العلق
The Clot • 19 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Vakio amin'ny anaran'ny Tomponao ilay Nahary.
2Nahary ny olombelona tamin'ny vongan-drà.
3Vakio fa ny Tomponao dia be fitsimbinana.
4Izay nampianatra tamin'ny alalan'ny penina.
5Nampianatra ny olombelona ireo zavatra tsy fantany.
6Tsia ! indrisy anefa fa mihoa-pefy tokoa ny olombelona.
7Rehefa nahita ny tenany ho mahavita tena.
8kanefa any amin'ny Tomponao tokoa no hiverenana.
9Moa va hitanao ilay mandrara.
10Ny mpanompo rehefa hivavaka ?
11Moa fantatrao va raha toa ka ao anatin'ny fahitsiana izy.
12Na naniraka ho amin'ny fahatahorana an'I Allah.
13Moa va hitanao raha tsy nino sy nandà izy?
14Ary moa va tsy fantany fa mahita azy tokoa Allah ?
15Tsia ! Raha tsy mijanona amin'zany izy dia hosintoniko eo amin'ny sangany !
16Dia ilay sangan'ny mpandainga sy mpanota !
17Ka tokony hiantso ireo mpiandany aminy izy.
18Fa ho antsoiko ihany koa ireo Anjely mpiambina ny Afobe.
19Tsia ! Aza mankàto azy ireo ianao fa miankohofa ary manatona Tompo Allah.