المدثر
The Cloaked One • 56 ayahs • Meccan
بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ
1Fa ianao ilay manao ankajo lava !
2Mitsangana ianao ary mampitandrema.
3Ary ankalazao ny halehiben'ny Tomponao.
4Ary diovy ireo fitafinao.
5Ary halaviro ny fahotana rehetra.
6Ary aoka ianao tsy hampatsiahy ny soa vitanao mba hahazoanao misimisy kokoa.
7Ary mahareta ianao ho an'ny Tomponao.
8Ka rehefa ho tsofina ny anjomara.
9Dia ho sarotra tokoa io andro io amin'izany fotoana izany.
10Tsy ho mora ho an'ireo tsy mpino izany.
11Avelao irery Aho hiaraka amin'izay Nohariako.
12Ary nomeko fananana maro.
13Sy zanaka maro hiaraka aminy hatrany.
14Ary izay nomaniko tamin'ny fanomanana feno.
15Kanefa dia mbola maniry homeko maro kokoa noho izany izy.
16Tsia ! Satria mandà mafy ireo andininy avy Aminay izy.
17Ho tereko hiaka-piakarana izy.
18Nieritreritra izy ary nanapa-kevitra.
19Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapahan-keviny !
20Eny ! Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapaha-keviny !
21Avy eo dia nijery izy !
22Nikentrona izy no sady nanjombona ny endriny.
23Ary nanome lamosina izy no sady nanambon'ny tena.
24ka hoy izy : "Majika nolovaina ity"
25Tena marina fa ity dia tenin'olombelona ihany .
26Hodorako ao anaty afo mahamay izy.
27Fa iza no hilaza aminao ny atao hoe saqar ?
28Tsy mamela na inona na inona izy ary tsy mitsitsy .
29Fa hanamainty ny hoditra.
30Sivy ambin'ny folo izy ireo.
31Ary Anjely ihany no nataonay mpiambina ny afo. Hisedranay ireo tsy mpino no antony namerenanay ny isany, sady hampiaiky ireo nomena ny boky, sy hampitombo ny finoan'ireo efa nino, ary tsy hampisalasala ireo izay nomena ny boky sy ireo mpino ; ka hitenenan'ireo misy aretina ao am-pony, sy ireo tsy mpino hoe : "Inona ary no tian'I Allah ho lazaina amin'izany fanoharana izany ?" Toy izany no amerezan'I Allah lalana izay tiany ho very, sy itariany lalana izay tiany ho tarihina. Tsy misy mahafantatra ny tafiky ny Tomponao afa-tsy Izy irery. Fa fampahatsiarovana ho an'ny olombelona ihany izany.
32Tsia !Ary mianiana amin'ny volana Aho !
33Sy amin'ny alina rehefa ho lasa !
34Ary amin'ny mangiran-dratsy rehefa vao miposaka.
35Fa isan'ny iray amin'ny loza lehibe indrindra izany afo izany.
36Ho fampitandremana ny olombelona.
37Ho an'izay te-handroso na te-hihemotra aminareo.
38Takalon'aina ho an'izay nataony ny fanahy tsirairay.
39Afa-tsy ireo olon'ny ankavanana.
40Izay ao amin'ny zaridaina ka hifampanontany.
41Mikasika ireo mpanao ratsy .
42Iza no nandefa anareo ao amin'ny saqar ?
43Hiteny izy ireo hoe : "Tsy isan'ireo nanatanteraka vavaka fanompoana izahay"
44Sady tsy nanome sakafo ireo mahantra.
45Ary niaraka tamin'ireo nanao resaka tsy misy antony izahay.
46Ary nolazanay ho lainga ny andro famaliana.
47Hatramin'ny fahatongavan'ny tena fahamarinana taminay .
48Tsy hahazoan'izy ireo tombotsoa intsony ny fanelanelanana hataon'ireo mpanelanelana.
49Inona àry no nahatonga azy ireo tsy niraharaha ny fampahatsiarovana ?
50Toy ny apondra-dia matahotra izy ireo.
51Mandositra eo anatrehan'ny liona.
52Satrin'ny olona tsirairay amin'izy ireo ny hitondrana ireo taratasy efa mivelatra.
53Tsia ! Satria tsy matahotra ny any ankoatra izy ireo.
54Tsia ! Tena fampatsiarovana tokoa ity.
55ka izay maniry izany dia hahatsiaro.
56Ary saingy tsy hahatsiaro izany izy ireo, raha tsy sitrak'I Allah. Izy no mendrika indrindra hatahorana, ary Izy no Tompon'ny famelan-keloka.