الشرح
The Relief • 8 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Moa tsy efa nosokafanay ve ny tratranao,
2Ary efa nesorinay taminao ny enta-mavesatra,
3Izay nitambesatra tao an-damosinao.
4Ary nasandray ho ambony ny anaranao
5Tena marina fa aorian'ny fahasarotana dia ny fahamorana.
6Eny ! Aorian'ny fahasarotana dia ny fahamorana.
7Ka rehefa malalaka ianao dia mitsangana.
8Ary manàna faniriana ho any amin'ny Tomponao.