka azy ”.

إِنَّا كَذَٰلِكَ نَجۡزِي ٱلۡمُحۡسِنِينَ﴿١٣١

131Toy izany no amalianay soa ireo mpanao soa.

إِنَّهُۥ مِنۡ عِبَادِنَا ٱلۡمُؤۡمِنِينَ﴿١٣٢

132Tena marina fa izy dia anisan'ireo mpanomponay mpino.

وَإِنَّ لُوطٗا لَّمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ﴿١٣٣

133Ary tena marina fa i Lota dia anisan’ireo iraka.

إِذۡ نَجَّيۡنَٰهُ وَأَهۡلَهُۥٓ أَجۡمَعِينَ﴿١٣٤

134Rehefa navotanay izy sy ny fianakaviany manontolo

إِلَّا عَجُوزٗا فِي ٱلۡغَٰبِرِينَ﴿١٣٥

135Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.

ثُمَّ دَمَّرۡنَا ٱلۡأٓخَرِينَ﴿١٣٦

136Avy eo dia nopotehinay koa ny sasany.

وَإِنَّكُمۡ لَتَمُرُّونَ عَلَيۡهِم مُّصۡبِحِينَ﴿١٣٧

137Ary marina fa ianareo dia tena mandalo eo amin’izy ireo amin’ny maraina

وَبِٱلَّيۡلِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ﴿١٣٨

138Sy amin’ny alina. Moa ve tsy mba misaina ianareo?

وَإِنَّ يُونُسَ لَمِنَ ٱلۡمُرۡسَلِينَ﴿١٣٩

139Ary marina fa i Younouss (Jonasy) dia anisan’ireo iraka.

إِذۡ أَبَقَ إِلَى ٱلۡفُلۡكِ ٱلۡمَشۡحُونِ﴿١٤٠

140Rehefa nandositra tamin’ilay sambo feno izy

فَسَاهَمَ فَكَانَ مِنَ ٱلۡمُدۡحَضِينَ﴿١٤١

141Dia nandray anjara tamin’ny ankitsapaka ka voatendry ho anisan’ny atsipy (anatin’ny ranomasina) izy.

فَٱلۡتَقَمَهُ ٱلۡحُوتُ وَهُوَ مُلِيمٞ﴿١٤٢

142Ka natelin’ny trondro izy fa mendrika omena tsiny.

فَلَوۡلَآ أَنَّهُۥ كَانَ مِنَ ٱلۡمُسَبِّحِينَ﴿١٤٣

143Raha tsy anisan’ireo mpidera ny voninahitr’i Allah izy

لَلَبِثَ فِي بَطۡنِهِۦٓ إِلَىٰ يَوۡمِ يُبۡعَثُونَ﴿١٤٤

144Dia tokony ho tavela tao anatin’ny kibony (trondro) mandra-pahatonga ny andro hananganana azy amin’ny maty.

۞ فَنَبَذۡنَٰهُ بِٱلۡعَرَآءِ وَهُوَ سَقِيمٞ﴿١٤٥

145Natsipinay teny an-tanety izy ary izy dia tsy salama.

وَأَنۢبَتۡنَا عَلَيۡهِ شَجَرَةٗ مِّن يَقۡطِينٖ﴿١٤٦

146Ary dia nampanirianay voatavo ny teo amboniny.

وَأَرۡسَلۡنَٰهُ إِلَىٰ مِاْئَةِ أَلۡفٍ أَوۡ يَزِيدُونَ﴿١٤٧

147Ary nalefanay izy (ho mpaminany) tany amin’ny vahoaka iray hetsy na mihoatra.

فَـَٔامَنُواْ فَمَتَّعۡنَٰهُمۡ إِلَىٰ حِينٖ﴿١٤٨

148Koa nino izy ireo ary nomenay azy ireo ny fahafinaretana mandritra ny fotoana voafetra.

فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَلِرَبِّكَ ٱلۡبَنَاتُ وَلَهُمُ ٱلۡبَنُونَ﴿١٤٩

149Hametrao fanontaniana àry izy ireo: “ Moa ve ho an’ny Tomponao ireo zazavavy ary ho azy ireo ny zazalahy?

أَمۡ خَلَقۡنَا ٱلۡمَلَٰٓئِكَةَ إِنَٰثٗا وَهُمۡ شَٰهِدُونَ﴿١٥٠

150Na noharianay ho vavy ireo anjely ary izy ireo no vavolombelona?

أَلَآ إِنَّهُم مِّنۡ إِفۡكِهِمۡ لَيَقُولُونَ﴿١٥١

151Marina fa izy ireo dia niteny tamin’ny lainga nataon’izy ireo hoe

وَلَدَ ٱللَّهُ وَإِنَّهُمۡ لَكَٰذِبُونَ﴿١٥٢

152“Nanan-janaka I Allah” ary marina fa izy ireo dia tena mpandainga

أَصۡطَفَى ٱلۡبَنَاتِ عَلَى ٱلۡبَنِينَ﴿١٥٣

153Moa ve tsy nisafidy ireo zaza vavy Izy noho ireo zaza lahy ?

مَا لَكُمۡ كَيۡفَ تَحۡكُمُونَ﴿١٥٤

154Inona no mahazo anareo? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo?

