Al-Fajr

الفجر

The Dawn30 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

وَٱلۡفَجۡرِ﴿١

1Mianiana aho ny amin'ny maraina vao mangiran-dratsy.

وَلَيَالٍ عَشۡرٖ﴿٢

2Ny amin'ny alina folo (alin'ny volana Zol-Hijjah).

وَٱلشَّفۡعِ وَٱلۡوَتۡرِ﴿٣

3Ny amin'ny ankasa sy tsy ankasa.

وَٱلَّيۡلِ إِذَا يَسۡرِ﴿٤

4ny amin'ny alina rehefa mandalo.

هَلۡ فِي ذَٰلِكَ قَسَمٞ لِّذِي حِجۡرٍ﴿٥

5moa va izany tsy fianianana ho an'ireo manan-tsaina ?

أَلَمۡ تَرَ كَيۡفَ فَعَلَ رَبُّكَ بِعَادٍ﴿٦

6Moa va tsy nodinihinao ny nanaovan'I Allah ireo vahoaka'i A'ad ?

إِرَمَ ذَاتِ ٱلۡعِمَادِ﴿٧

7Ary i Iramah izay nanana andry niankinana ?

ٱلَّتِي لَمۡ يُخۡلَقۡ مِثۡلُهَا فِي ٱلۡبِلَٰدِ﴿٨

8Izay tsy nisy namboarina toa azy amin'ireo firenen-drehetra !

وَثَمُودَ ٱلَّذِينَ جَابُواْ ٱلصَّخۡرَ بِٱلۡوَادِ﴿٩

9Niaraka tamin'ny Samodo izay nanao lava-bato teny an-dohasaha.

وَفِرۡعَوۡنَ ذِي ٱلۡأَوۡتَادِ﴿١٠

10Ary i Farao nanana miaramila maro aman-defona.

ٱلَّذِينَ طَغَوۡاْ فِي ٱلۡبِلَٰدِ﴿١١

11Izay nihoa-pefy tao amin'ny firenen'izy ireo.

فَأَكۡثَرُواْ فِيهَا ٱلۡفَسَادَ﴿١٢

12Ary nampiely faharatsiana maro tao.

فَصَبَّ عَلَيۡهِمۡ رَبُّكَ سَوۡطَ عَذَابٍ﴿١٣

13Noho izany dia nandefasan'ny Tomponao kapoka mavaivay izy ireo.

إِنَّ رَبَّكَ لَبِٱلۡمِرۡصَادِ﴿١٤

14Tena marina ! Ny tomponao dia manara-maso fatratra.

فَأَمَّا ٱلۡإِنسَٰنُ إِذَا مَا ٱبۡتَلَىٰهُ رَبُّهُۥ فَأَكۡرَمَهُۥ وَنَعَّمَهُۥ فَيَقُولُ رَبِّيٓ أَكۡرَمَنِ﴿١٥

15Ny olombelona rehefa notsapàn'ny Tompony ka notahiny sy nomeny fahasoavana, dia hiteny izy ireo hoe : "Nitahy ahy ny Tompoko".

وَأَمَّآ إِذَا مَا ٱبۡتَلَىٰهُ فَقَدَرَ عَلَيۡهِ رِزۡقَهُۥ فَيَقُولُ رَبِّيٓ أَهَٰنَنِ﴿١٦

16Ary rehefa notsapàny koa izy ireo ka nampianjadiany fahasahiranana ; dia hiteny izy ireo hoe : "tsy norarahin'ny Tompoko aho".

كَلَّاۖ بَل لَّا تُكۡرِمُونَ ٱلۡيَتِيمَ﴿١٧

17Tsia ! indrisy anefa fa manao tsinotsinona ny kamboty ianareo.

وَلَا تَحَٰٓضُّونَ عَلَىٰ طَعَامِ ٱلۡمِسۡكِينِ﴿١٨

18Ary tsy mifamporisika amin'ny fanomezana sakafo ireo mahantra ianareo.

وَتَأۡكُلُونَ ٱلتُّرَاثَ أَكۡلٗا لَّمّٗا﴿١٩

19Fa manao ampihi-mamba ny lovan'ireo kamboty.

وَتُحِبُّونَ ٱلۡمَالَ حُبّٗا جَمّٗا﴿٢٠

20Tena tia harena diso tafahoatra ianareo !

كَلَّآۖ إِذَا دُكَّتِ ٱلۡأَرۡضُ دَكّٗا دَكّٗا﴿٢١

21Tsia ! Rehefa montsana ka hihorohoro araka izay tsy izy ny tany.

وَجَآءَ رَبُّكَ وَٱلۡمَلَكُ صَفّٗا صَفّٗا﴿٢٢

22ary ho tonga ny Tomponao sy ireo anjely hitandahatra,

وَجِاْيٓءَ يَوۡمَئِذِۭ بِجَهَنَّمَۚ يَوۡمَئِذٖ يَتَذَكَّرُ ٱلۡإِنسَٰنُ وَأَنَّىٰ لَهُ ٱلذِّكۡرَىٰ﴿٢٣

23koa amin'izany andro izany dia haseho ny Afobe, dia ilay andro izay hahatsiarovan'ny olombelona, nefa inona intsony moa no ilany ny fahatsiarovana amin'izany fotoana izany ?

يَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي قَدَّمۡتُ لِحَيَاتِي﴿٢٤

24ka hiloa-bava hoe : "tahaka izay aho mba nanao hatsarana ho amin'ny fiainako ho avy !"

فَيَوۡمَئِذٖ لَّا يُعَذِّبُ عَذَابَهُۥٓ أَحَدٞ﴿٢٥

25Amin'izany andro izany dia tsy hisy famindram-po ny famaizan'I Tompo Allah,

وَلَا يُوثِقُ وَثَاقَهُۥٓ أَحَدٞ﴿٢٦

26ary tsy hisy famindram-po tahaka izany ihany koa ny famatoran-drojon'I Allah,

يَٰٓأَيَّتُهَا ٱلنَّفۡسُ ٱلۡمُطۡمَئِنَّةُ﴿٢٧

27O ry fanahy feno fahatoniana !

ٱرۡجِعِيٓ إِلَىٰ رَبِّكِ رَاضِيَةٗ مَّرۡضِيَّةٗ﴿٢٨

28Miverena ianao any amin'ny Tomponao am-pahatoniana sy feno fakansitrahana.

فَٱدۡخُلِي فِي عِبَٰدِي﴿٢٩

29Mandrosoa ho anisan'ny mpanompoko.

وَٱدۡخُلِي جَنَّتِي﴿٣٠

30Ary midira ho ao amin'ny Paradisako.

RELATED SURAHS