At-Tariq

الطارق

The Night Comer17 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلسَّمَآءِ وَٱلطَّارِقِ﴿١

1Mianiana amin’ny lanitra, sy amin’ny kintana fitarik’andro Aho.

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا ٱلطَّارِقُ﴿٢

2Moa mba fantatrao va izany kintana fitarik’andro izany?

ٱلنَّجۡمُ ٱلثَّاقِبُ﴿٣

3Ilay kintana feno famirapiratana.

إِن كُلُّ نَفۡسٖ لَّمَّا عَلَيۡهَا حَافِظٞ﴿٤

4Eny! Tsy misy fanahy ka tsy manana mpiambina,

فَلۡيَنظُرِ ٱلۡإِنسَٰنُ مِمَّ خُلِقَ﴿٥

5Koa tokony handinika ny olombelona, avy amin'inona tokoa moa no nahariana azy?

خُلِقَ مِن مَّآءٖ دَافِقٖ﴿٦

6Nohariana avy amin'ny ranon'aina mifantsitsitra izy.

يَخۡرُجُ مِنۢ بَيۡنِ ٱلصُّلۡبِ وَٱلتَّرَآئِبِ﴿٧

7izay mivoaka avy eo anelanelan'ny taolan-damosina sy ny tehezana.

إِنَّهُۥ عَلَىٰ رَجۡعِهِۦ لَقَادِرٞ﴿٨

8tena marina fa Izy Allah dia mahafehy amin'ny fananganana azy amin'ny maty,

يَوۡمَ تُبۡلَى ٱلسَّرَآئِرُ﴿٩

9amin'ny Andro izay hamborahana ireo miafina rehetra tao am-po,

فَمَا لَهُۥ مِن قُوَّةٖ وَلَا نَاصِرٖ﴿١٠

10ka tsy hananan'ny olombelona hery sy mpamonjy,

وَٱلسَّمَآءِ ذَاتِ ٱلرَّجۡعِ﴿١١

11Mianiana Aho amin'ny lanitra izay mampisy ny orana,

وَٱلۡأَرۡضِ ذَاتِ ٱلصَّدۡعِ﴿١٢

12sy ny tany izay mampitsiry ireo zava-maniry,

إِنَّهُۥ لَقَوۡلٞ فَصۡلٞ﴿١٣

13fa ny Koroany masina dia teny manavaka ny marina amin'ny lainga,

وَمَا هُوَ بِٱلۡهَزۡلِ﴿١٤

14ary tsy vazivazy tsy misy fotony velively akory,

إِنَّهُمۡ يَكِيدُونَ كَيۡدٗا﴿١٥

15Mampiasa ny hafetsen-dratsiny tokoa izy ireo (ireo tsy mpino),

وَأَكِيدُ كَيۡدٗا﴿١٦

16Izaho koa anefa dia mamaly azy ireo ny amin'izany,

فَمَهِّلِ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَمۡهِلۡهُمۡ رُوَيۡدَۢا﴿١٧

17Koa omeo fe-potoana ireo tsy mpino, fe-potoana kely ihany.

RELATED SURAHS