أَفَلَا تَذَكَّرُونَ﴿١٥٥

155Moa tsy mieritreritra ve ianareo?

أَمۡ لَكُمۡ سُلۡطَٰنٞ مُّبِينٞ﴿١٥٦

156Sa manana porofo mazava ianareo?

فَأۡتُواْ بِكِتَٰبِكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ﴿١٥٧

157Ento àry ny Bokinareo raha toa ka marina ny anareo.

وَجَعَلُواْ بَيۡنَهُۥ وَبَيۡنَ ٱلۡجِنَّةِ نَسَبٗاۚ وَلَقَدۡ عَلِمَتِ ٱلۡجِنَّةُ إِنَّهُمۡ لَمُحۡضَرُونَ﴿١٥٨

158Ary nataon’izy ireo misy rohim-pihavanana eo Aminy sy ireo Djiny; nefa efa fantatr’ireo Djiny fa izy ireo dia tena ho ao (amin’ny afobe).

سُبۡحَٰنَ ٱللَّهِ عَمَّا يَصِفُونَ﴿١٥٩

159Voninahitra anie ho an’I Allah noho izay hamaritan’izy ireo Azy

إِلَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ﴿١٦٠

160Afa-tsy ireo mpanompon’I Allah izay voafidy.

فَإِنَّكُمۡ وَمَا تَعۡبُدُونَ﴿١٦١

161Marina fa ianareo sy izay tompoinareo

مَآ أَنتُمۡ عَلَيۡهِ بِفَٰتِنِينَ﴿١٦٢

162Dia tsy afaka maka fanahy (na iza na iza) ianareo amin’izany

إِلَّا مَنۡ هُوَ صَالِ ٱلۡجَحِيمِ﴿١٦٣

163Afa-tsy izay hiditra ao anatin’ny afobe (Djahim).

وَمَا مِنَّآ إِلَّا لَهُۥ مَقَامٞ مَّعۡلُومٞ﴿١٦٤

164Tsy misy na dia iray aza aminay ka tsy manana toerana efa fantatra

وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلصَّآفُّونَ﴿١٦٥

165Ary izahay (Anjely) dia tena milahatra araka ny laharana

وَإِنَّا لَنَحۡنُ ٱلۡمُسَبِّحُونَ﴿١٦٦

166Ary izahay no tena mpidera ny voninahitr’I Allah

وَإِن كَانُواْ لَيَقُولُونَ﴿١٦٧

167Ary izy ireo dia tena manana fahazarana miteny hoe :

لَوۡ أَنَّ عِندَنَا ذِكۡرٗا مِّنَ ٱلۡأَوَّلِينَ﴿١٦٨

168Raha nanana fampahatsiahivana avy tamin’ny razambenay izahay

لَكُنَّا عِبَادَ ٱللَّهِ ٱلۡمُخۡلَصِينَ﴿١٦٩

169Dia tena efa lasa mpanompo voafidin’I Allah izahay!

فَكَفَرُواْ بِهِۦۖ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ﴿١٧٠

170Tsy nino izany izy ireo ary dia ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.

وَلَقَدۡ سَبَقَتۡ كَلِمَتُنَا لِعِبَادِنَا ٱلۡمُرۡسَلِينَ﴿١٧١

171Ary efa nomenay ireo Iraka Mpanomponay ny Teninay,

إِنَّهُمۡ لَهُمُ ٱلۡمَنصُورُونَ﴿١٧٢

172Fa izy ireo no tena hahazo ny fanavotana

وَإِنَّ جُندَنَا لَهُمُ ٱلۡغَٰلِبُونَ﴿١٧٣

173Ary ny miaramilanay no tena ho mpandresy.

فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ﴿١٧٤

174Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy

وَأَبۡصِرۡهُمۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ﴿١٧٥

175Ary araho maso izy ireo fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !

أَفَبِعَذَابِنَا يَسۡتَعۡجِلُونَ﴿١٧٦

176Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina?

فَإِذَا نَزَلَ بِسَاحَتِهِمۡ فَسَآءَ صَبَاحُ ٱلۡمُنذَرِينَ﴿١٧٧

177Fa raha ho latsaka amin’ny toeran’izy ireo izany dia ho ratsy tokoa ny marainan’ireo izay nampitandremina!

وَتَوَلَّ عَنۡهُمۡ حَتَّىٰ حِينٖ﴿١٧٨

178Ary miataha azy ireo ianao (ry Mohammad), mandra-pahatongan’ny fotoana vitsivitsy;

وَأَبۡصِرۡ فَسَوۡفَ يُبۡصِرُونَ﴿١٧٩

179Ary araho maso fa tsy ho ela dia hahita izy ireo !

سُبۡحَٰنَ رَبِّكَ رَبِّ ٱلۡعِزَّةِ عَمَّا يَصِفُونَ﴿١٨٠

180Voninahitra anie ho an’ny Tomponao, Ilay Tompon’ny Hery noho izay hamaritan’izy ireo Azy.

وَسَلَٰمٌ عَلَى ٱلۡمُرۡسَلِينَ﴿١٨١

181Ka fiadanana anie ho amin’ireo Iraka

وَٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿١٨٢

182Ary Dera ho an’I Allah, Tompon’izao tontolo izao !

RELATED SURAHS