الضحى
The Morning Hours • 11 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Mianiana Aho amin'ny misandratr'andro.
2Sy ny amin'ny alina mikitroka.
3Fa tsy nandao sy tsy nankahala anao ny Tomponao,
4Ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra ho anao nohon'ny fiainana eto an-tany.
5Hanome fahasoavana ho anao ny Tomponao ka dia ho afa-po tokoa ianao noho izany.
6Moa va tsy hitany tao anatin'ny fahakambotiana ianao ka tsy noraisiny ?
7Hitany tao anaty fahaverezana ianao ka dia notarihiny.
8ary hitany tao anatin'ny fahantrana lalina ianao ka dia nomeny ny ampy.
9Koa aza manao tsindry hazo lena ny kamboty.
10Ary aza atosi-boho-tanana ny mpangataka,
11Fa lazao kosa ireo fahasoavan'ny Tomponao.