Al-Muzzammil

المزمل

The Enshrouded One20 ayahsMeccan

بِسْمِ ٱللَّهِ ٱلرَّحْمَٰنِ ٱلرَّحِيمِ

يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡمُزَّمِّلُ﴿١

1Fa ianao, ilay misaron-damba !

قُمِ ٱلَّيۡلَ إِلَّا قَلِيلٗا﴿٢

2Mitsangàna ianao mandritry ny alina afa-tsy amin'ny ampahany kely ihany .

نِّصۡفَهُۥٓ أَوِ ٱنقُصۡ مِنۡهُ قَلِيلًا﴿٣

3Ny antsasany na alatsaho kely noho izany .

أَوۡ زِدۡ عَلَيۡهِ وَرَتِّلِ ٱلۡقُرۡءَانَ تَرۡتِيلًا﴿٤

4Na ampitomboy kely ary vakio miadana sady mazava ny koroany.

إِنَّا سَنُلۡقِي عَلَيۡكَ قَوۡلٗا ثَقِيلًا﴿٥

5Fa hanambara teny manan-danja aminao izahay.

إِنَّ نَاشِئَةَ ٱلَّيۡلِ هِيَ أَشَدُّ وَطۡـٔٗا وَأَقۡوَمُ قِيلًا﴿٦

6Mety kokoa ny vavaka amin'ny alina sady mifanaraka amin'ny vakiteny.

إِنَّ لَكَ فِي ٱلنَّهَارِ سَبۡحٗا طَوِيلٗا﴿٧

7Fa manana andraikitra maharitra ianao, mandritra ny andro.

وَٱذۡكُرِ ٱسۡمَ رَبِّكَ وَتَبَتَّلۡ إِلَيۡهِ تَبۡتِيلٗا﴿٨

8Koa tsarovy ny anaran'ny Tomponao, ary manokàna tena tanteraka Aminy.

رَّبُّ ٱلۡمَشۡرِقِ وَٱلۡمَغۡرِبِ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ فَٱتَّخِذۡهُ وَكِيلٗا﴿٩

9Ilay Tompon'ny fiposahana sy ny filentehana. Tsy misy Tompo hafa, afa-tsy Izy. Koa ataovy mpihay anao ary Izy.

وَٱصۡبِرۡ عَلَىٰ مَا يَقُولُونَ وَٱهۡجُرۡهُمۡ هَجۡرٗا جَمِيلٗا﴿١٠

10Ary hiareto izay tenenin'izy ireo ary miataha aminy amim-pahamendrehana.

وَذَرۡنِي وَٱلۡمُكَذِّبِينَ أُوْلِي ٱلنَّعۡمَةِ وَمَهِّلۡهُمۡ قَلِيلًا﴿١١

11Ary avelao aho hiaraka amin'ireo mpiampanga lainga, izay mihaina ao anatin'ny fiadanana ; ary omeo fe-potoana fohy izy ireo.

إِنَّ لَدَيۡنَآ أَنكَالٗا وَجَحِيمٗا﴿١٢

12Ny tena marina dia manana rojo vy mavesatra sy afobe ho azy ireo Izahay.

وَطَعَامٗا ذَا غُصَّةٖ وَعَذَابًا أَلِيمٗا﴿١٣

13Ary sakafo mahasempotra sy famaizana mamirifiry.

يَوۡمَ تَرۡجُفُ ٱلۡأَرۡضُ وَٱلۡجِبَالُ وَكَانَتِ ٱلۡجِبَالُ كَثِيبٗا مَّهِيلًا﴿١٤

14Amin'ny andro hampihorohoro ny tany sy ny tendrombohitra, ka hiparitahan'ny tendrombohitra ho toy ny vondro-pasika.

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَآ إِلَيۡكُمۡ رَسُولٗا شَٰهِدًا عَلَيۡكُمۡ كَمَآ أَرۡسَلۡنَآ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ رَسُولٗا﴿١٥

15Nandefa Iraka taminareo tokoa Izahay mba ho vavolombelona hanohitra anareo, tahaky ny nandefasanay Iraka tamin'i Faraona.

