ص
Sad • 88 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Swád, Mianiana amin’ny Koroany, izay manana laza amam-boninahitra Aho !
2Raha ny tena marina dia ireo izay tsy nino no ao anatin’ny fiavonavonana sy fizarazarana tanteraka.
3Firifiry tamin’ny taranaka talohan’izy ireo no naringanay ka nihiaka mafy izy ireo tamin’ny fotoana efa tsy azo nandosirana intsony?
4Ary gaga izy ireo (ireo mponin’i Makka) fa misy mpampitandrina avy tao amin’izy ireo ihany no tonga tamin’izy ireo, ary niteny ireo tsy mpino hoe: “Io dia mpanao majika, tena mpandainga".
5Moa ve hataony ho zanahary tokana ireo zanahary ? Tena marina fa izany dia zavatra mahagaga tokoa.
6Ary lasa ireo loholona tamin’izy ireo sady niteny hoe :“ Mandehana ianareo ary mahareta amin’ireo zanaharinareo satria izany tokoa no zavatra tena irina".
7Tsy mbola naheno izany izahay tamin’ny finoana teo aloha (Kristianisma), tsy inona izany fa zavatra noforonina fotsiny.
8Izy ve no nampidinana ny fampahatsiahivana teo amintsika ? ” Raha ny tena marina, dia ao anatin’ny ahiahy izy ireo momba ny fampahatsiahivako. Raha ny tena marina, dia mbola tsy nanandrana ny famaizana avy Amiko izy ireo !
9Sa izy ireo ve no mitazona ireo tahiry sarobidin’ny Famindram-pon’ny Tomponao, Ilay Mahery, Ilay Mpanome Mendrika indrindra ?
10Sa azy ireo ve ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelan’izy ireo ? Aoka àry hiakatra any izy ireo amin’ny fomba izay azony atao rehetra !
11(Izy ireo dia) tafika avy amin’ny antoko maro mitambatra izay mbola eto an-toerana ihany dia efa resy !
12Efa nampandainga talohan’izy ireo ny vahoakan’i Noa, ireo Aad, sy i Faraona izay nanana fanjakana matanjaka.
13Ary ireo Thamody sy ny vahoakan’i Lota ary ireo olon’ny Aïkat. Izy ireny no antoko maro mitambatra.
14Tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo afa-tsy nampandainga ireo Iraka, ka tanteraka tamin’izy ireo ny sazy avy Amiko.
15Ary tsy miandry izy ireo afa-tsy hiaka tokana ihany, tsy misy fiverimberenana.
16Ary niteny izy ireo hoe : “ Tomponay ô ! Hafaingano aminay ny anjaranay alohan’ny andro Fitsarana ”.
17Mahareta ianao amin’izay tenenin’izy ireo; ary tsarovy ny mpanomponay, Daoda (Davida) izay nanana fahatanjahana (tamin’ny fanompoana), tena marina fa izy dia tena mpibebaka (amin’I Allah).
18Izahay dia nanery ireo tendrombohitra hidera ny voninahitr’I Allah, amin’ny hariva sy ny maraina, miaraka aminy, toy izany koa ireo voro-manidina mitangorona, ny rehetra dia maneho ny fankatoavana Azy (Allah).
19Toy izany ihany koa ireo voro-manidina mitangorona,izay samy manaiky Azy (Allah/Zanahary) avokoa.
20Ary nohamafisinay ny fanjakany, nomenay azy ny fahendrena sy ny fahaizana mitsara.
21Moa ve tonga aminao ny vaovaon’ireo mpifamaly rehefa niakatra ny rindrin’ny toeram-pivavahana?
22Rehefa niditra tao amin’i Daoda izy ireo dia natahotra azy ireo izy. Niteny izy ireo hoe: “Aza matahotra ianao! Izahay roa dia mpifamaly; ny iray aminay dia nanao fahadisoana tamin’ny anankiray. Ka mba tsarao àry izahay amin’ny fahamarinana, ary aoka ianao tsy hitongilana, ary tariho amin’ny làlana mahitsy izahay.
23Tena marina fa ity dia rahalahiko, manana ondry vavy sivy amby sivifolo izy, fa izaho kosa dia tsy manana afa-tsy ondry vavy anankiray. Niteny izy tamiko hoe: “ Ankino amiko ny fikarakarana azy ary nanizingizina tamiko izy tamin’ny resaka natao ”.
24Niteny izy (Daoda) : “ Tena nanao ny tsy rariny taminao izy tamin’ny fangatahan'ilay ondry vavinao ho fanampin’ireo ondriny ”. Maro amin’ireo olona no mandika ny zon’ny mpiara-miombon’antoka aminy, afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, kanefa vitsy an’isa ihany izy ireo. Ary i Daoda dia nihevitra fa nitsapa azy Izahay, ka nangataka famelan-keloka tamin’ny Tompony sy niantoraka niankohoka ary nibebaka izy.
