الغاشية
The Overwhelming • 26 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Moa ve tonga taminao ny tantaran'ilay mpandrakotra?
2hisy endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fahatahorana,
3sahirana sy torovana,
4ka ho dorana ao anaty afo miredareda,
5hampisotroina avy amin'ny loharano mangotraka,
6ary tsy hanan-tsakafo afa tsy karazan-tsilo izy ireo.
7ka tsy hampatavy azy ireo izany no koa tsy hanala ny hanoanana,
8hisy koa ireo endrika amin'izay fotoana izay ho ao anatin'ny fiadanana,
9faly tamin'ny ezaka vitany,
10hiditra ny Paradisa mendrika tokoa,
11ka tsy haheno ao anatin'izany ireo teny maloto,
12hita ao anatin'izany koa ny loharano mikoriana,
13fandriana avo toerana,
14ary kaopy efa voahomana,
15ireo ondana tsara lahatra,
16ireo lamaka mivelatra,
17moa tsy nodinihin'izy ireo ny rameva, ahoana ny fomba nahariana azy?
18ary ny lanitra, nanao ahoana ny fomba nampiakarana azy?
19Ireo ny tendrombohitra, nanao ahoana ny fomba nametrahana azy?
20ary ny tany, ahoana ny fomba nampitoviana azy?
21Koa mampahatsiahiva ! Fa raha ny tena marina dia mpampahatsiahy ihany ianao.
22Fa tsy mpifehy azy ireo ianao.
23afa-tsy izay manome lamosina sy mpikomy.
24Satria Allah dia hanasazy azy amin'ny famaizana mafy tokoa.
25Tena marina! Any Amiko no hiverenan'izy ireo indray.
26Ary eo am-pelatanako ny fitsaràna azy ireo.