Al-A'la

الأعلى

The Most High19 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

سَبِّحِ ٱسۡمَ رَبِّكَ ٱلۡأَعۡلَى﴿١

1Ankalazao ny anaran'ny Tomponao, ilay Avo indrindra!

ٱلَّذِي خَلَقَ فَسَوَّىٰ﴿٢

2izay nahary sy nandavorary,

وَٱلَّذِي قَدَّرَ فَهَدَىٰ﴿٣

3Ilay nandahatra sy nitantana,

وَٱلَّذِيٓ أَخۡرَجَ ٱلۡمَرۡعَىٰ﴿٤

4Izay nampitsiry ny vilona,

فَجَعَلَهُۥ غُثَآءً أَحۡوَىٰ﴿٥

5ka nanao izany ho maina sy malazo avy eo,

سَنُقۡرِئُكَ فَلَا تَنسَىٰٓ﴿٦

6hampamakianay ianao mba tsy hanadino,

إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۚ إِنَّهُۥ يَعۡلَمُ ٱلۡجَهۡرَ وَمَا يَخۡفَىٰ﴿٧

7afa-tsy izay sitrak'I Allah ho hadinonao ihany satria Izy no mahalala ny mibaribary sy izay miafina,

وَنُيَسِّرُكَ لِلۡيُسۡرَىٰ﴿٨

8Eny! Hotarihiko ianao ho any amin'ny lalan'ny fahamorana,

فَذَكِّرۡ إِن نَّفَعَتِ ٱلذِّكۡرَىٰ﴿٩

9Ary mampahatsiahiva ! Raha toa ka ilaina ny fampahatsiahivana.

سَيَذَّكَّرُ مَن يَخۡشَىٰ﴿١٠

10fa hahatsiaro izany izay manam-pahatahorana

وَيَتَجَنَّبُهَا ٱلۡأَشۡقَى﴿١١

11Hanalavitra izany kosa ireo olon'ny fijaliana,

ٱلَّذِي يَصۡلَى ٱلنَّارَ ٱلۡكُبۡرَىٰ﴿١٢

12izay ho dorana amin'ny afo be,

ثُمَّ لَا يَمُوتُ فِيهَا وَلَا يَحۡيَىٰ﴿١٣

13avy eo dia sady tsy ho faty izy ireo ao no sady tsy ho velona ihany koa!

قَدۡ أَفۡلَحَ مَن تَزَكَّىٰ﴿١٤

14Nahazo fandresena tokoa izay manadio ny tenany,

وَذَكَرَ ٱسۡمَ رَبِّهِۦ فَصَلَّىٰ﴿١٥

15sy nahatsiaro ny anaran'ny Tompony ka nivavaka,

بَلۡ تُؤۡثِرُونَ ٱلۡحَيَوٰةَ ٱلدُّنۡيَا﴿١٦

16nefa indrisy! Ankafizinareo kokoa ny fiainana ety an-tany,

وَٱلۡأٓخِرَةُ خَيۡرٞ وَأَبۡقَىٰٓ﴿١٧

17kanefa ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra no mandrakizay.

إِنَّ هَٰذَا لَفِي ٱلصُّحُفِ ٱلۡأُولَىٰ﴿١٨

18Izany rehetra efa voalaza tamin’ireo rakitsoratra Masina teo aloha,

صُحُفِ إِبۡرَٰهِيمَ وَمُوسَىٰ﴿١٩

19dia ny rakitsoratr’i Abrahama sy ny an’i Mosesy

RELATED SURAHS