Al-Inshiqaq

الانشقاق

The Splitting Open25 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

إِذَا ٱلسَّمَآءُ ٱنشَقَّتۡ﴿١

1Rehefa hitriatra ny lanitra.

وَأَذِنَتۡ لِرَبِّهَا وَحُقَّتۡ﴿٢

2Dia ankato ny Tompony izy ary hanao izay rehetra tsy maintsy hataony.

وَإِذَا ٱلۡأَرۡضُ مُدَّتۡ﴿٣

3ary rehefa hihetsika ny tany ka hitovy tantana.

وَأَلۡقَتۡ مَا فِيهَا وَتَخَلَّتۡ﴿٤

4ka hamoaka ireo rehetra tao anatiny ho foana tsy hisy hijanona na dia kely aza.

وَأَذِنَتۡ لِرَبِّهَا وَحُقَّتۡ﴿٥

5Dia hankato ny Tompony izy ary hanao izay rehetra tsy maintsy hataony.

يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡإِنسَٰنُ إِنَّكَ كَادِحٌ إِلَىٰ رَبِّكَ كَدۡحٗا فَمُلَٰقِيهِ﴿٦

6O! Ry olombelona! Tena marina ianao izay mitolona hizotra hoany amin'ny Tomponao io, dia tsy maintsy hihaona Aminy.

فَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِيَمِينِهِۦ﴿٧

7Ka ho an'izay tolorana ny bokiny amin'ny ankavanany.

فَسَوۡفَ يُحَاسَبُ حِسَابٗا يَسِيرٗا﴿٨

8dia handalo fitsarana maivana dia maivana izy,

وَيَنقَلِبُ إِلَىٰٓ أَهۡلِهِۦ مَسۡرُورٗا﴿٩

9Ary hiverina any amin'ny ankohonany am-pifaliana tokoa,

وَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ وَرَآءَ ظَهۡرِهِۦ﴿١٠

10fa ho an'izay tolorana ny bokiny avy ao an-damosiny kosa

فَسَوۡفَ يَدۡعُواْ ثُبُورٗا﴿١١

11dia hiantso an-drafahafatesana izy.

وَيَصۡلَىٰ سَعِيرًا﴿١٢

12ary hatsipy ao anaty afo.

إِنَّهُۥ كَانَ فِيٓ أَهۡلِهِۦ مَسۡرُورًا﴿١٣

13Fony izy tany amin'ny ankohonany dia niaina tamim-pifaliana tokoa.

إِنَّهُۥ ظَنَّ أَن لَّن يَحُورَ﴿١٤

14Ka dia tsy nihevitra ny hiverina any amin'ny Tompony izy ka hitsangana amin'ny maty.

بَلَىٰٓۚ إِنَّ رَبَّهُۥ كَانَ بِهِۦ بَصِيرٗا﴿١٥

15Indrisy anefa tsy izany ! Ny Tompony dia manara-maso azy fatratra tokoa.

فَلَآ أُقۡسِمُ بِٱلشَّفَقِ﴿١٦

16Tsia! Mianiana amin'ny fara-vodi-lanitra mena aho!

وَٱلَّيۡلِ وَمَا وَسَقَ﴿١٧

17Sy amin'ny alina ary amin'izay rehetra koboniny ao!

وَٱلۡقَمَرِ إِذَا ٱتَّسَقَ﴿١٨

18Ary amin'ny volana rehefa ho fenomanana iny!

لَتَرۡكَبُنَّ طَبَقًا عَن طَبَقٖ﴿١٩

19Tena marina fa ianareo dia handalo dingana maro mifandimby.

فَمَا لَهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ﴿٢٠

20Koa inona anefa no antony tsy mampino azy ireo?

وَإِذَا قُرِئَ عَلَيۡهِمُ ٱلۡقُرۡءَانُ لَا يَسۡجُدُونَۤ۩﴿٢١

21Ary rehefa torina amin'izy ireo ny Kor'oany masina dia tsy manaiky ny hiankohoka izy ireo.

بَلِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ يُكَذِّبُونَ﴿٢٢

22Indrisy anefa fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,

وَٱللَّهُ أَعۡلَمُ بِمَا يُوعُونَ﴿٢٣

23Nefa I Allah dia mahafantatra tokoa izay kobonin'izy ireo.

فَبَشِّرۡهُم بِعَذَابٍ أَلِيمٍ﴿٢٤

24Koa ampahafantaro azy ireo ny fahamaizana mangirifiry,

إِلَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُمۡ أَجۡرٌ غَيۡرُ مَمۡنُونِۭ﴿٢٥

25َAfa-tsy izay nino sy nanao asa soa, izy ireo dia hahazo valisoa tsy manam-petra.

RELATED SURAHS