At-Takwir

التكوير

The Overthrowing29 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

إِذَا ٱلشَّمۡسُ كُوِّرَتۡ﴿١

1Rehefa tsy hisy fahazavana intsony ny masoandro,

وَإِذَا ٱلنُّجُومُ ٱنكَدَرَتۡ﴿٢

2rehefa hanjavona ny famirapiratan'ireo kintana,

وَإِذَا ٱلۡجِبَالُ سُيِّرَتۡ﴿٣

3rehefa hihetsika hiala amin'ny toerany ireo tendrombohitra,

وَإِذَا ٱلۡعِشَارُ عُطِّلَتۡ﴿٤

4rehefa tsy raharahiana intsony ireo rameva akaiky hiteraka,

وَإِذَا ٱلۡوُحُوشُ حُشِرَتۡ﴿٥

5rehefa tafavory ireo bibidia,

وَإِذَا ٱلۡبِحَارُ سُجِّرَتۡ﴿٦

6rehefa manjary nirehitra ny ranomasina,

وَإِذَا ٱلنُّفُوسُ زُوِّجَتۡ﴿٧

7rehefa voatambatra araka ny sokajiny avy ny fanahy,

وَإِذَا ٱلۡمَوۡءُۥدَةُ سُئِلَتۡ﴿٨

8rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim-belona hoe:

بِأَيِّ ذَنۢبٖ قُتِلَتۡ﴿٩

9mba fahotana inona loatra no antony namonoana azy?

وَإِذَا ٱلصُّحُفُ نُشِرَتۡ﴿١٠

10rehefa nampahalalana ireo takela-piraketana ny asa vita,

وَإِذَا ٱلسَّمَآءُ كُشِطَتۡ﴿١١

11rehefa voaesotra ny lanitra,

وَإِذَا ٱلۡجَحِيمُ سُعِّرَتۡ﴿١٢

12rehefa haredareda ny afo,

وَإِذَا ٱلۡجَنَّةُ أُزۡلِفَتۡ﴿١٣

13rehefa hampanantonina ny mpino ny Paradisa,

عَلِمَتۡ نَفۡسٞ مَّآ أَحۡضَرَتۡ﴿١٤

14dia samy hahafantatra ny nataony ny tsirairay avy!

فَلَآ أُقۡسِمُ بِٱلۡخُنَّسِ﴿١٥

15Tsia! Mianiana Aho amin'ireo andian-kintana.

ٱلۡجَوَارِ ٱلۡكُنَّسِ﴿١٦

16Izay mandeha amin'ny lalana izorany ka indraindray mipoitra ary indraindray manjavona.

وَٱلَّيۡلِ إِذَا عَسۡعَسَ﴿١٧

17Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra,

وَٱلصُّبۡحِ إِذَا تَنَفَّسَ﴿١٨

18ny maraina rehefa miposaka mitondra tsio-drivotra,

إِنَّهُۥ لَقَوۡلُ رَسُولٖ كَرِيمٖ﴿١٩

19tena marina, izany dia tenin'ilay iraka mendrika,

ذِي قُوَّةٍ عِندَ ذِي ٱلۡعَرۡشِ مَكِينٖ﴿٢٠

20izay matanjaka sy manan-danja lehibe eo anatrehan'ny tompon'ny fiandrianana,

مُّطَاعٖ ثَمَّ أَمِينٖ﴿٢١

21Mpakato izy sady itokisana,

وَمَا صَاحِبُكُم بِمَجۡنُونٖ﴿٢٢

22tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo,

وَلَقَدۡ رَءَاهُ بِٱلۡأُفُقِ ٱلۡمُبِينِ﴿٢٣

23izay efa nahita ny anjely Gabriela tokoa teny am-param-bodi-lanitra mazava.

وَمَا هُوَ عَلَى ٱلۡغَيۡبِ بِضَنِينٖ﴿٢٤

24Ary izy dia tsy kahihitra ka hitana ho azy irery ny faminaniana izay tonga taminy,

وَمَا هُوَ بِقَوۡلِ شَيۡطَٰنٖ رَّجِيمٖ﴿٢٥

25izany dia tsy tenin'ilay demony izay voahozona!

فَأَيۡنَ تَذۡهَبُونَ﴿٢٦

26koa aiza ary no hombanareo,

إِنۡ هُوَ إِلَّا ذِكۡرٞ لِّلۡعَٰلَمِينَ﴿٢٧

27Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao,

لِمَن شَآءَ مِنكُمۡ أَن يَسۡتَقِيمَ﴿٢٨

28Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo,

وَمَا تَشَآءُونَ إِلَّآ أَن يَشَآءَ ٱللَّهُ رَبُّ ٱلۡعَٰلَمِينَ﴿٢٩

29Tsy hanam-pahefana ny amin'izany ianareo raha tsy sitrak'I Allah tompon'izao tontolo izao.

RELATED SURAHS