25Namela heloka azy Izahay. Ary tena marina fa hahazo toerana akaiky Anay sy toeram-pialofana mahafinaritra tokoa izy.
26“ Oh ry Daoda, tena marina fa Izahay dia nanao anao ho mpanjaka (Khalifa) eto an-tany. Mitsarà ireo olona àry ianao, araka ny rariny sy ny hitsiny, ary aza manaraka ny hetahetam-pò, fa hampanalavitra anao amin’ny làlan’I Allah izany ”. Marina fa ireo izay miala amin’ny làlan’I Allah dia hahazo famaizana mahery vaika noho izy ireo nanadino ny Andron’ny Fitsarana.
27Ary tsy nahary ny lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo ho tsy misy antony Izahay. Izany no eritreritr’ireo izay tsy nino. Loza ho an’ireo izay tsy nino momba ny afo (izay miandry azy ireo).
28Moa ve hataonay ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ho toy ireo mpanao ny asa fanimbana eto an-tany ? Na koa hataonay ireo manam-patahorana ho tahaka ireo mpanao asa ratsy ?
29[Indro ny] Boky iray feno tso-drano izay nampidininay taminao, mba handinika izy ireo amin’ireo andian-teniny, ary mba hieritreritra ireo manana saina matsilo.
30Ary nomenay an’i Daoda i Solaimana (Salômôna), mpanompo tsara tokoa izy! Marina fa izy dia tena mpibebaka!
31Rehefa naseho taminy indray tolakandro ireo soavaly mpihazakazaka tsara tarehy,
32Niteny izy hoe : “ Tena marina fa nitia ny zava-tsara (eto ambonin’ny tany) aho ka saika nanadino ny fahatsiarovana ny Tompoko hatramin’ny filentehan’ny masoandro.
33Averenonareo aty amiko izy ireo”. Dia notapahiny ireo tongony sy ireo vozony.
34Ary efa notsapainay tokoa i Solaimana, ka natsipinay tamin’ny sezany ny vatana[106] iray, avy eo dia nibebaka izy.
35Niteny izy hoe : “ Tompo ô ! Mamelà ahy Ianao, ary omeo fanjakana aho, izay tsy misy na dia iray aza mendrika hahazo izany any aoriako. Marina fa Ianao Ilay be fanomezana ”.
36Nataonay teo ambany fahefany ny rivotra izay mitsioka malefaka araka ny baikony, mankany amin’ny toerana rehetra izay tiany.
37Ary koa ireo satana izay mpanorina trano sy mpilentika an-drano isan-karazany.
38Ary ny sasany hafa, izay voafatotra tsiroaroa amin’ny rojo.
39“ Izany no fanomezana avy Aminay; zarao, na koa tazòny, tsy hisy tatitra hataonao ny amin’izany ”.
40Ary marina fa hahazo toerana akaiky izy eo Aminay, sy toeram-pialofana mahafinaritra ihany koa.
41Ary tsarovy ny mpanomponay Ayoba (Joba), rehefa niantso ny Tompony izy, dia nanao hoe: “Nofaizin’ny satana aho tamin’ny fahorianana sy fijaliana”.
42Kapohy amin’ny tongotrao (ny tany) dia indro rano mangatsiaka hisasanao, sy ho sotroinao.
43Ary natolotray azy indray ny fianakaviany, ka tahaka izany koa no niaraka tamin’izy ireo, noho ny famindram-po avy Aminay sy fampatsiahivana ho an’ireo izay manan-tsaina.
44“Mandraisa ratsan-kazo palma iray fehezana amin’ny tànanao ianao, avy eo kapohy amin’ny alàlan’izany izy (ny vadinao), ary aza mivadika amin’ny fianiananao”. Marina fa Izahay dia nahita azy naharitra. Endrey fa mpanompo mendrika tokoa izy! Mibebaka lalandava izy.
45Ary tsarovinao ireo mpanomponay Ibrahimo, Isaka, Jakoba izay natanjaka tamin’ny fanompoana sy nahiratra.
46Tena marina fa nataonay nanana fiavahana manokana izy ireo, ny fampahatsiahivana ny any ankoatra.
47Ary tena marina fa, izy ireo eo akaikinay, dia anisan’ireo olom-boafidy mendrika indrindra.
48Ary tsarovy Ismaela, i Elize (Al-Yassa) sy i Zol-Kifl, ny tsirairay amin’izy ireo dia samy anisan’ireo mendrika indrindra.
