Az-Zalzalah

الزلزلة

The Earthquake8 ayahsMedinan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

إِذَا زُلۡزِلَتِ ٱلۡأَرۡضُ زِلۡزَالَهَا﴿١

1Rehefa hihorohoro mafy arak'izay tsy izy ny tany.

وَأَخۡرَجَتِ ٱلۡأَرۡضُ أَثۡقَالَهَا﴿٢

2ary hamoaka ny zava-draiketiny tao aminy izy.

وَقَالَ ٱلۡإِنسَٰنُ مَا لَهَا﴿٣

3ka hiteny ny olombelona hoe : "inona no nahazo ny tany ?"

يَوۡمَئِذٖ تُحَدِّثُ أَخۡبَارَهَا﴿٤

4Amin'izany andro izany ihany, dia hanambara ny vaovaony izy.

بِأَنَّ رَبَّكَ أَوۡحَىٰ لَهَا﴿٥

5Araka izay nambaran'ny Tomponao taminy.

يَوۡمَئِذٖ يَصۡدُرُ ٱلنَّاسُ أَشۡتَاتٗا لِّيُرَوۡاْ أَعۡمَٰلَهُمۡ﴿٦

6Amin'izany andro izany ihany, dia hivoaka ny fasany ny olombelona ka hisarantsaraka mba hampisehoany azy ireo ny asa vitan'izy ireo tsirairay avy.

فَمَن يَعۡمَلۡ مِثۡقَالَ ذَرَّةٍ خَيۡرٗا يَرَهُۥ﴿٧

7Koa izay nanao hatsarana na dia bitika tokoa aza dia hahita izany.

وَمَن يَعۡمَلۡ مِثۡقَالَ ذَرَّةٖ شَرّٗا يَرَهُۥ﴿٨

8Ary toy izany koa izay nanao faharatsiana na dia bitika aza dia mbola hitany izany.

RELATED SURAHS