Al-Buruj

البروج

The Great Stars22 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلسَّمَآءِ ذَاتِ ٱلۡبُرُوجِ﴿١

1Mianiana Aho amin'ny lanitra feno ireo antokon- kintana,

وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡمَوۡعُودِ﴿٢

2sy amin'ny ilay andro nampanantenaina;

وَشَاهِدٖ وَمَشۡهُودٖ﴿٣

3sy amin'ny izay manatri-maso izany, ary ny mijoro ho vavolombelona.

قُتِلَ أَصۡحَٰبُ ٱلۡأُخۡدُودِ﴿٤

4Novonoina ireo vahoakan'i Okhdodo ( hantsana lalina )

ٱلنَّارِ ذَاتِ ٱلۡوَقُودِ﴿٥

5Amin'ny afo feno kitay,

إِذۡ هُمۡ عَلَيۡهَا قُعُودٞ﴿٦

6ary indro izy ireo hipetraka manondidina izany.

وَهُمۡ عَلَىٰ مَا يَفۡعَلُونَ بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ شُهُودٞ﴿٧

7Ary vavolombelona koa izy ireo ny amin'ny fampijaliana izay nataon'izy ireo ny mpino.

وَمَا نَقَمُواْ مِنۡهُمۡ إِلَّآ أَن يُؤۡمِنُواْ بِٱللَّهِ ٱلۡعَزِيزِ ٱلۡحَمِيدِ﴿٨

8Ary nefa tsy nankahala ireo mpino izy ireo afa-tsy nohon'ny finoana an'I Allah ilay mahery sy mendri-piderana,

ٱلَّذِي لَهُۥ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۚ وَٱللَّهُ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ شَهِيدٌ﴿٩

9Azy ny fanjakan'ny lanitra sy ny tany; Allah ilay vavolombelona amin'ny zava-drehetra,

إِنَّ ٱلَّذِينَ فَتَنُواْ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ وَٱلۡمُؤۡمِنَٰتِ ثُمَّ لَمۡ يَتُوبُواْ فَلَهُمۡ عَذَابُ جَهَنَّمَ وَلَهُمۡ عَذَابُ ٱلۡحَرِيقِ﴿١٠

10Tena marina, fa ireo izay nampijaly ny mpino, ka tsy mibebaka tamin'izany dia hahazo ny famaizana ao amin'ny Afo be ary ho dorana,

إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ لَهُمۡ جَنَّٰتٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُۚ ذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡكَبِيرُ﴿١١

11Fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa kosa dia hahazo ny paradisa izay ahitana renirano mikoriana eo ambany; izany no tena fahombiazana lehibe.

إِنَّ بَطۡشَ رَبِّكَ لَشَدِيدٌ﴿١٢

12Marina fa ny sazy avy amin'ny Tomponao dia mahery vaika.

إِنَّهُۥ هُوَ يُبۡدِئُ وَيُعِيدُ﴿١٣

13Ary Izy ilay mpahary ny tany am-piandohana, ary Izy ihany koa no hanangana indray ny amin'ny maty.

وَهُوَ ٱلۡغَفُورُ ٱلۡوَدُودُ﴿١٤

14Izy ilay mpamela heloka sy be fitiavana,

ذُو ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡمَجِيدُ﴿١٥

15Ilay Tompon'ny seza fiandrianana be voninahitra.

فَعَّالٞ لِّمَا يُرِيدُ﴿١٦

16Mahanteraka izay sitrany.

هَلۡ أَتَىٰكَ حَدِيثُ ٱلۡجُنُودِ﴿١٧

17Moa ve tonga tany aminao ny tantaran'ireo tafika?

فِرۡعَوۡنَ وَثَمُودَ﴿١٨

18Dia ny tafik'i Farao sy ny an'i Samodo izany

بَلِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ فِي تَكۡذِيبٖ﴿١٩

19nefa indrisy, fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,

وَٱللَّهُ مِن وَرَآئِهِم مُّحِيطُۢ﴿٢٠

20Allah dia mamatotra azy ireo noho izany,

بَلۡ هُوَ قُرۡءَانٞ مَّجِيدٞ﴿٢١

21Izy io anefa dia Kor'oany be voninahitra,

فِي لَوۡحٖ مَّحۡفُوظِۭ﴿٢٢

22Voatahiry anaty takelaka masina.

RELATED SURAHS