التين
The Fig • 8 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Mianiana Aho amin'ny aviavy sy ny hazon'oliva.
2Sy amin'ny tendrombohitra Sinay.
3Amin'ity tanàna mandry fahalemana ity.
4Fa noharianay ho tonga lafatra tokoa ny olombelona.
5Ary naverinay any amin'ny farany ambany indrindra.
6afa-tsy izay nino sy nanao asa soa no tsy hitsahatra ka hahazo valisoa tsy manam-petra.
7Koa raha izany ary, inona no andainganao ny Andro farany ?
8Moa tsy Allah va no mpitsara mendrika indrindra?