الليل
The Night • 21 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Mianiana Aho amin'ny alina mikitroka,
2Amin'ny andro rehefa miposaka mamiratra izy,
3Amin'ny nahariana ny lahy sy ny vavy.
4Fa raha ny tena marina, ny asanareo dia samihafa,
5Ary ho an'ilay malala-tanana sy manam-patahorana an'I Allah.
6Ary manamarina ny fisian'ny valisoa tsara indrindra.
7Ary ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahamorana.
8Fa ho an'ireo izay kahihitra sy miseho ho mahavita tena kosa.
9Ary mandà ny fisian'ny valisoa tsara indrindra,
10Dia ho amorako ho azy ireo ny lalana mankany amin'ny fahasarotana.
11Ary tsy hahavita na inona aminy ny hareny rehefa hatsipy ao anaty Afobe izy.
12Tena adidinay tokoa ny fitarihana.
13Anay tanteraka ny fiainana eto an-tany sy any ankoatra.
14Noho izany dia efa nampitandremako ilay afo milelalela ianareo.
15Ka tsy handoro afa-tsy ireo voahozona,
16Dia izay tsy nino sy nandà izany.
17Ary hanalavitra izany kosa ny be fahatahorana an'i Tompo Allah.
18Dia izay manome ny hareny mba hanadiovana ny fanahiny,
19Ary tsy misy na iza na iza eo anatrehany ka ahazo valim-pahasoavana.
20Afa-tsy nohon'ny fikatsahana ny tavan'ny Tompony Avo indrindra irery ihany.
21Eny ! Ho afa-po tsy ho ela izy.