Al-Infitar

الانفطار

The Cleaving19 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

إِذَا ٱلسَّمَآءُ ٱنفَطَرَتۡ﴿١

1Rehefa hitresaka ny lanitra,

وَإِذَا ٱلۡكَوَاكِبُ ٱنتَثَرَتۡ﴿٢

2Rehefa hianjera hiparitaka ireo kintana.

وَإِذَا ٱلۡبِحَارُ فُجِّرَتۡ﴿٣

3Rehefa hisafotofoto ka ho iray ireo ranomasina,

وَإِذَا ٱلۡقُبُورُ بُعۡثِرَتۡ﴿٤

4rehefa ho fongarina ny fasana.

عَلِمَتۡ نَفۡسٞ مَّا قَدَّمَتۡ وَأَخَّرَتۡ﴿٥

5dia ho fantatra ny fanahy tsirairay avy ny nataony sy izay hiandry azy!

يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡإِنسَٰنُ مَا غَرَّكَ بِرَبِّكَ ٱلۡكَرِيمِ﴿٦

6O ry olombelona! Inona loatra no nahavoafitaka anareo ka tsy nankatoavanareo ny Tomponareo feno fahamendrehana?

ٱلَّذِي خَلَقَكَ فَسَوَّىٰكَ فَعَدَلَكَ﴿٧

7Izay nahary anao sy nandrafitra anao ho feno ary nanome endrika mirindra ho anao,

فِيٓ أَيِّ صُورَةٖ مَّا شَآءَ رَكَّبَكَ﴿٨

8Ary tamin'ny endrika isan-karazany araka izay tiany no nandrafetany anao,

كَلَّا بَلۡ تُكَذِّبُونَ بِٱلدِّينِ﴿٩

9Tsia! Indrisy anefa fa nolavinareo ny fisian'ny fitsarana farany.

وَإِنَّ عَلَيۡكُمۡ لَحَٰفِظِينَ﴿١٠

10Nefa misy marina ireo mpanara-maso anareo,

كِرَامٗا كَٰتِبِينَ﴿١١

11dia ireo anjely mpanoratra be voninahitra.

يَعۡلَمُونَ مَا تَفۡعَلُونَ﴿١٢

12mahafantatra izay ataonareo.

إِنَّ ٱلۡأَبۡرَارَ لَفِي نَعِيمٖ﴿١٣

13tena marina, fa ireo izay feno fankatoavana an'I Allah dia ho ao anatin'ny fiadanana tanteraka,

وَإِنَّ ٱلۡفُجَّارَ لَفِي جَحِيمٖ﴿١٤

14ary ireo mpaniratsira kosa dia ho ao anatin'ny Afo be,

يَصۡلَوۡنَهَا يَوۡمَ ٱلدِّينِ﴿١٥

15hatsipy ao izy ireo amin'ny Andro farany,

وَمَا هُمۡ عَنۡهَا بِغَآئِبِينَ﴿١٦

16ary tsy hiala ao mihitsy izy ireo mandrakizay,

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ﴿١٧

17Moa fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?

ثُمَّ مَآ أَدۡرَىٰكَ مَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ﴿١٨

18Moa tsy fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?

يَوۡمَ لَا تَمۡلِكُ نَفۡسٞ لِّنَفۡسٖ شَيۡـٔٗاۖ وَٱلۡأَمۡرُ يَوۡمَئِذٖ لِّلَّهِ﴿١٩

19Andro, izay tsy hananan'ny fanahy fahefana amin'ny fanahy hafa na dia kely aza, satria ny fahefana rehetra amin'izany dia eo am-pelan-tanan'I Allah .

RELATED SURAHS