التكاثر
The Rivalry in Worldly Increase • 8 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Variana amin'ny fanangonan-karena tokoa ianareo.
2Eny , mandra-pahatongavanareo ao am-pasana.
3Tsia , mbola ho fantatrareo !
4Eny , mbola ho fantatrareo marimarina tokoa !
5Raha toa ka fantatrareo am-pahalalana marina.
6dia ho hitanareo tokoa ny afobe
7ka ho hatrehin’ny masonareo marina izany.
8Ka amin'izany fotoana izany dia tsy maintsy hanontaniana ny amin'ireo harena maro be ianareo.