Al-'Adiyat

العاديات

The Chargers11 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلۡعَٰدِيَٰتِ ضَبۡحٗا﴿١

1Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo.

فَٱلۡمُورِيَٰتِ قَدۡحٗا﴿٢

2Ary mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony.

فَٱلۡمُغِيرَٰتِ صُبۡحٗا﴿٣

3Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina.

فَأَثَرۡنَ بِهِۦ نَقۡعٗا﴿٤

4Sy mampitora-jofo ny vovoka.

فَوَسَطۡنَ بِهِۦ جَمۡعًا﴿٥

5ary miditra eo afovoan'ny fahavalon'izy ireo.

إِنَّ ٱلۡإِنسَٰنَ لِرَبِّهِۦ لَكَنُودٞ﴿٦

6Tena marina, ny olombelona dia mpaniratsira ny Tompony.

وَإِنَّهُۥ عَلَىٰ ذَٰلِكَ لَشَهِيدٞ﴿٧

7Kanefa izy dia tena vavolombelona tokoa ny amin'izany.

وَإِنَّهُۥ لِحُبِّ ٱلۡخَيۡرِ لَشَدِيدٌ﴿٨

8Ary fatra-pitia mafy ihany koa ny harena.

۞ أَفَلَا يَعۡلَمُ إِذَا بُعۡثِرَ مَا فِي ٱلۡقُبُورِ﴿٩

9Moa va tsy ho fantany rehefa hifokatra ireo izay ao am-pasana.

وَحُصِّلَ مَا فِي ٱلصُّدُورِ﴿١٠

10Ary haseho miharihary izay rehetra nokobonin'ny fo.

إِنَّ رَبَّهُم بِهِمۡ يَوۡمَئِذٖ لَّخَبِيرُۢ﴿١١

11Tena marina; ny Tompon'izy ireo amin'izany andro izany dia Mahalala tsara ny momba azy ireo.

RELATED SURAHS