49Izany dia fampahatsiahivana. Ary marina fa ho an’ireo manam-patahorana ny toeram-pialan-tsasatra mendrika indrindra:
50Ireo zaridainan’i Edena, misokatra ho azy ireo ny varavarana maro,
51Ka mitehin-kiho izy ireo ao, no sady mangataka voankazo maro sy zava-pisotro isan-karazany.
52Ary eo akaikin’izy ireo dia hisy ireo vehivavy tsara tarehy manana fijery maotina, mitovy taona avokoa izy rehetra.
53Izany no hampanantenaina anareo ho amin’ny Andron’ny Fitsarana.
54Izany tokoa no anjara fanomezana avy Aminay, tsy manam-pahataperana.
55Indro àry ! Ary tena marina fa ho an’ireo mpihoa-pefy ny toeram-pialan-tsasatra ratsy indrindra:
56Ny Afobe izay handoro azy ireo. Endrey izany haratsian’ny fandriana !
57Indro àry ! Fa aoka hanandrana ny rano mangotraka sy maimbo ao izy ireo,
58Sy karazana sazy hafa mitovy amin’izany.
59Indro fa misy andiany iray izay miditra amim-pirotorotoana miaraka aminareo, tsy misy fiarahabana tongasoa ho azy ireo. Fa hodorana ao anatin’ny Afobe izy ireo.
60Niteny izy ireo hoe : “Raha ny tena marina dia tsy misy fiarahabana tongasoa ho anareo. Ianareo no nanomana izany ho anay”, endrey izany haratsian’ ny toeram-pijanonana !
61Hiteny izy ireo hoe : “Ry Tomponay ô ! Izay nanomana izany ho anay dia ampitomboy aminy ho avo roa heny ny famaizana ao anatin’ny Afobe”.
62Hiteny izy ireo hoe : “ Nahoana izahay no tsy mahita ireo olona izay noheverinay ho anisan’ireo olon-dratsy ? ”
63Moa ve Izahay no namazivazy azy ireo (amim-pahadisoana), sa tsy tazanay maso izy ireo?”
64Izany tokoa no tena marina amin’ny fifandiran’ireo olon’ny Afobe.
65Teneno hoe : “ Tsy inona aho fa Mpampitandrina ihany. Ary tsy misy zanahary hafa ivelan’I Allah, Ilay Tokana, Ilay Tompom-pahefana,
66Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, Ilay Mahery, Ilay be Fandeferana ”.
67Teneno hoe : “ Ity (Koroany ity) dia vaovao lehibe",
68Nefa ianareo dia mitodi-damosina aminy.
69Izaho dia tsy manana fahalalana momba ireo manam-boninahitra ambony indrindra raha niady hevitra izy ireo.
70Ny hany nambara tamiko dia ny hoe mpampitandrina miharihary aho.
71Rehefa niteny ny Tomponao tamin’ireo Anjely hoe : “ Izaho dia hamorona olombelona avy amin’ny tany manga"
72Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara ka notsofiko taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miankohofa eo aminy ianareo.
73Ary dia niara-niankohoka daholo ireo Anjely rehetra.
74Afa-tsy Iblisa (satana) izay nanambony tena ka lasa anisan’ireo mpikomy.
75Niteny Izy (Allah) hoe : Ô ry Iblisa ! Inona no nisakana anao tsy niankohoka teo anatrehan’izay noforoniko tamin’ny tanako roa ? Miavonavona ve ianao, sa ianao dia anisan’ireo ambony toerana ? ”
76Niteny (Iblisa) hoe : “ Izaho no mendrika kokoa noho izy, noforoninao avy tamin’ny afo aho, fa izy kosa dia noforoninao avy tamin’ny tany manga ”.
77Niteny Izy (Allah) hoe :“ Mialà ao (amin’ny Paradisa) ianao ! Fa ianao dia tena voahozona.
78Ary hihatra aminao tokoa ny ozona avy Amiko mandra-pahatongan’ny Andro hitsinjarana ny valin’asa ”.
79Niteny izy hoe : “ O ! Ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry aho mandra-pahatongan’ny andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”.
80Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany.
81Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”.
82Niteny izy (Iblisa) hoe : “ Mianiana amin’ny fahefanao aho! Fa tena hamery azy rehetra aho"
83Afa-tsy ny mpanomponao voafidy amin’izy ireo .
84Niteny izy (Allah) hoe : “ Tena marina ary ny marina no teneniko,
85Tena ho fenoiko anao ny Afobe (Djahannama) sy izay rehetra hanaraka anao amin’izy ireo.
86Teneno :“ Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho; ary tsy anisan’ireo mpisandoka.
87Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao
88Ary tena ho fantatrareo tsy ho ela ny vaovao momba izany !.