فَعَصَىٰ فِرۡعَوۡنُ ٱلرَّسُولَ فَأَخَذۡنَٰهُ أَخۡذٗا وَبِيلٗا﴿١٦

16Nefa tsy nankato ny Iraka i Faraona ka nosazinay mafy.

فَكَيۡفَ تَتَّقُونَ إِن كَفَرۡتُمۡ يَوۡمٗا يَجۡعَلُ ٱلۡوِلۡدَٰنَ شِيبًا﴿١٧

17Ahoana no hiarovanareo tena raha tsy mino ianareo amin'ilay andro hahatonga ny zaza ho tahaky ny lahy antitra fotsy volo.

ٱلسَّمَآءُ مُنفَطِرُۢ بِهِۦۚ كَانَ وَعۡدُهُۥ مَفۡعُولًا﴿١٨

18Hampitresaka ny lanitra.Tsy hisalasalana fa ho tanteraka ny fampanantenany.

إِنَّ هَٰذِهِۦ تَذۡكِرَةٞۖ فَمَن شَآءَ ٱتَّخَذَ إِلَىٰ رَبِّهِۦ سَبِيلًا﴿١٩

19Tena fampatsiahivana marina ity. Koa aoka handeha amin'ny lalana mankany amin'ny Tompony izay tia izany.

۞ إِنَّ رَبَّكَ يَعۡلَمُ أَنَّكَ تَقُومُ أَدۡنَىٰ مِن ثُلُثَيِ ٱلَّيۡلِ وَنِصۡفَهُۥ وَثُلُثَهُۥ وَطَآئِفَةٞ مِّنَ ٱلَّذِينَ مَعَكَۚ وَٱللَّهُ يُقَدِّرُ ٱلَّيۡلَ وَٱلنَّهَارَۚ عَلِمَ أَن لَّن تُحۡصُوهُ فَتَابَ عَلَيۡكُمۡۖ فَٱقۡرَءُواْ مَا تَيَسَّرَ مِنَ ٱلۡقُرۡءَانِۚ عَلِمَ أَن سَيَكُونُ مِنكُم مَّرۡضَىٰ وَءَاخَرُونَ يَضۡرِبُونَ فِي ٱلۡأَرۡضِ يَبۡتَغُونَ مِن فَضۡلِ ٱللَّهِ وَءَاخَرُونَ يُقَٰتِلُونَ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِۖ فَٱقۡرَءُواْ مَا تَيَسَّرَ مِنۡهُۚ وَأَقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَءَاتُواْ ٱلزَّكَوٰةَ وَأَقۡرِضُواْ ٱللَّهَ قَرۡضًا حَسَنٗاۚ وَمَا تُقَدِّمُواْ لِأَنفُسِكُم مِّنۡ خَيۡرٖ تَجِدُوهُ عِندَ ٱللَّهِ هُوَ خَيۡرٗا وَأَعۡظَمَ أَجۡرٗاۚ وَٱسۡتَغۡفِرُواْ ٱللَّهَۖ إِنَّ ٱللَّهَ غَفُورٞ رَّحِيمُۢ﴿٢٠

20Fantatry ny Tomponao tokoa, fa mitsangana mandritra ny roa ampahatelon'ny alina ianao, na ny antsasany, na ny ampahatelony. Toy izany koa ny ampahany amin'ireo izay miaraka aminao. Allah no mametra ny andro sy ny alina, fantany fa tsy afaka handany ny alina manontolo amin'ny fivavahana ianareo. Namela anareo Izy. Vakio ary izay vitanareo amin'ny koroany. Fantany, fa misy harary aminareo, misy handeha hivahiny hitady ny fahasoavan'I Allah, ary ny sasany koa handeha hiady amin'ny lalan'I Allah. Vakio ary izay azonareo vakiana. Tanterao ny vavaka fanompoana, omeo ny harena fiantrana, ary mampindrama amin-kitsim-po amin'I Allah ianareo. Fa izay tsara rehetra nomaninareo ho an'ny tenanareo, dia ho hitanareo any amin'I Allah, izany no tsara sy lehibe indrindra ho valisoanareo. Ary mangataha famelan-keloka amin'I Allah ianareo, fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa I Allah.

RELATED SURAHS