المطففين
The Defrauders • 36 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Loza ho an'ireo mpisoloky,
2dia ireo, izay mitaky fahamarinam-pamàrana rehefa mampamàtra hoan'ny tenan'izy ireo.
3Ary rehefa mamàtra, na mandanja hoan'ny hafa kosa dia mangalatra!
4Moa ve tsy mihevitra izy ireo fa hatsangana amin'ny maty?
5Amin'ny ilay andro iray lehibe.
6Ilay andro izay hitsanganan'ny olombelona amin'ny maty manoloana ilay Tompon'izao tontolo izao.
7Tsia! ny tena marina anefa ireo olona tsy vanon-toetra ireo dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Afo be.
8Moa fantatrao ve izany takelaka izany?
9Boky efa voasoratra.
10loza hoan'ireo izay mpanda an'izany andro farany izany.
11Dia ireo izay tsy nino ny Andro fitsarana.
12tsy misy nanda izany anefa afa-tsy izay mpihoa-pefy sy ny mpanota matevi-koditra ihany.
13Koa rehefa torìna aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.
14Tsia! Indrisy anefa fa voarakotr'ireo zava-bitany ny fon'izy ireo.
15Tsia! Tena marina izy ireo, amin'izany andro izany, dia tsy hahita ny Tompon'izy ireo.
16Ary dia ho ao anatin'ny Afobe mandrakizay.
17Rehefa izany dia hambara amin'izy ireo hoe: "io ary ilay zavatra nolavinareo".
18Tsia! Fa ireo feno fankatoavana an'I Allah kosa dia voasoratra ao anatin'ny takelaka misy ny olon'ny Paradisa.
19Moa ve fantatrao izany takelaka misy ny olon'ny paradisa izany.
20Boky efa voasoratra.
21Ho vavolombelona ny amin'izay ireo anjely.
22Eny! Tena marina, ireo feno fankatoavana an'I Allah, dia ho ao anatin'ny fiadanana.
23Ka eo ambon'ny toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'I Allah.
24Hitanao taratra eny amin'ny endrik'izy ireo ny hazavam-pahasoavana.
25Hampisotroina azy ireo ny fisotro tsara indrindra voatokana ho azy ireo.
26Ny tsirony eo am-piafarana dia manitra, mamerovero, ka tokony hifaninana ny amin'izany ireo te-hifaninana.
27zava-pisotro izay nifangaro tamin'ny loharanon'ny Tasnima.
28loharano izay fisotroan'ireo izay akaikin'I Allah
29Tena marina, ireo tsy mpino dia nandrebireby sy nanao fihomezana ireo mpino fahiny.
30ary raha sendra mandalo eo anoloan'ireo mpino izy ireo dia mangarika.
31rehefa miverina any amin'ny fianakaviany izy ireo, dia miverina am-pandrebirebiana sy am-panesoana ireo mpino.
32ary rehefa mahita ny mpino izy ireo dia milaza fa tena olom-bery ireo.
33ary tsy nandefasana ireo anjely mpiambina akory izy ireo.
34fa amin'ny Andro farany kosa dia hihomehy ireo mpikomy ny mpino.
35Ka eo ambony toerana avo no hitazanan'izy ireo ny fahavalon'i Allah.
36Moa ve efa nampiharina tamin'ireo mpikomy ny valin'asa nataon'izy ireo taloha?