البلد
The City • 20 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Tsia!Mianiana amin'ity tanana ity Aho.
2sy ianao io izay monina amin'ity tanàna ity !
3Ary amin'ny ray sy ny naterany !
4Efa nohariako ho amin'ny tolona ny olombelona.
5Koa moa va izy ireo mihevitra fa tsy hisy hanohitra azy ireo na oviana na oviana ?
6Ary hiteny hoe : "nandanindany harena maro aho ! Nandany tsy amin'ny antony."
7Moa ve mihevitra koa izy fa tsy misy manara-maso ?
8Moa va tsy nohariako ho azy ireo ny masony roa ?
9Ny lelany sy ny molony roa ?
10Ary efa nampahafantariko azy ireo ny lalana roa.
11kanefa tsy niady tamin'ny lalan'ny fahasarotana izy.
12Moa va fantatrao izany lalan'ny fahasarotana izany ?
13Dia ny famotsorana mpifatotra nandevozina,
14Na fampihinanana amin'ny andron'ny mosary.
15ny havana kamboty
16na ny mahantra mitrongy vao homana,
17Ary dia mba ho anisan'ireo mpino sy mpampirisika amin'ny faharetana sy ny fifampiantrana,
18Izy ireo no olon'ny ankavanana.
19Ary ireo izay tsy nino ny faminaniako kosa dia izy ireo no olon'ny afo be ankavia,
20Ka hanepotra azy ireo ny afo.